• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Académie_Du_Goût
Image
Fahasalamana&Sakafo

Andro ratsy – Sakafo mafana tsara : Lasopy tongolo

22/01/2023 16:06 © Moov.Mg

Andro ratsy - Sakafo Mafana tsara : Zaraina amintsika anio indray ny lasopy tongolo. Araho ary ny fikarakarana azy.

Rehefa fotoanan’ny orana toa izao dia ilaina foana ny mihinana sakafo mafana sy ara-pahasalamana. Mora andairan’ny aretina mantsy ny olona iray rehefa avy matetika toa izao ny orana, na koa rehefa sendra lenan’ny orana tampoka iny. Mba hiverenan’ny hafanan’ny vatanao araka ny tokony ho izy, na koa mba hahazoanao hafanana fotsiny amin’izao andro manjombona izao dia aza misalasala mihinana lasopy. Indro atolotra anao anio ary ny lasopy tongolo. Sakafo mivoaka amin’ny mahazatra no sady mora karakaraina.

Ny zavatra ilaina

Tongolo be : 4
Fromazy efa voakiky : 100 g
Tetika mofo : 4
Ron’akoho efa vonona : 1 litatra
Dibera : 20 g
Lafarinina : 1 sotro fihinana
Sira
Dipoivatra

Fikarakarana

Voaso ny tongolo ary teteho madinika ho boribory
Maka vilany iray ary arotsahy ao ny dibera.
Rehefa mihepo tsara ny dibera dia arotsahy ao ireo tongolo ary endraso ho mendy.
Araraho tsikelikely ao ny lafarinina ary afangaroy tsara. Avelao hiketrika 30 segondra.
Arotsahy ny sira sy dipoavatra izay mety aminao ary araraho ao ihany koa ilay ron’akoho efa vonona avy eo.
Saromy ny vilany ary avelao hiketrika 30 minitra izany
Mandrapiandry izany dia somary endaso amin’ny dibera iray sotro ireo tetika mofo. Avelao ho mendy tsara.
Rehefa vita ny fikarakarana rehetra dia makà lovia jobo. Arotsay ao ilay lasopy ary raraho eo amboniny ny fromazy efa voakiky. Hoano dieny izy mbola mafana be iny. Ho hitanao fa hahazo hery ianao.
Mazoto homana indray ary tompoko !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo