• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Copl
Image
Sexualité & Mariage

Miaina anaty « relation toxique » : ireo fambara ahafantarana izany

16/04/2024 10:33 © Moov.Mg

Maro dia maro tokoa ireo olona mijaly mangina anatin’izany atao hoe « relation toxique » izany. Mikiky miadana ny fiafiana anatin’izany fiarahana izany ka mety hitarika hatrany amin’ny famoizam-po raha tsy hialana haingana. Fa inona tokoa ary ireo fambara ahafantarana fa miaina anaty « relation toxique » ny olona iray ?

Inona no atao hoe « relation toxique » ?

Alohan’ny iresahana ireo fambara ahafantarana fa miaina anaty « relation toxique » ny olona iray dia mila hazavaina ny atao hoe « relation toxique ». Ity farany moa dia fiarahan’olon-droa izay ahatsapan’ny ankilany, na izy roa mihintsy, alahelo lava sy havizananan’ny saina sy ny fo. Ity karazana fiarahana ity dia mifototra amin’ny fifandraisana sy fifampiresahana mandratra hatrany, toy ny :
-Fanambaniana sy tsy fanajana ;
-Fanakianana lava ;
-Fandangolangoana ;
-Fahasarotam-piaro tafahoatra ;
-Herisetra am-bava na ara-batana.

Ahoana ny ahafantarana fa miaina anaty « relation toxique » ?

Tsy mora ny ahatsapana fa miaina anaty « relation toxique » satria miseho miandalana ireo toetra sy fihetsika manimba sy mandratra ataon’ilay olona « toxique ». Misy ihany nefa ireo fambara tokony maha tonga saina, toy ny :
-Fahatsapana fa mila mitandrina hatrany amin’ny fihetsika sy teny atao amin’ny olona miaraka amin’ny tena, izay mety ho vady na sakaiza ;
-Fahatahorana ny endriny na ny fihetsiny ;
-Tsy mahatoky tena intsony ;
-Tsy mifandray amin’ny havana sy ny namana intsony ;
-Fanadinoana tanteraka ny filan’ny tena manokana mba hampifaliana ny vady na ny sakaiza ;
-Fahatsapana fa tsy mety na tsy ampy foana izay zavatra atao imason’ny ankilany ;
-Fifamaliana sy disadisa lava ao anatin’ny fiarahana.
Raha mahatsapa fa miaina ny vitsivitsy amin’ireo fambara ireo dia tokony efa mieritreritra fa tafiditra tanteraka anaty « relation toxique ».

Ireo torohevitra hialana amin’ny « relation toxique »

Araka ny efa voalaza teny am-piandohana dia mety miteraka famoizam-po ny fiainana anaty « relation toxique » raha tsy hialana haingana. Mety ho sarotra tokoa nefa ny miala amin’izany raha toa ka efa nijanona ela tao anatin’izany fiarahana izany ka lasa nivadika fahazarana ny fiainana an’alahelo sy ny tebiteby aterak’izany. Ho an’ireo olona malemy saina na manana fiankinan-doha ara-pitiavana dia mety ho ela mihintsy vao afaka amin’izany fiarahana izany.
Ny dingana voalohany hialana amin’ny « relation toxique » dia ny fahatongavana saina hoe misy olana tokoa ny fiarahana sy ny fifandraisana amin’ny vady na ny sakaiza. Mila mahatsapa ihany koa hoe tsy mendrika ny hiaina anireo fampijaliana ara-tsaina sy ara-batana ataony. Rehefa tonga izany fahatongavan-tsaina izany dia tsy misalasala mitady fanampiana. Afaka manantona namana na havana atokisana na ihany koa manantona « psychologue ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo