image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 1

Vehivavy 31 taona izaho. Efa 3 taona izao no niarahanay sy sipako niara nipetraka nihinana ny manta sy masaka. Miasa izy, izaho koa miasa ary zarainay roa ny hofantrano sy ny sisa. Izy zokiko 2 taona, 33 zany. Tsy misy fisehoana na fombafomba gasy natao teo am ray amandreny fa dia mifankatia sy miaina toa ny mpivady izahay roa. Ny havako nefa izao dia miandry hoe viana no hanatona azy ny fianakavian'ny sipako am fisehoana sy raharaha. Ny sipako tsy mbola mazoto hangataka vady ahy izao ka miririra eo ilay zavatra. Tia azy aho, izy koa milaza fa tia ahy. Ny mamako tsy sahy miresaka amiko an'io fa ny zokiko vavy no mananatra ahy hoe mino ve indry fa hiroso hanambady izy, mitombo taona foana indry nefa toa tsy mihetsika nareo ? Eny hoy aho hivady zahay fa izy fotsiny no tsy vonona aloha izao dia miandry aho fa matoky azy. Efa ohatra tena mpivady izahay fa ny ara taratasy sy fomba no tsy vita. Ahoana no fijerinareo an'io ? Tokony hihaino ny zokiko vavy ve izaho ? tsy mazoto ny hisehoan'ny ray amandreniny izy raha tsy tena efa vonona hanao mariazy. Ny Rarny , ny Rar niko, ny namako, ny havany mazoto, izy no endrasan'ny rehetra, izaho tsy afaka hanery azy, fa ny valinteny azoko efa ho 2 taona izao dia hoe hivady isika ary apetraka am ao Ambony ny rehetra. Mba lazao ny fijerinao ny zava misy misaotra


salama,
efa somary mahateti-pitranga io olanao io fa izay rehetra itako aloha dia rava avokoa.
ary sao dia mba miandry anao ho bevoka izy?
raha ny toetrako sy ny fisainako manoka manko dia fanambadiana mira ankohonana mira dada, neny ary zanaka.


Miarahaba antsika rehetra,mba hamaly kely ny tompon ny sujet .Ny fahitako ny tantaranao dia mazava : IANAO ATAO KILALAO NO TIANY FA TSY IANAO VADINY! 3 taona miara-mipetraka zany efa tokony misy dingana atao farafaharatsiny.Raharaha izany afaka hatao tsotsotra raha tena mifankatia.Mety olon-kafa koa ny tiany hovadiana fa ianao mety manome fahafaham-po azy aminny lafiny maro dia sarotra aminy ny handroaka.Raha izaho no amin ny toeranao dia aleo miala dieny tsy maratra fa ho lany zara tsy fidiny eo.Fadio dia fadio ny manao bevohoka izany sao ho vao mainka tsy hisy ray eo ny zaza.