• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Aloe Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vahona : Manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny volo

26/05/2023 11:45 © Moov.Mg

Maro ireo akora natoraly azo ampiasaina hikarakarana ny volo. Ireo vokatsoa entin’ny vahona no ndeha ho resahina anio. Zaraina aminao eto ary ireo soa entin’ny vahona amin’ny volo sy ny fomba fampiasana ity zava-maniry ity ho fikolokoloana ny volo.

Ireo vokatsoa entin’ny vahona amin’ny volo

Raha makina ny volo dia manampy amin’ny fanomezana rano sy sakafo mampatanjaka azy ny vahona. Mitahiry rano betsaka tokoa mantsy ity zavamaniry ity ka ny fanosorana azy amin’ny volo dia manampy amin'ny fitazonana rano ao anatin'ny « fibre capillaire ».
Ny vitaminina voajanahary ao anatin’ny vahona ihany koa dia miantoka ny fiarovana ny « fibre » ny volo. Azo ampiasaina izany ity akora natoraly ity hiarovana ny volo tsy ho tapatapaka sy mba hahatonga azy ho mafy sy tsy ho mora mihintsana.
Mety amin’ireo izay maniry ny hanalava volo haingana ihany koa ny fampiasana ny vahona. Ny « enzyme » hita ao anatin’ity farany dia manala ireo sela maty amin’ny hodi-doha. Ireo sela maty ireo tokoa mantsy no mivadika loto manentsina ny hodi-doha ka manakana ny fitombon’ny volo. Sady manala ireny loto ireny ny vahona no mamporisika ny fikorian’ny rà amin’ny hodi-doha. Ho mora maniry sy mihalava ny volo ampiasaina vahona.

Ahoana ny fomba fampiasana ny vahona hikarakarana ny volo ?

Mety amin’ny karazam-bolo rehetra ny vahona ary tsy misy atahorana noho izy tsy mitahiry akora simika. Tsotra ny fomba fampiasana azy hikolokolona ny volo.
Sasana madio tsara ny ravina vahona lehibe ary silahana roa. Alaina amin’ny sotro fihinanana ilay « gel » na ilay dinty tsy miloko ao anatiny iny. Kikisana na potserina anaty « mixeur » ilay gel avy eo fihazina mba hiala ireo faikany.
Maro moa ny fomba azo ampiasaina ny dintin’ny vahona rehefa izy voakarakara iny. Azo anasana volo, atao masque, atao bain d’huile, atao leaving… Arakarak’izay ilain’ny volo no ampiasaina azy. Raha toa ka maniry ny hanalava volo dia afangaro amin’ny diloilo coco ny dintin’ny vahona ary ahosotra eo amin’ny volo maina avy nosasana. Avela hilona 20 minitra vao kobanina.
Raha tiana ho salama sy halandina ny volo dia afangaro ny dintin’ny vahona 3 sotro, huile d’olive 1 sotro, maïzena 3 sotro ary glycérine végétale 1 sotro. Hosorana eo amin’ny volo iray manontolo mbola tsy nosasana. Saromana film plastique ary avela hilona 30 minitra vao sasana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo