• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Fahasalamana&Sakafo

Nify fotsy tsara : Torohevitra fanadiovana nify amin'ny akora natoraly

16/01/2023 14:54 © Moov.Mg

Ny tsiky no tena endriky ny olona, na ho an'ny lehilahy izany na ho an'ny vehivavy. Koa satria efa tsy dia anaovana firy intsony izao ny "cahe-bouche", maro no menatra mampiseho tsiky satria mavomavo na misy faritra mainty ny nify. Araho ary ireo fomba tsotra mba hahafotsy ny nify.

Voasary makirana

Tsy lafo akory ny akora azo anadiovana nify. Anombohana azy, diovy tsara amin'ny "dentifrice" ny nify. Avy eo, kobano tsara ny borosy nify ary lemo amin'ny ranom-boasary makirana. Azonao atao tsara ihany koa ny mikosoka avy hatrany ny nify amin'ny voasary makirana nozaraina roa. Mandritra ny 5 minitra eo ho eo ny fanadiovana.
Mba ahazoana vokatra tsara kokoa, ampifangaroy ny ranom-boasary makirana sy ny karibonetra. Afangaroy tsara, ka rehefa mahazo fangaro marihatra, dia io no anadiovana nify.

Saribao

Totoy ny saribao mba ahazoana vovoka malefaka. Lemana amin'ny rano avy eo ny borosy nify ka akasoka eo amin'ilay vovoka saribao. Koseho mandritra ny dimy hatramin'ny folo minitra ny nify.
Azonao atao in-telo isan-kerinandro ity fomba fanadiovana nify ity. Tsy atahorana hanimba ny akanjo nify.

Diovy matetika ny nify

Ny fomba fikojakojana ny nify no mahasalama na mahasimba azy. Isaky ny avy misakafo dia tsara raha miborosy nify avy hatrany. Raha sendra misakafo amin'ny hotely ianao dia entanina mba hanotsana amin'ny rano madio. Alohan'ny hatory no tena tsy maintsy miborosy nify. Mikatona ela mantsy ny vava ka manjaka ireo bakteria isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo