image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 140

Tsy niainako ity tantara ity fa olona tena akaiky ahy izy (andeha ataontsika hoe Nirina no anarany) ary niangavy ahy hizara izany eto. Ialana tsiny ny halavan'ity tantara ity fa mahazava ny zava-nitranga angamba.

35 i Nirina @ izao fotoana izao. Nanana namana ankizilahy mpiara-mianatra izy t@ mbola primaire ary io no nitory fitiavana taminy voalohany t@ izany fa tsy niaraka anefa rizareo. Niaraka afaka CEPE izy mianadahy dia nohamafisin'ilay zazalahikely ny fitiavany azy ary nifampi-promettre rizareo fa hivady any aoriana rehefa afaka Bacc ka vita ny fianarana ambony ka samy niteny hoe samy tsy hiaraka na amin'iza na amin'iza miandry an'izay fotoana izay. Noho ny antony maro samihafa dia nifanalavitra izy mianadahy, ilay zazalahikely dia nifindra tany @ faritra niaraka t@ ray aman-dreniny, i Nirina kosa nijanona teto Antananarivo hatrany. Afaka BEPC i Nirina no niditra voalohany t@ firaisana ara-nofo raha nandeha naka rivotra tany amoron-dranomasina. Vacancier nikôty azy tany ihany no nanaovany firaisana ara-nofo voalohany. Amour de vacances moa ilay izy ka nony tafaverina teto Antananarivo dia rava ihany satria ilay lehilahy efa nanana ny azy ihany koa. Tsy nahataitra an'i Nirina izany fa notohizany ny fiainany, niaraka t@ lehilahy 2 na 3 i Nirina mandra-pahavitan'ny fianarany teo @ terminal. Afaka Bacc izy dia tonga tao an-tranony ilay tovolahy kely nikasa haka azy ho vady nanontany raha vonona izy, tsy nampoiziny io fotoana io ka avy dia notsoriny fa tsy nahatanteraka ny fifanekena izy ary efa maro ny rano nikoriana tao ambany tetezana mazava ho azy; tena diso fanantenana tanteraka ilay tovolahy nisaraka taminy teo. Nanohy fianarana ambony t@ sekoly tsy miankina iray i Nirina, nandritra izany dia nisesisesy ny lehilahy niaraka taminy tao an-tsekoly na dia tsy nisaraka t@ ilay olon-tiany iray izay aza izy. Vita ny fianarana dia naka vady azy ilay lehilahy, somary nanontany an'i Nirina tsara ny ray aman-dreniny raha tena vonona tokoa izy na tsia. Nanaiky izy fa vonona hanambady. T@ andron'ny fisehoana anefa dia latsa-pitia t@ Nirina ny futur anadahy am-panambadiana, izany hoe lehilahy ho vadin'ny anabavin'ilay ho vadiny (Mbola mpifamofo koa izy ireo t@ izany); nitady izay fomba hiarahana taminy io lehilahy io moa izy koa toa voasarika tany raha ny fahatsapany azy. Iray volana sy tapany nialoha ny mariazy (efa voazara daholo ny faire-part rehetra mazava ho azy) indray hariva no tratran'ilay fofom-badiny i Nirina sy ny anadahiny am-panambadiana nifanoroka be ary efa saika hiray tao anaty fiaran'ilay lehilahy satria efa nisy niala ny fitafiana. Nibaboka ireo fa herinandro taorianan'ny fisehoana no nanomboka niaraka antsokosoko, mazava ho azy fa any @ hotely satria tsy misy toerana hafa azo andehanana amin'izany. Nifona i Nirina, nifona koa ilay lehilahy, ilay fofom-bady efa saika hi-annuler ny mariage saingy nandray ny fifonana dia noraiketina ihany ny mariage. Tsy ampy herintaona niaraha-nonina tao rizareo dia tsy zaka intsony ny niara-nipetraka, angamba mbola nanalokaloka an'ilay vadiny ny sary indray mipika nahatrarany an'i Nirina sy ny zaodahiny tao anaty fiara indray hariva iny. Naroso ny fangatahana divorce, tsy naharitra iny dia vita sady tsy mbola nisy zaza nipetraka akory.
Nanomboka teo i Nirina no nidina tany anaty lavaka mangitsokitsoka ara-pitiavana.

Herintaona taorianan'ny fisarahany t@ vadiny no maty ny rainy, nanomboka niantoka ny reniny izay tsy miasa i Nirina. Na dia nanana ny asany sy ny karamany aza izy dia tsy nahavita tena niantoka 100% an'ilay reniny, moa nifanesisesy teny ny fiarahana t@ lehilahy maro, nisy ny nandalo adiny roa monja, nisy ny nitoetra naharitraritra, ary nisy fotoana aza izy nanana sakaiza 2 na 3 @ fotoana iray, fa indray andro nisakaiza t@ lehilahy 3 niaraka izy, iray amin'ireo tena tiany sady efa nifankazatra taminy sy ny reniny, izany hoe efa mba mpankao an-trano, ny iray hafa efa manambady aman-janaka ary ny fahatelo nilaza hoe efa manana fiancée fa mba niarakaraka teny. Nitoe-jaza i Nirina saingy tsy azony an-tsaina hoe iza t@ izy 3 lahy no rain-janany. Ilay anankiroa samy mbola celibataire vao nampahafantariny hoe mitoe-jaza dia nanjavona tsy hita intsony, ilay tokana efa manambady no nanaiky nikarakara sy nanampy mandra-piteraka. Vao teraka ilay zazalahy kely dia hita hoe mifanalavitra be @ endrik'ilay "ray" nikarakara nandritra ny vohoka, nanomboka teo iny dia nanao tsidi-pahitra an'i Nirina. Raha te-hihaona aminy i Nirina ka vonona hanome vola kely ho fanampiana an'i Nirina izy, dia izy no mametraka ny andro sy ora hihaonana sy hanomezana ilay fanampiana, ary any @ chambre d'hotel izy roa no mihaona, hainareo tsara hoe inona ankoatra ny fihaonana no ataony any. Nanomboka leo i Nirina satria toa lasa ataony kilalao fotsiny, tsy nety nanaiky hifanao fotoana any @ chambre fa ety ivelany no notadiaviny. Nanomboka teo koa io dia tsy hita intsony, tsy mandray telephone na @ ora fiasana aza, mazava ho azy moa fa tsy afaka antsoina @ alina noho izy manana ny vady aman-janany.

Nanohy hatrany ny virée-ny i Nirina, mivoaka isaky ny zoma alina, manao rencontre @ ex na mahita sipa vaovao dia milafika any iny alina iny na voaatitra mody vao mangiran-dratsy, manao rencontre sur internet mba mitady izay iantefana, miovaova ny lehilahy niarahany, indraindray misy 3 na 4 ao anatin'ny herinandro iray, indraindray tokana ihany mandritra ny 2 volana.

Tafiaraka t@ lehilahy zandriny izy, mielanelana 8 taona rizareo, niezaka i Nirina mba tsy hitondra azy tao an-trano aloha hijerena hoe matotra tsara ve ity satria efa manomboka manontany ny reniny hoe "indry ity ve tena matotra fa toa miovaova lehilahy, izaho efa manomboka menatra ny manodidina mijery an-dri toa hafa foana ny lehilahy manatitra an-dri aty antrano rehefa hariva na vao maraina". Tsy nety nentin'ilay lehilahy handeha chambre koa i Nirina, tsy nankany an-tranon'ilay lehilahy ihany koa, dikan'izany dia toy ny fiarahana mpisipa vao manomboka ireny rizareo, tsy misy firaisana ara-nofo. Nandeha ny fotoana, toa matotra ihany io lehilahy io raha ny fijeriny, ka indray hariva avy orana be izay naterin'ilay lehilahy t@ moto tany an-tranony i Nirina, avy be loatra moa ny orana ka dia noteneniny hoe mijanona raha hatory dia rahampitso maraina ianao mandeha mody fa dangereux mitondra moto @ ilay oram-be.

Nijanona tao ilay tovolahy dia izay no alina niraisan'ireo voalohany, nitohy volana vitsivitsy izany. Asa na inona no nahazo azy ireo, nifanakalo téléphone dia nitsiritsirika ny sms na messenger an'i Nirina ilay bandy, i Nirina koa torak'izany: Hay io bandy io efa manana fiancée ary efa bevohoka 3 mois ilay vehivavy, ilay bandy kosa nahita ireo resaka vetaveta nataon'i Nirina t@ ireo lehilahy marobe efa niarahany nandritra ny herintaona izay voatahiry daholo. Tsy nahazaka izany ilay tovolahy ka nangataka ny hisaraka, i Nirina kosa niteny mazava hoe raha ireo message novakianao ireo dia talohan'ny niarahako taminao daholo, ekeko izany, saingy tsy afaka manova ny lasako aho fa nanantena ho avy tsara kokoa miaraka aminao saingy hitako koa nefa fa bevohoka ny fofom-badinao ary nafeninao ahyn ny fisiany ka tsy izaho no hampisy olana @ ilay zaza ao an-kibony, ny ahy efa tsy manan-dray aza efa tsy hitako izay hanaovana azy any aoriana. Dia nisaraka indray rizareo.

Nikasa hiverina hivoaka alina indray i Nirina ka ny zoma alina voalohany niverenany nivoaka no nifanena t@ ilay lehilahy tena tiany indray izy, ilay anisany nandositra raha vao nahare fa bevohoka izy. Vao nifankahita rizareo dia nifamihina naharitra, dia niara-naka latabatra tao @ ilay trano fandihizana dia niresaka. Teo ilay lehilahy vao niteny t@ Nirina hoe te-hahita ilay zanakao aho ka afaka mahita azy ve ?

Namaly i Nirina hoe afaka mankany ianao na androany alina aza fa matory miaraka @ mamako ao izy. Dia nitohy adiny iray fotsiny angamna ny soirée an'izy roa dia lasa nody izy, dia nanapitra ny alina tany am-pandrianan'i Nirina.

Tonga ny sabotsy maraina, taitra be ny maman'i Nirina nahita ilay tovolahy tao am-pandrianan-janany. Avy dia niresaka be, nipoitra avy tany ilay zaza dia nifampijery izy sy ilay lehilahy, samy niaiky izy 3 lehibe (Nirina sy ny reniny ary ilay Tovolahy) fa zanak'io tovolahy io ilay zazalahy kely.

Nantsoin'ilay tovolahy ilay zaza dia nanatona avy hatrany, efa nanomboka ary saina manko izy t@ io satria efa 2 taona mahery, dia nifamihina naharitra teo izy mianaka.

Nanomboka teo dia niara-nipetraka tao @ Nirina izy 3 mianaka, ilay tovolahy tsy mbola nanambady, efa nanana sipa fa vao nisaraka t@ iny zoma alina nifankahitany indray t@ Nirina iny ary antony iray nandehanany tany @ io trano fandihizana io dia ny hanala sorisory noho ilay fisarahana.

Tapakevitra ilay lehilahy fa hanambady an'i Nirina atsy ho atsy. Nandeha ny herinandro vitsivitsy, hay efa nitoe-jaza indray i Nirina ary rehefa nohadihadiana dia nipetraka t@ ilay alina nifankahitany t@ ilay rain-janany ilay zaza. Noteneniny t@ ilay rain-janany izany ka hoy io hoe aleo ateraka ilay zaza, dia omanina avy eo ny mariazy ampiarahana @ batisan'ny zaza, amin'izay koa mba efa miverina tsara bika i Nirina.

Nivady rizareo afaka 2 taona taorianan'io ary izay vao nilamina ny fiainan'i Nirina.

Fanontaniana napetrany tamiko ireto:

  • Nanozona ve ilay tovolahy nifanaiky fa hivady taminy ?
  • Fisehon'ny ozona ve sa vintan-dratsy ny hoe vantany vao misy lehilahy entiny tao an-trano t@ mamany dia rava ho azy ny fiarahan-dry zareo sa Andriamanitra mihitsy no nitondra ny fiainany nilatsaka faran'izay ambany mandra-piverin'ilay lehilahy tena rain-janany ?

Tranga mety misy any ho any koa io fa ity aloha dia tena niainany ary haiko @ antsipirihany mihitsy.

Ialana tsiny hatrany ny halavan'ny tantara


Kotomaditra, ianao milaza hoe : "Tena misy ny ozona ara pitiavana"... ahoana no hafatarana fa tratran'izay ny olona iray... misy koa mantsy ny mety hoe tsy manam-bitana?