• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Radio-Canada
Image
Sexualité & Mariage

Ireo olana mampiady matetika ny mpivady sy ny vahaolana amin’izany

06/05/2024 16:33 © Moov.Mg

Mba hampilamina sy hampaharitra ny fanambadiana dia mila mahay mitady vahaolana amin’ireo olana atrehany ao anatin’ny tokantrano ny mpivady. Ireto ary misy santionany amin’ireo olana matetika mampiady ny mpivady sy ny vahaolana amin’izany.

Ny fifamaliana matetika

Mahatonga rarintsaina, tsy mampivoatra ary manimba tsikelikely ny fiarahana ny fifamaliana matetika eo amin’ny mpivady, n’inon’inona anton’izany. Raha toa ka anton-javatra mitovy hatrany no mahatonga ny fifamaliana eo amin’ny mpivady dia midika izany fa mbola tsy voavaha tanteraka ny fototr’ilay olana.
Mba hialana amin’ny fifamaliana matetika dia mila manatsahatra ny fifanenjehana sy ny fifanomezan-tsiny ny mpivady. Esorina ao an-tsaina ny hoe ny vady ihany no diso sy mahatonga ny olana rehetra eo amin’ny fiainana. Samy manana ampahan’andraikitra mitovy amin’ny filaminana sy ny fikorontanan’ny tokantrano ny mpivady. Mila samy mahatsapa tena fa manana fahadisoana sy fahalemena ny andaniny sy ny ankilany mba hahay hifandefitra sy hifanohana.

Tsy fitoviana fijery mikasika ny ho avy

Tsy voatery hitovy fijery mikasika ny fiainana ho avy ny mpivady. Ny andaniny mety mionona amin’ny fiainany sy ny asany tsotsotra nefa ny ankilany maniry ny hisondrotra sy hampiroborobo ny fanana. Ohatra iray hafa ihany koa ny hoe ny andaniny efa maniry ny hiteraka nefa ny ankilany tsy te hanan-janaka. Mety mitarika hatrany amin’ny fisarahana ny tsy fitoviana fijery mikasika ny ho avy raha tsy mahita vahaolana ny mpivady.
Eo amin’ny fiainana dia ilaina matetika ny manao safidy. Tsy afaka hazo daholo tokoa mantsy izay iriana rehetra. Ny mpivady izay tsy mitovy fijery sy tanjona dia mety hisara-dalana rehefa samy maneho ny safidy. Tsy voatery ho tonga amin’izany nefa satria maro ny fomba azo atao hampifanarahana ny fijery sy ny tanjona. Tsy hoe mila milefitra ny iray fa kosa miaraka mandinika sy mitady marimaritra iraisana mba ahafahan’ny andaniny sy ny ankilany mametraka tanjona iraisana.

Tsy fifankahazoana amin’ny rafozana

Olana iray manahirana nefa dia mateti-pitranga eo amin’ny fiainan-tokantrano ny tsy fifankahazoana amin’ny rafozana. Mila hajanona ao an-tsaina ny hoe tsy nisafidy ny ray aman-dreny ananany ny vady ka toy izany ihany koa ny vinanto. Mety hoe tsy mifankahazo amin’ny rafozana ny tena fa izany anefa tsy tokony atao handaozana ny vady.
Mba hialana amin’ny tsy fifankahazoana amin’ny rafozana dia mila mahay mandefitra sy manetry tena ny vinanto. Hapetraka hatrany amin’ny toerana maha ray aman-dreny azy ny rafozana. Mety tsy mora ny manao izany satria mety ireto farany no sarotra hifaneraserana. Mba hisorohana ny disadisa dia fadiana ny mifamaly amin’izy ireny. Tsara ihany koa raha tsy mitakosona matetika loatra ary indrindra tsy miara-mipetraka. Tandremana kosa mba tsy ho ferana hifandray amin’ny ray aman-dreniny sy ny havany ny vady.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo