• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Jardin_De_Grand_Meres
Image
Fahasalamana&Sakafo

Akoran’atody : Manampy kalsioma, manasitrana areti-nify

07/02/2023 07:07 © Moov.Mg

Manomboka izao dia aza ariana intsony ny akoran’atody fa mitondra vokatsoa maro ny fihinanana azy ireny. Tsy ampy kalsioma ve ianao ? Fantaro fa ny akoran’atody dia ahitana tahana kalsioma 90% ao aminy. Raha olona reradava ianao na koa hoe marary nify lava, hanampy betsaka anao ny fihinana akoran’atody. Ankoatra ny kalsioma dia mitahiry fer, zinc, fluor, manganèse ary phosphore izy ireny. Tsara kokoa raha atody akoho gasy no ampiasaina noho ny otrikaina maro hita ao amin’izy ireny.

Fikarakarana

Alaina ny akoran’atody efa nodiovina tsara sy efa nesorina ny tao anatiny. Avy eo endahina ilay fotsifotsy manify kely ao anatiny. Rehefa avy navela ho somary maina ireo akoran’atody dia totoina. Afaka mampiasa izay fitaovana misy hitotoana azy : laona sy fanoto, mixeur, totoina anaty lamba… Afaka tehirizina ao anaty fitoerana iray ny vovony azo. Fomba iray hafa ampiasana ny akoran’atody dia : sasana madio tsara ity farany ary avela ilona ao anaty rano mandritry ny 7 andro ao anaty vatafampangatsiahina. Zavatra ilaina : akoran’atody 5 ho an’ny rano 3 litatra.

Fomba fampiasana azy

Tsotra ny fomba fampiasana ny vokatra azo avy amin’ny akoran’atody. Ilay vovoka akoran’atody dia hafafy amin’ny sakafo hoanina isan’andro. Afaka hoanina miaraka amin’ny sakafo rehetra izy io : vary, ronono, yaourt… 1.5 g ka hatramin’ny 3 g isan’andro ny fatra antonony hinanana azy. Ny fomba fampiasana ny akoran’atody nalona anaty rano kosa dia sotroina 2 na 3 vera isan’andro io rano voakarakara io. Afaka asiana ranona voasary makirana kely ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo