Miarahaba atsikaLehilahy no manoratra ka izao ilay olana hilako fanampiana avy aminareo.Izy ity moa izany sady tantara mahamenatra no mampalahelo nefa mahavonto fo ihany indraindray.ka izao ary ilay izy,vao 14 taona ny raiko sy ny reniko dia efa niteraka ahy.Zareo aloha t@ zany sady vaventy no ranjanany dia tsy dia hita loatra na dia tena azo atao hoe mbl zaza ihany ary izany(samy nanao natation sy baskety t@ klioba iray izy mivady t@ zany)Feno 22 taona aho zao dia 22 taona izany ny elanelan-taonako @ireo RAD-ko.Manana olon-tiana aho,efa ho 3 taona izao no niarahanay,ary tena tiko izy,ary raha tsy misy ny sampona dia mety izy no ho vadiko mandrakizay.Ny tena olana anefa dia izao,i dada tena saim-behivavy tsy misy hoatr'izany mihitsy.H@ io olon-tiako io ary dia hitany hadalaina sy hisarihana zoro.I dada rahateo koa moa tonga dia nanambady dia tsy nahavita tsara ny fiainan-jatovony dia aty aoriana vao manao adalana.36 taona izy izao.Efa natao azy daholo izao fitenenana sy fananarana rehetra izao.Efa natao taminy daholo izao famaizana rehetra izao fa eee.Tena mihafara @ fikasihan-tanana aminay mianaka mihitsy fa tsy mety miova mihitsy izy.Ilay olon-tiako efa ho 5 volana izao no tsy nety nankany an-tranonay intsony @ hataon'i dada.Nefa h@zay izy isaky ny alahady dia miara misakafo aminay 3 mianaka foana.Tena vaky ny saiko,tsy hitako izay hatao.Zah efa fantatry ny fianakavian'ilay olon-tiko,izy rahateo koa tena tiko ary toy izay koa izy.Nefa na izany aza tsy afaka ny hanary ny RAD-ko ihany koa anefa aho.Ka mba mila fanampiana @ alalan'ny toro-hevitra re fa tena tsy hitako intsony izay atao,lany hevitra aho ka sao mba misy manana soso-kevitra mahavaha olana @tsika ato.Misaotra