• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Céline Domecq
Image
Sexualité & Mariage

Moov Confidences : Tranobongon'ny Fitia

15/04/2024 17:28 © Moov

Ao anaty lapabe mangingina ve no ahitana fahasambarana sa ao anaty tranokely tsotsotra hafanain'ny afon-kitay ? Asa tokoa re, leom-piadanana angamba aho ka tranobongo kely iray no nahatazona ny foko sy nahasambatra ny nofoko.

Fitiavana misy fepetra

Hatramin'izay nahatsiarovako saina aho no niaina tao anaty fahasambarana : tranobe, fiara raitra, sakafo tsara, firavaka lafovidy, ... Na taiza na taiza toerana nisy ahy, na tany am-pianarana, na tany am-piangonana na teo anivon'ny fiaraha-monina, manaja anay hatrany ny olona : mitsiky aminay avokoa na ireo tsy mahalala anay mantsy. Olona tsongoin'olom-bolo eo amin'ny tany ama-monina ireo ray aman-dreniko ka tsy nanana olana mihitsy tamin'ny fifandraisana amin'olona. Tia namana sy malala-tanana izy ireo ka tsy nisy mpanenjika izahay.
Vao nanomboka nitsiry ny fitiavako dia voankazo lo no nandramako. Efa teny amin'ny anjerimanontolo aho no nisy tovovavy nanintona ahy 18 taona aho tamin'izany. Nifanentana tsara izahay satria samy zanaky ny mpanankarena. Tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa teny aminy mihitsy aho. Indrisy nefa fa hay efa sisan-dry zalahy rakalakely. Izaho manokana dia tsy mbola niray ara-nofo tamin'ny vehivavy izany mihitsy. Tsy tana nefa ny filàna matetika ka dia manome fahafaham-po ny tena no atao any amin'ny toeram-pidiovana na eo ambony fandriana. Efa tena nanana fiainana ara-nofo tena matotra aho satria tsy mahalefitra tsy mahazo fahafinaretana latsaky ny in-telo isan-kerinandro ao. Misy fotoana aza moa rehefa faran'ny herinandro tena mijery horonantsary ho an'olondehibe mihitsy ary maka fahafinaretana mandritra ny ora maromaro.
Rehefa niaraka teo amin'ny 3 volana teo izaho sy ilay tovovavy dia tsy ampy anay intsony ny fifanorohana. Izahay rahateo mody hariva matetika, sady efa mifampiditra an-trano. Nanontany ny heviny aho ny amin'ny hirosoanay amin'ny firaisana ara-nofo. Nanaiky moa izy, saingy nandainga tamiko : mbola virijiny aho hoy izy. Namandrika efitrano tamina hotely mihaja aho, mba hiavaka ilay alina mamy voalohany. Vao nikatona ny varavarana no nanomboka kaodikaody aho. Marina fa mbola tsy niray ara-nofo tamin'ny vehivavy aho, saingy sahisahy loatra izy tamin'ny fihetsiny. Avy hatrany dia nanala ny ambonin'akanjony izy ary nijapy ahy teo ambony "canapé". Somary natahotra aho sao harary izy ka tokony eny ambony fandriana no milamina kokoa. Nandà nefa izy ka nitohy teo hatrany ny fifandranitana. Tsy nisy tompon'ny tenanay intsony izahay ... Nobataiko teny ambony fandriana izy. Ny tanako aloha no nampiasaiko saingy tsy nitaraina narary izy. Raikitra àry ny natao ka tena nakafy fotsiny izy, ary tsy nanano sarotra akory izany. Somary tapaka ny fientanako satria na dia "débutant" aza aho tsy adala akory. Gaga izy satria tsy nanaiky nanohy intsony aho, na niezaka mafy aza izy nanaitra ahy indray .... Tapaka teo ny fifandraisanay satria diso fanantenana aho ... Tsy nila naterina nody akory izy satria manana ny mpamiliny manokana ... Izaho nijanona natory tao amin'ilay trano fandraisam-bahiny.
Tsy nanaiky mihitsy ikala raha tsy nihaona tamiko andro vitsivitsy taorian'izay. Niaiky ny fahadisoany izy, ary nanambara tamiko fa efa nisy lehilahy telo niaraka taminy. Tena efa galifantsy ramatoakely, ho aho tany an-tsaiko tany. Tsy nanaiky nisaraka tamiko mihitsy izy, izaho anefa tena tsy tia intsony. Nandalo matetika tao an-trano izy nandangolango an'ireo ray aman-dreniko. Ny alina mijanona mihitsy manome fahafinaretana ahy : dia nararaotiko tokoa moa koa ! Raha ny hampakatra azy ho vady kosa aloha, nofinofy !

Fitiavana tsy misy fetra

Roa taona teo ho eo no nilomanosako tanatin'ny tontolon'ny olon-dehibe. Nampianatra ahy mikasika ny fangalana sy fanomezana fahafinaretana isan-karazany ilay tovovavy sakaizako, na dia tsy nisy akory aza ny tena hoe fitiavana teo aminay. Handray 21 taona aho no tsy maintsy nisaraka tanteraka izahay satria nisafidy ny hanohy fianarana any am-pita izy. Zarako aza, satria lasa fahazaran-dratsy ho ahy ny mamiravira ilay zanak'olona nefa olona tsy ho alaiko vady akory.
Somary naka aina kely aho, tsy nilalao vehivavy intsony aloha fa nionona tamin'ny savony. Nifantoka tamin'ny fianarana sy ny fizaran'asa aho nandritra ny 2 taona teo ho eo. Mialoha ny namaranako ny fianarako nefa dia tsy maintsy nanatontosa fikarohana aho. Koa satria "agronomie" ny lalam-piofanana narahiko, tany ambanivohitra lavitra no naleha. Nanahy mafy ireo ray aman-dreniko satria tovolahy zatra naterina fiara sy nampiadanina tanteraka aho, nefa hisedra dia an-tongotra sady tsy hahita sakafo tsara ihany koa. Tsy afaka nitondra entana firy nefa satria tsy latsaky ny 20 kilometatra ny dia an-tongotra rehefa miala avy eo amin'ny fiantsonan'ny taxibrosy.
Bandy roalahy izahay no niaraka, tsy nanana trano isitrihana akory fa mi-démerde e ! Efa tamin'ny 5 ora hariva izahay vao niditra ilay tananakely nandehananay, nangina tanteraka satria efa tafody avokoa ny olona, tsy misy jiro mantsy ao ! Kalakely nandroaka gana sendra tratra hariva no nifanojo taminay ka io no nanaiky nampiantrano. Maro an-trano hono mantsy izy ireo ka toa tsy nampaninona azy ny nanaiky ny fangatahanay roalahy. Nahafinaritra tokoa ny fiaraha-monina satria nianatra fiainana tsotra tanteraka aho : trano maimbomaimbo lao sady maintin'ny setroka, sakafo tsy be fangaro firy nefa mahasalama, fifandraisana feno tsikitsiky tsy sembanin'ny fitaovana teknolojika samihafa, raharaha mampiasa vatana sy saina, sns. I Mendrika no nampianatra ahy ny zava-drehetra mikasika ny fiainana andavan'andro any ambanivolo. Na dia tsy nahita fianarana firy aza izy dia mahalala fomba sady mahay mifandray amin'ny manodidina azy. Tso-pitafy izy sady madio tsara ery, eny madio amin'ny lafiny rehetra. 3 herinandro teo ho eo no nahatongavanay tany dia nanapa-kevitra aho fa i Mendrika no ho ravaky ny tokantranoko, tsy foiko loatra mantsy ilay tsikiny sy ilay vazivaziny. Tsotra loatra izy ka fantatro tsara fa tsy handainga amiko na hamitaka ahy na oviana na oviana.
Indray andro, nisy fety lehibe tany an-tampon-tanàna. I Mendrika nefa tsy maintsy miandry ireo biby fiompy, ka nanapa-kevitra ny hanampy azy aho. "Angalariko androany ny fahadiovan’dri", hoy aho nibitsika teo amin’ny sofiny, sady novahako ilay sarindoha namehy ny volony lava sady kanto dia kanto. Tsy nahahetsika izy fa toa nangovitra. Hitako natahotra be izy satria noheveriny fa mpivahiny hanadala azy fotsiny aho. Efa naharitra telopolo minitra mahery ny teny mamy sy ny orokoroka vao navelany hikitika ilay faritra saropady aho. Niferotr’aina tokoa izy raha vao nanomboka nisava lalana ny tanako. Soa ihany izy fa efa nahatsapa fahafinaretana ka nihafiany ny nidirako voalohany ao aminy : tery dia tery sady tena nila hery. Somary nahery setra mihitsy aho. Niray ara-nofo indroa izahay tamin’io andro voalohany io. Finaritra ery aho satria toa tiany ilay marary nefa sady mahazo fahafinaretana. Nanomboka teo dia niray foana izahay isan’andro rehefa tsy eo ny lehibe. 3 volana no faharetan’ny asa fikarohana, ka rehefa nody aho dia nampandre ireo ray aman-dreniko ny amin’ny angatahana an’i Mendrika. Nanatsara ilay trano tany ambanivohitra izahay mialoha ny vodiondry.
Rehefa niakatra taty an-drenivohitra i Mendrika dia natao "relooking" ary niova fitafiana. Aoka fotsiny ny endrika aman-bikany. Tsy naharitra tany an-trano intsony aho tamin’io andro niantsenanay io fa dia notolomiko tao anaty fiara izy. Ny orana rahateo avy be ka mora taminay ny nahita toera-mangina nifampizarana fahafinaretana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo