Misy sipa namana iray izay, niaraka t@ bandy comorien nandritra ny 3 volana latsaka, efa nandrara azy ny namana fa tsy dia noraharahiany loatra satria mahery ody be izy ireny. Ankehitriny anefa dia tena tapa-kevitra ny hiala ihany i Kala satria zao vao tena nazava taminy ny antony nandrarana azy.Manao "menace" foana ilay bandy @ zao fa hovonoiny i Kala raha mampirafy azy. Efa manao projet ilay bandy hitondra azy any Comore tsy hoela. Vaky ny lohan'i Kala ary mivarahotsana manoloana ny mety ho fiafaran'ny tantatra. Inona no torohevitra azonareo omena azy fa raha ny sary aloha dia efa azon'ilay bandy t@ ireny sary publiena etsy sy eroa ireny. Ny fomba entina hisarahana aminy no tena ilaina torohevitra mba tsy hitarika zavatra hafa.