• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Cuisinez Pour Bébé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zazakely tsy mety misakafo : inona no atao ?

21/03/2023 17:12 © Moov.Mg

Anisan’ny mampiferotr’aina antsika ray aman-dreny ny zazakely tsy mety misakafo. Raha marary ny zaza dia tsy tokony hahataitra ny falain-komany. Raha salama tsara kosa izy nefa tsy mazoto homana dia mila mitady hevitra handrisihana azy hisakafo. Ireto manaraka ireto ary misy toro-hevitra azo tanterahina.

Tsy azo terena ny zazakely tsy mety misakafo

Filàna ny fisakafoanana fa tsy sazy. Noho izany tsy azo terena ny zazakely tsy mety misakafo. Toa antsika olon-dehibe dia mahatsiaro noana ny zazakely rehefa mitaky izany ny vatany. Raha toa izy ka tsy mazoto homana amin’ny fotoanan’ny fisakafoanana dia tsy tokony terena hihinana. Lasa tsy mahazo fahafinaretana amin’ny sakafo hoaniny izy, ary aminy maha zaza azy dia ho raisiny ho sazy ny fisakafoanana. Endrasana noho izany ny fotoana maha noana ny zazakely malain-komana vao rosoana sakafo izy. Raha reraka ny zaza fa te hatory, avela aloha izy hatory fa tsy terena hisakafo. Misokatra tsara ny fahazotomany rehefa mifoha.

Atao loko mahafinaritra ny sakafo haroso ny zazakely tsy mety misakafo

Ezahina mba ho loko mahafinaritra foana ny sakafo haroso ny zazakely tsy mety misakafo. Mampazoto homana ny zaza kokoa ny mahita loko manintona sy maro karazana eo ambony lovia. Efa maro ankehitriny ireo fomba sy fitaovana afaka hitetehana legioma sy voankazo mba hahazoana endrika mahafinaritra. Azo ampiasaina ireny handravahana ny sakafon’ny zaza. Tsy adinoina ny manovanova ny fomba fanomezana sakafo ny zazakely. Ny voakanzo atao jus, potserina na atao compote. Torak’izany ihany koa ny legioma, afangaro amin’ny potin-kena, fromage, atody…

Pihina ny fahitalavitra rehefa eo am-pisakafoanana

Tsy tokony atao mijery fahitalavitra, finday na tablette ny zazakely rehefa omena sakafo. Lasa kamo hisakafo izy raha mahavariana azy ny zavatra jereny amin’izany. Azo atao kosa anefa ny mampilalao na mitantara angano azy rehefa mamahana azy. Hifantoka kokoa amin’ny fisakafoanana izy ary ho mora lany ny sakafo. Toro-hevitra tena mandaitra amin’ny zazakely tsy mety misakafo ny filalaovana sy ny firesahana aminy eo am-pisakafoanana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo