• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Sexualité & Mariage

Fahombiazana : 'Ndeha vahana hatrany ireo olana ara-pifandraisana (problèmes relationnels)

04/12/2023 16:04 © Moov.Mg

Matetika dia ny resaka materialy toy ny vola sy ny fahasalamana no tonga ao an-tsaina raha vao miteny hoe "olana". Anisan'ny mahakasika ny rehetra sady tsy tokony ho atao tsinontsinona nefa ny olana ara-pifandraisana.

Inona no atao hoe olana ara-pifandraisana ?

Ny olana ara-pifandraisana dia mikasika olona roa amin'ny ankapobeny : olona akaiky, namana, vady, fianakaviana, mpiara-miasa. Fikorontanan'ny fifandraisana izy io, noho ny ady, ny lonilony, ny fialonana, ny tsy fitovian-kevitra sy ny antony maro tsy voatanisa.
Ireto avy no hahafantarana fa misy olana eo amin'ny olona roa :
-Miova ny fihetsika mahazatra : tsy sahy/ tsy te hifanantona sy hifampiresaka ;
-Miady matetika, tsy mifanara-kevitra ;
-Manapaka fifandraisana.
Matetika dia avy amin'ny olona iray manao fihetsika na fiteny tsy mahazatra no hahafantaran'ny ankilany fa misy olana ilay fifandraisana. Matetika dia tsy taitra isika na tsy te hanitatra, ka hodiana tsy hita izany, ary manantena fa hiverina amin'ny laoniny ny fifandraisana rehefa mandeha eny ny fotoana. Raha olona akaikin'ny fo moa, dia alaim-panahy isika mieritreritra ny hoe mety fahakizitinana mandalo na filam-banona ihany izany.

Inona no vokatry ny tsy famahana ny olana ara-pifandraisana ?

Misy antony ny mahatonga ny olona iray hanova fihetsika na fiteny. Tsy voatery hanambara izay tena manahirana azy izany olona izany, noho ny antony samihafa. Rehefa samy tsy misy mamaha ny olana nefa ny andaniny sy ny ankilany voakasika, dia ireto ny vokadratsiny :

Fiheveran-diso

Rehefa tsy fantatra mazava ny anton'ilay olana ara-pifandraisana dia samy manana ny heviny ny olona roa voakasika. Mety hieritreri-dratsy mihitsy aza, ary hanaparitaka zavatra tsy marina amin'ny hafa.
Fandraisana fanapahan-kevitra tsy voahevitra
Rehefa tsy manan-kevitra mazava mikasika ny fifandraisana amin'ny hafa dia lasa mandray fanapahan-kevitra tsy voahevitra. Misy ohatra ireo mihevitra fa tena mialona azy ny namany noho izy nahazo fiara vaovao ka manatanteraka "plan de vengeance" avy hatrany.

Fanapoizinana ny hafa

Mety ho alaim-panahy hitantatara ny olana ara-pifandraisana amin'ny hafa ilay voakasika : tsy maintsy hisy famaritana ratsy ilay ankilany hivoaka eo. Mety ho maro ireo olona hanana fijery ratsy ilay olona manana olana aminao, noho izy nino ny zavatra nolazainao. Tsy vitan'izany fa mitondra "ondes négatives" ho an'ny manodidina. Raha misy ray aman-dreny ohatra tsy milamina, mety voakitakita sy tsy mahazo fitiavana intsony ny ankizy.

Aretin-tsaina

"Maratra" ny olona iray rehefa manahy fa nivadihan'ny olona tena manan-danja aminy. Tsy sahy miatrika ilay olana nefa izy ka lasa hanao toetra tsy zaka amin'ny hafa no sady mahatsapa fahalemena. Tsy vitsy ireo olona manana olana ara-pifandraisana no lasa varindriana, tsy mety mifantoka na malahelo lava mihitsy aza. Mety hankahala ilay olona ananana olana na nampitondra alahelo mihitsy aza ka hanaonao foana : hamono ilay olona, higafigafy, hamosavy, sns.

Inona no azo atao hamahana ny olana ara-pifandraisana ?

Tsy azo avela fotsiny amin'izao ny olana ara-pifandraisana. Mety hihitatra mantsy izany ka hanimba ireo olona voakasika. Inona ary no atao ? Matetika isika no manankambo ka tsy te hiresaka amin'ny olona izay toa nanafintohina antsika. Mba tsy hanimba ny tenantsika sy ny fahasalamana ara-tsaina nefa dia tsara raha alamina ny toe-draharaha.
Ny dingana lehibe atao àry dia ny fifampiresahana. Manokana fotoana manokana iresahana amin'ny olona izay akaiky anao na nifandray tsara taminao nefa toa niova tampoka izany. Mety tsy ho takatry ny saina mantsy ny antony nanovany fihetsika na fiteny hafahafa. Rehefa samy mamboraka ny ao am-po mantsy dia miara-mitady vahaolana, mitady marimaritra iraisana.
Marihana fa aorian'ny fifampiresahana, tsy voatery hilamina ny fifandraisana, ary mety hanapa-kevitra ny tsy hifandray intsony mihitsy aza. Na inona na inona fanapahan-kevitry ny roa tonta nefa, maivana kokoa rehefa avy miresaka, ary tsy misy zavatra miafina mikasika ny antony nahatonga ilay olana. Mila fanetren-tena lehibe ny fahavononana hiresaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo