Vehivavy ny manoratra, manambady manajanaka roa, tena very hevitra fa latsapitia @ vehivavy hafa hono ny vadiko. Hafa kely ity tantarako ity fa tsy mba hoe nafenina na nolazain?olona fa ny vadiko mihitsy no nitsotra tamiko fa misy vehivavy tena tiany sady mahafatifaty azy any. Tsy zakany intsony hono ka dia lazainy ahy kanefa dia milaza izy fa tsy mbola sahy nilaza tamin?io vehivavy io akory fa tia an?ilay vehivavy ary tsy mbola miaraka ry zareo. Milaza koa izy fa efa manambady ilay vehivavy ary efa niteraka koa fa saingy tena tiany ary lazainy fa izany angamba hoy izy ny vehivavy tonga lafatra aminy. Nanontany azy ahy hoe fa inona moa zany no tena itiavanao io vehivavy io dia namaly izy hoe manampahaizana, manana asa tsara, hendry, matotra, mahatehotia, mahay mihaingo mahafatifaty sady mpanakarena sy manana ny mahaizy azy kanefa tsy mba miavona fa tsotra be. Tsy hitako izay navaly fa tena sady tezitra aho no malahelo satria tsy dia misy ananako ireo zavatra itiavany ilay vehivavy ireo nefa inona no nanambadiany ahy izany? Izaho tsy dia tena lasa lavitra t@ fianarana fa ilay vadiko kosa tena tafita lavitra. Izaho koa tsy dia manana asa tsara fa izy tena manana asa ambony. Dia tena tojo ny tena metyaminy ve izy izany satria nanadihady momba io vehivavy io aho fa marina ilay voalazany. Nahavita fianarana ambony ilay vehivavy, toa tsara asa koa, ary malaza mahay mihaingo sy tsara bika ?.dia ho very ve aho izany? izaho aloha hendry ary manaja azy ary manao izay hoafako @ fikarakarana vatana. Toa misy asa miaraka ataony @ io vehivavy io hono. Lazain?ny mpiara-miasa aminy fa tena mifanakaiky tokoa izy sy io vehivavy io na dia tsy hitandry zareo mazava ary izay hoe tena anaporofoana fa miaraka izy. Toa miaraka misakafo hono indray2, dia indray2 le vehivavy tonga any ampiasanany, dia izy koa moa refa mivoaka bureau tsy hita hoe mankaiza. Ilay vadiko alina b foana vao mody, nefa izy koa efa toy izany foana ny asany na taloha na izao dia tsy haiko tsony hoe mankaiza satria tsy mba azoko anontaniana far aha vao anontanian dia tezitra ary mandrahona hoe fa tianao ho aiza aho? Dia aleoko tsy miteny. Ny tena loza dia milaza fa manana plan ho any andafy izy fa misy projet miaraka @ io vehivavy io. Aiza ny tany alehako sy ny zanako raha lasa ry zareo? Tena hitako niova b nefa ilay vadiko ary toa tena vonona ny @zany mihitsy. Dia ahoana no ataoko raha tena tia azy tokoa ilay vevavy ka hiaraka aminy?