Sahirana izahay @ fitaizana ny zanaka vavy fa tia rendrarendra. Matetika le manana fiara, mpirevy ireny no sipany. Ankizy somary manana kanefa izahay eo eo ihany. Ny ahiahy dia ireny no ho lasa vadiny kanefa ny foto pisainana sy ny harena tsy mitovy. Zahay zao tsy mahafantatra hoe inona no tena ao antsainy ireny tovolahy ireny @ zany hoe fiarahana sy fanambadiana zany satria tsy mitovy ilay tontolo misy anay ka sarotra ny mamisavisa. Hafa mantsy le hoe manao sipa fotsiny sy le hoe fiarahana maharitra toy ny fanambadiana.Misy hafaka milaza ve inona @ zao fotoana zao ny criteres sy parametres isankarazany hiarahany ankizy lahy sy vavy.Haka ohatra vitsivitsy toy ny hoe harena, fahaizana, tarehy.Misy ny hoe toetra izay sarotra ny mametra azy. Ny any sasany aza mbola ampiana hoe firazanana.Mba lazao hoe inona ny cas anareo. Inona no mety ary inona no tsy mety ry zareo fa mba mila toro hevitra ?