• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Dr Dhery
Image
Sexualité & Mariage

Marary ny fivaviana rehefa miray ara-nofo : inona no antony ?

04/12/2023 16:15 © Moov.Mg

Toe-javatra mety efa nahazo na mahazo ny vehivavy ny fahatsapana fanaintainana rehefa miray ara-nofo. Mila sorohana izany satria mety manimba ny fiarahana eo amin’ny mpivady. Fa inona tokoa no mamparary ny fivaviana rehefa miray ara-nofo ? Inona no tokona atao manoloana izany ?

Ireo antony mety mamparary ny fivaviana rehefa miray ara-nofo

Tranga mety miseho ny hoe marary ny fivaviana rehefa miray ara-nofo. Amin’ny ankapobeny dia rehefa vao miditra iny mihitsy ny filahiana no marary ilay vehivavy, na rehefa milentika anatin'ny fivaviana ny filahiana vao marary, na rehefa mihetsiketsika rehefa miray iny vao marary, na rehefa tonga mihitsy ny vehivavy vao marary.
Raha toa ka marary ny fivavian'ny vehivavy rehefa miray, dia tsy voatery midika izany hoe misy aretina, fa noho ny antony hafa, toy ny hoe :
-Tataka na notatahana tamin’ny niteraka ;
-Tsy « excitée » tsara ilay vehivavy satria tsy nisy na tsy ampy « préliminaires ». Izany hoe maika hampiditra filahiana sy handefa ranon’aina ilay lehilahy nefa ny vatan’ilay vehivavy mbola tsy vonona tsara ;
-Maina ny fivaviana noho ny fampiasana fanabeazana mampiasa tsy mpanentana, fahanterana, fifohana sigara, rarin-tsaina, havizanana… ;
-Mahery setra loatra rehefa miray ara-nofo ;
-Tsy vonona ara-tsaina hiray ara-nofo ilay vehivavy.
Ankoatra ireo antony voalaza ireo dia mety ho vokatry ny aretina no mamparary ny fivaviana rehefa miray ara-nofo. Anisan’izany ohatra ny fisian’ny fery eo amin’ny fivaviana ka lasa manaintaina rehefa miray ara-nofo. Raha izany no mitranga dia mila manantona mpitsabo ilay vehivavy sy ny lehilahy rehetra niray taminy.
Raha toa ka amin’ny faritra lalina be any anatin’ny fivaviana no tsapa hoe marary rehefa miray dia mety fambaran’ny aretina mahavoa ny tranon-jaza na ny vozon’ny tranon-jaza izany. Raha izay no miseho dia mila manantona mpitsabo faran’izay haingana.

Inona ny vahaolana raha marary rehefa miray ?

Raha toa ka tsy vokatry ny aretina arak’ireo antony voalaza ireo no mamparary ny fivaviana rehefa miray dia afaka mampihatra ireto vahaolana manaraka ireto ny mpivady :
-Mampiasa « lubrifiant intime » rehefa miray ara-nofo. Vokatra iray manome fahamandoana ny fivaviana ity farany mba tsy ho maisatra sy mararay ny fivaviana rehefa miray ara-nofo. Any amin’ny farmasia izy io no vidiana ;
-Atao elaela kokoa ny « préliminaires » mba hahazo fahafinaretana ny vehivavy ka ho vonona tsara amin’ny firaisana ara-nofo ny vatany ;
-Mifampiresaka tsara ny mpivady mba ahafantaran’ny lehilany ny mety sy tian’ilay vehivavy ;
-Ahena na ajanona ny fifohana sigara ;
-Manao fanatanjahantena ary miezaka hatrany mandamina saina hiadiana amin’ny rarin-tsaina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo