image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 11916

Aza manao valifaty zan fa zaranao aza izy niala dieny Zao toy Zay anaty fanambadiana no hamitaka.
Manana ny fihevitriny Andriamanitra


Aza manao valifaty zan fa zaranao aza izy niala dieny Zao toy Zay anaty fanambadiana no hamitaka.
Manana ny fihevitriny Andriamanitra


efa tratran'izany ah d nandefitra fotsiny. zao le izy roa henoko fa mbola tsy niteraka. tsy sahy mijery ah refa tonga eto Mada ka sendra mifanena zay. le sipa @ io tsy mahalala le tantara, tsy mafantatra ahy akory. tsy miomehy loza ah


Ialao fotsiny iz fa ts lany anjara enao e!


Ny fiainanao ifantohana fa aza mamaly faty izany


Aza mifikitra amin'olona mpamadika izany e! betsaka ny ho tia anao fa aleo iz ho any am kalany any! manorena fiainam-baovao izay mifanaraka aminao


"Ny fahombiazana no valifaty tsara indrindra" ... Aza manao ratsy azy ianao, fa afantohy amin'ny fahombiazanao manokana ny fisainanao sy ny herinao. Rehefa tsara lavitra noho ny tamin’ny niaraka taminy ny momba anao, dia tsy maintsy ho gaga izy ary tsy maintsy voa ny ambom-pony. Raha hanao ratsy azy ianao dia mitovy ihany ianareo izany, samy manao ratsy, nefa ny ataony aza tsy tianao.
Izany no nataoko tamin’ilay ex-ko izay, nandratra ahy mafy izy, nampirafy, nefa aho nanao izay nety ho anay. Nalahelo aho, naka fotoana, nitomany sns … navoakako daholo ny alaheloko, soa fa nisy namana sy fianakaviana nieno sy nankahery. Aveo aho nitraka, nikarakara vatana, nanova garde robe … tena hoe niova eh … niasa mafy koa aho dia nandroso be ny asako na dia naka fotoana kely aza.
Fantany tamin’ny alalan’ny namanay iraisana ny fivoarako be, anihanian’ny namanay fotsiny izy hono sisa … lol … izaho koa izao miomehy sisa fa efa sitrana tanteraka … Itsikiko izy raha mifanena izahay ary hasehoko azy fa niatsara aho fa tsy potika …