• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Radio-Canada.Ca
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy mety mahita tory: inona no atao?

08/02/2023 09:52 © Moov.Mg

Betsaka ireo olona sarotra na tsy mety mahita tory amin'ny alina. Fantantsika tsara anefa fa ny torimaso dia ilaina amin’ny fahasalamana sy amin’ny fahazoana hery hiatrehina ny tontolo andro. Tsy vitsy amin’ireo olona ratsy torimaso no manjary rera-dava, kizitina, farariana, tsy mahavita mifantoka amin’ny asa na fianarana. Maro ny antony mahatonga ny tsy fahitan-tory. Anisan’izany ny aretina, ny tsy fahampin’ny kalsioma, ny rarin-tsaina, ny fisotroana kafe diso tafahoatra, sns. Inona ary ireo fomba atao mba hisorohana ny tsy fahitan-tory amin’ny alina ?

Mamorona fahazarana tsara amin’ny fatoriana

Mba hahamora ny fahitan-tory dia ilaina ny mamorona sy manaja fahazarana tsara amin’ny fatoriana. Voalohany amin’izany ny fiezahana mandeha matory amin’ny ora mitovy isaky ny alina. Rehefa zatra ny vatanao sy ny sainao dia ho mora kokoa ho anao ny hahita torimaso. Manarak’izany, mila ajanona ny fampiasana fitaovana elektronika toy ny finday na fahitalavitra adin’iray alohan’ny hatory. Ny jiro manga vokarin’ireny fitaovana ireny tokoa mantsy dia manelingelina ny famokarana melatonin sy ny famataranandro biolojika.

Manao fanatanjahantena mandritra ny tontolo andro

Anisan’ny antony tsy mampahita tory na manapaka ny torimaso ny tsy fahampian’ny harerahana eo amin’ny vatana. Rehefa tsy reraka tokoa mantsy ny vatana dia sarotro ho azy ny hiala sasatra. Noho izany, ilaina ny manao fanatanjahantena mandritra ny tontolo andro mba andoroana ny angovo be loatra amin’ny vatana. Ny fandehanana tongotra adiny iray isan’andro ohatra dia ampy mba hanatsarana ny torimasonao amin’ny alina.

Manamboatra ny fomba fisakafoanana

Ny sakafo hoanintsika dia anisan’ireo singa mety hanakorontana ny torimasontsika. Raha toa ianao ka manana olana amin’ny fahitan-tory, dia mila jerenao manokana ny fomba fisakafoananao. Ny tsara dia ahena ny fihinanana ireo sakafo sokajiana ho manaitaitra, toy ny sakay, kafe, siramamy be loatra… Ezaho ampitomboina kosa ny fihinanana sakafo mitondra kalsioma sy magniésium toy ny ronono, akondro, trondro, sns. Raha efa nataonao daholo ireo fomba rehetra hahitana sy hanatsarana torimaso nefa tsy mbola mahita vokany, manantona mpitsabo mba hahazo torohevitra sy fanampiana matihanina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo