• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Sexualité & Mariage

Ilaina tokoa ve ny mampiasa « lubrifiant intime » ?

11/12/2023 11:10 © Moov.Mg

Mbola maro amintsika no tsy mahafantatra ny atao hoe « lubrifiant intime » na hoe « gel lubrifiant ». Vokatra iray manampy amin’ny fanamandoana ny fivaviana izy ireny mandritra ny firaisana ara-nofo. Fa inona tokoa ny « lubrifiant intime » ? Inona avy ireo tombotsoan’ny fampiasana azy ?

Inona no atao hoe « lubrifiant intime » ?

Ny « lubrifiant intime » na « gel lubrifiant » dia vokatra iray miendrika « gel » hanamorana ny fitsofoan’ny filahiana mandritra ny firaisana ara-nofo. Izay hoe somary mitsiranoka, malama ary malefaka ny « lubrifiant intime ». Ny asany voalohany dia ny fanamandoana ny fivaviana mba hisorohana ny fanaintainana mandritra ny firaisana ara-nofo, indrindra ho an’ireo vehivavy manao « sècheresse vaginale ».
Misy karazany telo samihafa moa ny « lubrifiant intime ». Misy ireo novokarina tamin’ny alalan’ny rano. Tsy miteraka « allergies » izy ireny ary mifanaraka amin’ny ankamaroan’ny fimailo ny fampiasana azy. Etsy andaniny misy ireo vita amin’ny alalan’ny « silicone ». Maharitra ela kokoa ny fiasan’izy ireo raha oharina amin’ireo vita amin’ny rano noho izy tsy mora maina. Ary farany dia ao ireo vita amin’ny menaka. Malama kokoa nefa kosa tsy azo ampiasaina miaraka amin’ny fimailo.

Inona avy ireo tombontsoa ny fampiasana ny « lubrifiant intime » ?

Maro ireo tombontsoa azo amin’ny fampiasana ny « lubrifiant intime », anisan’izany ny :
Fanamandoana ny fivaviana rehefa miray ara-nofo mba tsy hamparary izany ary mba hisorohana ny mety ho fanaintainana vokatry ny fifampikasoan’ny taovam-pananahana ;
Fampitomboana ny fahafinaretana mandritra ny firaisana ara-nofo ;
Fanampiana ireo vehivavy manana olana « sècheresse vaginale ». Tsy fanefitra amin’ny « sècheresse vaginale » moa ny « gel lubrifiant » fa fitaovana manampy mandritra ny firaisana ara-nofo fotsiny ihany.

Ahoana ny fifidianana ny « lubrifiant intime » ho ampiasaina ?

Mba hialana amin’ireo vokatra ratsy kalitao dia tsara foana raha any amin’ny farmasia no mividy ny « lubrifiant intime ». Efa maro karazany mo aizy ireny eny amin’ny farmasia eny. Safidiana arak’izay filan’ny mpivady ny « lubrifiant intime ». Tsara hatrany raha ilay tsy mampisy « allergies » no safidiana raha manana hoditra « sensible ». Ho an’ireo tia fofona manitra dia misy amin’izy ireny no misy « parfum ». Mazava ho azy fa misy ihany koa ny tsy misy fofona. Vakiana tsara ny toromarika amin’ny fonony alohan’ny hampiasana azy mba hisitrahana ny tombontsoa azo avy amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo