image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 68

Misy vehivavy saha ve ato raha toy izao ny programa homaniko ho azy amina zoma manifika iray (vendredi saint-valentin ohatra).

  1. Alaiko izy any ampiasanany, na any amin'ny toerana izay tiany, am 16h. Mandeha tongotra za, na bus amin'zany fa tsy hoe misy fiara an.

  2. Koa satria somary mety noana kely amin'izany lera izany, dia hoentiko mihinana mofogasy na ramanonaka eo amin'ny manodidididina eo aloha satria izay no mora.

  3. Lany ny mofogasy, dia manao la marche, (no sady exercice rahateo) eny Analakely, Antaninarenina sy ny manodidina eny, no sady miresaka ihany moa.

  4. Koa satria mety efa maizimaizina ny andro, no mety efa reradreraka lay avy manao la marche, dia mitady toerana hisakafoanana sy hanalana hetaheta. Lay toerana handehanana amin'io ilay resto gasy ilay faran'ny mora ireny an, peu importe ny état-ny, fa sainga tsy atahorana hihisy mpamono olona fotsiny kosa aloha.

  5. Tonga ny amin'ny 19h00 farafahatarany dia mila miainga avy ao amin'ilay resto gasy, fa handeha bus hatreny amin'ny Plaza hijery concert n'i Bodo - Mahery - RIja - Farakely (Tena misy rééllement ty concert ty am saint-valentin sao misy tsy mahalala an). Tsy adino ny tonga dia mivatsy rano, sy voanjo, alohan'ny hidirana ao am salle amin'izay mitsitsy vola.

  6. Vita ny concert dia samy mody any amin'izay misy azy avy.

Izay izany ny programme fictif nomaniko ho anao amin'io Saint-Valentin io,..... koa mety misy ve vehivavy très classe saha hiaraka amiko amin'izany revin-gadrako izany? Mety tena manonofy aho angamba ô??


Ikalasou<<<<< hi hi hi!!!! Marina fa mety tsy ho problème tokoa izany, fa tena tsy évident mihitsy izay zavatra izay ho an'ny vehivavy très classe an..... Izay no mahatonga ilay fanontaniana mantsy.


Misaotra @ valinteninareo. Miala tsiny raha tsy ho voavaliko tsirairay manokana ianareo, fa valiny faobe no ataoko, izay mino aho fa mety hahavaly ny fanontaniana napetrakareo...... Ilay izy izany, araka ny nolazaiko, dia mety tsy nisy akory ity sujet ity, raha ohatra ka vehivavy "normales" no resaka, satria bien évidemment, réalisable sans problème ho azy ireo, ilay programme fictif nomanina..... Fa ilay jeu eto izany, dia ny hoe, mbola possible, mety possible, tena possible, ho an'ny catégorie ana vehivavy très classe ve, ny manantontosa ireo programme fictif ireo, amin'ny conjoncture actuelle hiainan'ny malagasy ankehitriny? Nisy nanontany moa io ambony io hoe, toy ny ahoana izany vehivavy classe, na très classe izany? Tsy tiako ho faritana mazava izay zavatra izay nefa, sao dia manafintohana ny sasany, fa ny azoko hambara angamba dia ny hoe, genre-na vehivavy otran'ny première dame malagasy ireny izany, raha haka ohatra izay fantatry ny rehetra aho. Mino aho fa mety ho azokazonareo kokoa amin'zay angamba ilay jeu-tsika ve?


Bahouli <<<<< Dia tsy mbo misy jeu azo atao mihitsy aza ve izany, eto amin'ity forum ity ry Bahouli ah?...Ilay izy anie hoa programme fictif, fa ny anao tonga dia hitsin-dàlana tsy azo hivalozana mihitsy e. Afaka valiako ihany nefa ny fanontaniana manahirana ny sainao io na izany aza...... Raha tonga ny stade tsy maha fictif azy intsony, dia hoy aho hoe, 10h de vol anie dia efa tonga eny Ivato aho eh. Nahavaly ny fanontaninao ve za? .... Ka mahita vehivavy très classe ary ve ianao hilalao ilay film hiaraka amiko?


Guidraguidra <<<<< ha ha ha!!! Tsy évident mihitsy io ho an'ny karazan'olona otrizay ka. Kanefa izay mihitsy ilay défis tadiavina eto anie eh, sinon tsisy intérêt akory mantsy....... Na ho ana izay nanoratra ilay programme fictif aza anie, ka tena défi ho ana ihany koa izy io....... Jeux hoa no ataontsika ry zareo an....!!!!


FyTi <<<<< Izany hoe raha ny azoko tsara anie zany, dia tena marina ihany ilay lazaiko hoe tena revingadra ihany ilay film ho lalaovina anie eh..... Hoy ianao : "Raha tena tia anao lé olona tsy problème aminy ze itondranao azy...". Ahoana moa no hitiavan'ilay sipa classe ahy, nefa za haka azy an-tongotra pour la première fois ao ampiasanany aza (lay hoe @16h ), vao ho hitany masony (vao hitany fa tsy hoe vao niresaka akory an)?

Hoy indray ianao : "Fa raha sipa mandalo kosa loh ts ifolaka mits raha tsy oe omena volabe"..... Tsy azoko ny tinao lazaina amin'io phrase io!!!!! Sipa mandalo hanaovana vetaveta indray alina ve ny tinao ho lazaina? Raha izay mantsy dia tena à côté de la plaque mihitsy ilay sipa, satria voalazako amin'ilay point 6) izay zavatra izay, hoe "vao vita ny concert, dia samy mody any amin'zay misy azy avy". Tsy sipa classe no fiantso ny sipa toy izany, fa drako classe kosa angamba eh. Ao fa hividianako pain paté sy bononoka izy, raha ohatra ka mbola noana re eh....... Raha ohatra moa ka tena vola no ilainy amin'ny maha drako classe azy, dia aleo fa homeko ny bandy namako ny vola, dia ry zareo no milalao film-ny any ambadika any, izay tena tsy misy hifandraisany totalement amin'ity film fictif tsika eto ity.