image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Fa raha milanjalanja faty sy mamoha fasana foana kosa vé tsy handairan'ny aretina ihany nareo farany, feno olitra sy voalavo anie ny fasana eRaha misy olona matin'ny peste na cancer na sida na areti-mifindra hafa ny faty na razana kasihan-dava ao dia ahoana.Ny systčme sanitaire sy dépistage any dago tsy dia hoe harifomba mahenika dago manontolo akory.Na tsy ampidirina resaka fivavahana aza fa logique tsotra fotsiny dia mitady loza ihany ianareo mamoka faty hanaovana fety isaky mihetsika ireo.Tany aiza no mbola misy peste isan-taona miverina izany foana.Ny olona efa t@ moyen-age no tsisy peste izany intsony.Ny loto sy ny canalisations efa t@ colonisation ihany no mbola tsy misy fanamboarana, dia aiza moa no tsy hilona anaty loto sy bactéries


Ajanony ny filalaovana faty dia manaova madio. Sarotiny ery ny malagasy hoe ho very faty kanefa ny fomba fanao mety hahavery faty azy tsy hialany: ma.ma.ny eny rehetra eny, man.ge.ry eny rehetra eny, izay toerana rehetra aleha dia raisina ohatry ny daba-pako daholo... Rehefa aveo tratry ny pesta dia tsy manaiky ny ho very faty. Tokony avoaka ny lŕlana fa atao fausse lalina ny fasana eto Madagasikara amin'izay tsy misy angalan'ny mpilalao faty ny razany ho avadika.Tohizo ny famadihana raha te ho avadika haingana koa


mety ho azo ekena ny hanamafisana ny fepetra sy ny fanarahamaso, na ny fandevenana ,na ny famadihana , na ny tanana fonenana, na ny saha fambolena, na fiompiana , be dia be ny zavatra tokony hatao , fa mila tena manampahaizana, na ny fandringanana ny voalavo aza dia mila fisainana sy fandinihina, fa ny mahavoa ny gasy rehefa manana hevitra iray , dia manao expert aty @ forum, lasa mampihomehy ny sasany, misy miseho be argument sy raisonnement mihitsy kanefa toa tsy dia mahalala tsara akory ny atao hoe bactérie , lasa miteniteny foana ny farany ka sahy milaza fa azo sokafana ny fasana misy olona matin ny peste


Ny vavaka irery ihany havana no manova-peste Amen!


Zahay DIA MAmadika ary tsy asianay olana raha mahasoa ny rehetra tokoa ny hanafoanana ny famadihana, fa mba mitaky zavatra mitombona sady misy porofo kosa fa tsy resaka ahiahy ity no handraisana fepetra hanafoanana ny fombandrazanay ,hatreto dia blabla daholo fa tsy misy milazana iray aza hoe taiza ny tranga efa nisy mba ho fantabahoaka, fety misy mayonnaise mankarary aza eto fantatra ihany, mandeha gazety, Misavoana be raha hoe satria ahiana misy peste ny fasana, dia hanaovana lalŕna manafoana famadihana, stria ahiana misy petse ny tanŕna ,na ny tanimboly,dia azo anaovana lalŕana madoro azy, mba lazao hoe aiza no toerana azo antoka fa tsy misy voalavo na parasy eto ? eny eh , misy hilaza indray fa ny voalavo eny @ tanany madio, misy fanarahamaso ny fahasal*******, tsy atahorana


Raha jerena dia misy tokoa ny mihevitra fa ny famadihana no mahatonga ilay aretina, angamba tsy dia mety ny mitompo teny fantatra, sarotra ity resaka ity , manjary lazain ny hafa fa misavona marina ilay fomba fijsainana satria radical be izany hoe foano io , tokony fandrarŕna ny famadihana mandritra ny taona vitsivitsy aloha no tokony hatao , jerena raha mitombona tokoa ny ahiahy , azo foanana avy eo raha izay tokoa


Toy izao ny fepetra noraisin ny colon t@ 1915 momba ny famindrana na famadihana olona voan ny peste:ORDONNANCE du 26 mars 1915 Exhumation et transport ŕ l?étranger des restes mortels de personnes décédées dans la Colonie.Art. 1er. ? L?exhumation et la translation ŕ l?étranger du corps d?une personne décédée dans la Colonie peuvent ętre autorisées dčs que le corps a séjourné en terre pendant un an au moins.Creusement de la fosse 150 francsTransport du corps au cimetičre 350 francsExhumation 500 francsTransport du corps 350 francsToutefois, ce délai ne sera pas exigé lorsque le corps aura été enseveli avec les précautions indiquées ŕ l?article 3 ci-aprčs, qu?il ait été inhumé ou non.Art. 2. Le séjour en terre pendant un an au moins sera toujours exigé pour l?exhumation et la translation du corps d?une personne décédée des suites de la peste, du choléra ou de la variole.Art. 3. ? Les mesures suivantes devront ętre prises au moment de l?ensevelissement du corps d?une personne qui ne doit pas ętre inhumé ou qui ne doit pas séjourner en terre pendant les délais prévus ŕ l?article Ier.fa ny gasy hoa mahay kokoa , marina eh,


mahagaga tokoa ireto manakiana ny famadihana ireo, mba jereo tompoko ny site ny institut pasteur , maladie , peste dia ho hitanareo ao fa firenena 26 no niverenan ny peste taona vitsivitsy izay, 50 000 ny cas recencés, ankoatry ny gasy dia tsy misy mamadika izany ireo na iray aza, fa mahay marina ny gasy ka , drogué n ny fivavahana ny sasany, tapohany nahay siansa ny sasany dia lasa be argument sy raisonnement, prix nobel de destruction de fomba


Aza mba miteniteny foana eto, tsy mosy idiran' ny fivavahana io, tampohan' ny siansa ahoana? Rehefa tsy mahalala ianao dia mangina. Ny olona tsy mahay inon' inona ihany matetika no be vava be. Ny pesta eto Mada dia pesta teto taloha ihany no nifoha. Izany hoe misy toerana mitahiry ireo otrikaretina taona maromaro. Tsy inona izany toerana izany fa ny fasana,izay mangatsiaka ka mahavelona azy tsara....Ny loto sy voalavo dia mampifindra azy fotsiny fa tsy mitahiry ilay otrikaretina.Izay no mahatonga ilay hoe: nisy fako sy loto foana nefa tsy nisy pesta. Tsy maintsy misy mamoaka ilay otrikaretina avy amin' ny toerana misy azy aloha. Ny famadihana no fomba hivoahany avy ao. Dia rehefa tonga any amin' ny tanana izy izay vao mandray anjara amin' izay ny voalavo sy parasy.Zavatra voaporofo mazava izany, saingy tsy tantin' ny dain' ny gasy. Dia eo miolanklana eo.


ravonjison>>>>afangaronao ny atao hoe preuve sy hypothčse , ny absolue sy ny relative,hatreto dia tsy nisy famadihana voaporofo ho nitondra peste izany , raha manana honnęteté intelectuelle dia tsy hiady hevitra @ izany , tsy azo terena fotsiny hanaraka ny hevitry ny tena fotsiny ny zava drehetra,fa raha nisy izany , efa ela ny famadihana no foana , fa nisy fandaharana tao @ tv plus dia nisy dokotera iray, mitovy hevitra aminao , raha teo ianao dia mba nanampy azy satria izy irery ihany no nivohy izay hevitra izay , raha ny fanazavany dia tsy voa ireo mpamadika satria arovan ny hoditra hono, fa ilay vovoka misy peste no mandeha alavitra (angamba), dia ny voalavo no tratra, dia milaza ihany indray anefa radoko fa matin ny masoandro ilay peste, ilay vovopaty misy peste aloha izany @ io tsy azon ny masoandro mihitsy, mandeha alavitra ao anaty maloka , za mihevitra fa angamba mety azo raisina ny hypothčse nareo , na dia marivo fototra aza , fa mila recherche sy observation maty paika izany fa tsy resaka bontolo aty @ forum