Mpinamana be izahay 2 vavy, nanana olon-tiany io namako io tao @ fikambanana nisy anay, ary izaho mihitsy aza no anisan'ny olona nampiaraka an-dry zareo. Noho ny fianaran'ilay namako anefa de voatery izy lasa any an-tany lavitra. Izaho sy ilay sipan'ny namako zany no tafajanona teto Antananarivo. Rehefa ela ny ela dia nifankatia izahay sy ilay sipan'ny namako. Niantso ahy ilay namako sady nitomany fa hoe nisaraka ono ry zareo. Izaho tsy sahy nanontany fa de nihaino azy fotsiny. Sady manenjika ahy ny eritreritro no tiako kou anefa ilay olona. Mba toroy hevitra aho fa tena vaka ny saiko. Fantatro fa tsy maintsy hanome tsiny ahy ny olona rehetra, tsy manadio tena kou anefa aho. Mistra anreo rehetra namaky sy mamaly ahy