Vehivavy no manoratra ary efa niaraka tamin?olona nandritra ny 8 mois teo ho eo. Nandeha niaraka nivoaza zaho sy io olona miaraka amiko io. Niaraka nandihy dia niara-nisotro. Gaga anefa aho noho ny maraina my andro fa tsy nisy vola intsony tao anaty compte-ko. Hay ny toaka rehetra nosotroinay dia novidiany tamin?ny carte-ko daholo.Izy moa mbola miasa Sabotsy ka lasa niasa maraina izy ary tsy nisy fotoana niresahana.Nantsoiko phone izy avy eo ary nolazaiko azy fa laniny daholo ny volako. Niala tsiny izy anefa aho mbola tezitra satria vola sakafoko no laniny. Noho ny hody izy ny hariva dia nasaiko nitondrany sakafo aho. Tsy nitondra moa izy fa nasainy tamy restaurant zaho. Nasainy ni-commande dia avy eo hoe entina mody ilay izy dia any mihinana.Toa vao maika zaho tezitra hoe raha hisakafo any an-trano dia maninona raha ni-commande fotsiny dia nentina nody fa tsy niantso ahy ho avy (ny andro amin?io mangatsiaka be, ny lanezy avy). Ny niafarany moa dia nijanona nisakafo irery tamin?ilay restau zaho fa izy nody ary tsy nihinana akory. Nomeny vola sakafoko mahampy roa andro aho dia lasa izy.Saika hody tany antranoko aho anefa toa nalahelo azy indray dia lasa nody tany aminy. Vao niditra ny varavarana aho dia hitako izy eo ambony fandriana toa sahala amin?ny mivavaka izany. Mikoropaka izy nahita ahy ary nampirina zavatra haingana. Modiako tsy hita fa nofihiniko fotsiny izy dia nanao azafady aho.Noho ny resy tory izy dia nosavaiko ilay zavatra nataony teo ampandriana. Nojerevako tamin?ny google dia toa karazana ody avy any aminy (tsy gasy izy no tsy Frantsay). Lasa tena matahotra azy aho hatramin?izao. Nolazaiko azy fa tsy hiaraka aminy intsony aho.Izay ny fotoana farany niresahanay farany. Tena tezitra aminy aho sady malahelo koa anefa. Voatery namoaka ny economie kely mba hiantsenana sakafo. No-bloquer-ko daolo na phone na Facebook na messenger..... fa tena lasa matahotra azy aho. Inona no tokony ataoko fa mbola mahatsiaro malahelo azy aho na izany aza.Miala tsiny fa lava be