• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Votre Parfumerie En Ligne Notino.Be
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra miaro ny fitombenan’ny zazakely tsy ho masaka

23/05/2023 06:47 © Moov.Mg

Mbola tsy matoy ny hoditry ny zazakely, indrindra ny eo amin’ireo faritra mivalombalona amin’ny vatany. Mora masaka ary mangirifiry azy tokoa ireny faritra ireny raha toa ka tsy voakarakara ara-dalàna, indrindra ny eo amin’ny faritry ny elakelam-pe sy ny fitombenana. Zaraina ireto manaraka ireto ary ireo torohevitra miaro ny fitombenan’ny zazakely tsy ho masaka.

Sasana amin’ny rano madio ny fitombenan’ny zazakely tsy ho masaka

Ny rano madio no azo antoka indrindra hanasana ny fitombenan’ny zazakely mba hiarovana izany tsy ho masaka. Mampangotraka rano ary atao anaty thermos mba hisy rano madio sy mafana vonona hatrany rehefa hanolo zaza. Iny rano iny no angalàna tsikelikely rehefa hanasa ny vodin’ny zaza ary « coton » madio no ampiasaina. Tsy tsara ny mampiasa « gant de toilette » satria mety handrovitra ny hoditrin’ny zazakely mbola manify, indrindra ireo zaza menavava, izany. Raha mila mampiasa savony rehefa micaca ny zaza dia ilay savony tsy misy fofona ireny no safidiana ary kobanina tsara. Rehefa madio izy dia hamainina tsara ny fitombenany, indrindra ireo elakelany rehetra. Lamba madio sy malefaka no ampiasaina ary somary petapetahana moramora rehefa manamaina azy fa tsy fafana.

Safidiana tsara ny lafika na « couche » ampiasaina mba hiarovana ny fitombenan’ny zazakely tsy ho masaka

Raha toa ka mampiasa lafika na ireny tati-lamba ireny dia ezahina mba ho « coton » tsara ny lamban’izy ireny. Malefaka ary tsy mitana hafanana be loatra tokoa mantsy ny « coton » raha mihoatra amin’ny karazan-damba hafa ka miaro ny fitombenan’ny zazakely tsy ho masaka. Raha misafidy ny hampiasa « couche » kosa dia aleo ireo izay azo antoka no safidiana na somary lafolafo azy izany. Misy tokoa mantsy « couche » mora feno sy mora vaky ka mitarika amandoana eo amin’ny elakelam-pe sy ny fitombenan’ny zaza. Atao mifanaraka amin’ny haben’ny zaza ihany koa ny couche ampiasaina. Raha kely loatra dia manery azy ary raha lehibe loatra ho tanteraka foana. Tandremana tsara ihany koa mba tsy havela mihoatra ny adiny efatra ireny couche ireny vao soloina fa mahamasaka ny vodin’ny zaza.

Ahoana no atao raha efa masaka ny fitombenan’ny zazakely ?

Ny fahavarana manolo matetika sy ny fanasana tsara ny zaza no fomba voalohany hiarovana ny fitombenany tsy ho masaka. Raha toa ka sendra izany ihany anefa tsara raha avela ahazo rivotra kely eo amin’ny faritra masaka sy mivaramena amin’ny fitombenany vao asiana lafika na couche indray. Tsara ihany koa raha tsy mampiasa savony sy lingette mihintsy rehefa mbola masaka ilay zaza. Rano madio ihany no hanasana azy. Ezahina atao maina tsara foana ihany koa. Raha tsy afaka anatin’ny telo andro dia tsara raha manantona mpitsabo mba hahazoana ny fanafody ahosotra entina mitsabo izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo