• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Allodocteurs
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady tera-bao : torohevitra hikolokoloana ny fanambadiana

14/04/2024 14:05 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo fanamdiana rava hita eny amin’ny fiarahamonina eny aorian’ny nahaterahan’ny zaza voalohany. Ireo fiovana samihafa ateraky ny fitaizana zazakely ka mahatonga fifandirana sy disadisa eo amin’ny mpivady moa matetika no mahatonga izany. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hikolokoloana ny fanambadiana ho an’ireo mpivady tera-bao.

Miomana ara-tsaina sahady dieny mbola tsy tonga ny vahiny kely

Dieny mbola mandritra ny fitondrana vohoka dia efa mila miomana ara-tsaina sahady ny mpivady mikasika ny fiovana hisy eo amin’ny fiainany sy ny andavandrony aorian’ny fiterahana. Rehefa misy zaza tokoa mantsy dia hiena ny fotoana hakana aina, hialana voly… Na andro na alina dia tsy maintsy karakaraina sy taizaina ny zaza : omena sakafo, soloina lamba na « couches » matetika, ampatoriana, trotroina sy tambatambazana rehefa mitomany… Mamizaka ary mampisy adintsaina tokoa izany, indrindra mandritra ireo volana voalohan’ny fitaizana. Raha tsy niomana tsara ara-tsaina amin’izany ny mpivady dia lasa hifamaly sy hifanilika matetika ka mety ho tonga amin’ny fisarahana mihintsy.

Mifanohana sy mifanampy hatrany

Amin’izao vanim-potoan’ny fandrosoana hiainantsiaka izao dia tsy mitombona intsony ny hoe « ny reny ihany no natao hikarakara sy hitaiza ny zaza, indrindra ny zaza vao teraka ». Efa maro ankehitriny ny raim-pianakaviana no mandray anjara feno amin’ny fitaizana ny zazakely. Afaka manome solon-dronono rehefa tsy mampinono ny reny, manolo lamba na « couches », manasa ny lamban-jaza… Milamina ary miadana tokoa ny tokantranon’ny mpivady tera-bao rehefa mahay mifanampy ny roa tonta. Ny renim-pianakaviana kosa etsy andaniny mila mahay mankasitraka ny fanampiana ataon’ny vadiny. Tsy miandry na mampanao zavatra tsy hay na tsy vitan’ity farany ihany koa satria mety miteraka fifamaliana izany.

Mahay mifandefitra sy mandamina fotoana

Satria mandany fotoana tokoa ny fitaizana zaza dia mazava ho azy fa tsy maintsy misy ajanona na ampandeferina ny zavatra fanaon’ny mpivady teo aloha. Anisan’izany ohatra ny fiarahana miaraka amin’ny namana na ny mpiara-miasa na ny fianakaviana. Toy izay ihany koa ny fikarakarana tokantrano, ny fiantsenana, ny fikarakarana vatana… Ilaina nefa ny fananana fotoana manokana ho an’ny tena. Noho izany dia mila mifandefitra ny mpivady amin’ny fifanomezana izany fotoana izany ho an’ny ankilany. Avela tsindraindray hiaraka amin’ny namany na ny mpiara-miasa aminy ny lehilahy. Ny vehivavy kosa raha mba misy tokony alehany dia mba manohana azy ny vadiny amin’ny fikarakarana ny zaza ao an-trano na ny fiarahana amin’izy ireo raha mila entina ilay zaza.

Manokana fotoana hiarahan’ny mpivady

Mila mananana fotoana hiarahana irery ny mpivady mba hikolokoloana ny fitiavana sy ny fifandraisany. Tsy voatery hoe mandeha mivoaka mandeha misakafo na mandehandeha tsy mitondra zaza akory izany fa azo atao tsara ny mijanona ao an-trano fa mba manokana fotoana iarahana sy ifampitositosiana indray. Tafiditra anatin’izany fiarahana izany ny fanaovana firaisana ara-nofo rehefa volana vitsy aorian’ny fiterahana. Mandrapiandry izany fotoana izany dia mifanome fitiavana, mifampisafosafo ary mifanome teny mamy hatrany ny mpivady tera-bao mba tsy hampangatsiaka ny fitiavana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo