image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Bandy no manoratra, 27taona. Mety haharitra ihany ve ny fitiavana ŕ distance? Iza no efa nihaina ary nivady taty aoriana,Misy sipa miaraka amiko mianatra any ivelany ary 4 taona eo izy no any. Efa niaraka 5 taona izahay teto dia lasa izy. Amin'izao dia skype sy fb sisa no hifampiresahana. Mataotra ihany koa sao hiandry vasoka eto fotsiny. Misaotra antsika


vEHIVAVY no manoratra , ataovy mazava dieny izao ny momba anareo na hanohy na hajanona . Tena olona farak'izay akaiky ahy no niaina io . Niaraka aman-taona tany Mcar , nahazo diplôma t@ fianarana i F (vehivavy) dia nanohy fianarana tany Angleterre , fa nifanoratra teny tahaka ny ataonareo io . 4 taona ny fianarany , fa nony taty aoriana izy no nanoratra hoe aleo ajanona ( 2 taona ), fa saika lasa adala ilay bandy , fa izaho kosa aloha nanazava ny sain'ny rehetra fa aleo izy nanao izay toy izay izy mamitaka , tsy miteny tsy mivolana , na hoe tonga ery Ivato dia efa misy olona miaraka aminy miditra ny aéroport ! dia toy izany koa ny anankiray , efa vita fiançaille , fa lasa nanohy fianarana , fa tsy ela akory dia tapaka satria vita ny 3 taona dia mbola nanohy fianarana hafa indray izy , dia notapahiny ny fiançaille-ndry zareo !!! . Aleo izay toy izay nanao tahaka ilay mpihira Evanjelika notsenain'ny fianankaviana sy ilay vadibeny gasy hoe tonga , ka inona fa vazaha vavy no nifampitantana taminy tery Ivato !!! fa saika vita ilay kala !! Mampalahelo ny zavatra toy izany !!


Bęte: Misaotra @ valinteny. Sarotra aloha ny hanadinoina ilay fiarahana e!! za koa moa tsy sahy nanao na dia fisehoana aza talohan'ny nandehanany satria matahotra sao ho afabaraka @ fianakaviana. Efa misy sipa miarakaraka amiko ihany fa tsy tena mbola tafalatsaka aminy aho atreto


sipa mianatra aty ivelany za. manana vadibe any dago fa tsy mbola vita ninin atreto. efa niaraka amantaonany iany koa. midina Mcar iany koa za indray isantaona. fa tsy mahasakana ah tsy hanoy ny fiainako aty nefa zany. izy ko manko any manao na dia ts hananako porofo aza. za ko tsy mitady ny hahita anzany rehefa mandalo any. tsy possible ny hipetrahan'ny bandy na sipa amizao fotsiny nefa efa zatra niaraka taminol izy. mila hafanana sns ohtr ny olona rehetra iany manko. ny fakampanah koa maro ary indrindra efa betsaka ko ny sexe friend. ts fantatro iany ko izay mbola mety o anjaranay ka sao dia o maty antoka eo za. ka ra za no @ toeranao dia aza atao be ny fanantenana fa tohizo ny fiainanao fa izy ko any manao ny ataony. ny vevavy ts mitsotra n marina zan ra ts efa tratra, nefa koa mahay manafina n zavtr ataony.


Lhl aho,Efa niaina toa an'io. Izaho no nianatra tany an-dafy taona maromaro. Alohany nadianako dia efa niteny taminy aho hoe raha mahandry ianao dia ianao no vadiko. Heritaona taty aoriana rehefa nanao vacance aho dia natao ny fifamofoana. Isan-taonao @ grande vacance no mba mihaona izahay. T@ izany koa dia taratasy isaky ny tapa-bolana no mba ahazoana vaovao. Rehefa vita ny fianarako ka nanomboka niasa aho dia natao ny raharaha. Efa ho 23 taona izao no nivadianay.Tsy hiteny aho hoe tsy nisy ny ahiahy sy ny tebiteby t@ andaniny roa. Raha ho an'ilay lasa vadiko dia matahotra foana izy isaky ny mamaky ny taratasy sao hisy filazana ny fanapahana ny fiarahana. Rehefa vita moa ny fianarako dia nikasa ny hanoromponenana tany @ tany nianarako aho ka teo dia nampilaza t@ RADniny ny fikasako aho ary dia samy niahiahy na izy na ny RADniny hoe sao dia nahita hafa tany aho. Rehefa nihazohazo teny aho @ fiandrasana an'ilay asa nandrasako tany ampita dia naleoko nody fa samy niasa loha na izaho na izy.Ho ahy dia itako hoe nisy tombony ho ahy ilay nahafantatra taloha ny vadiko. Efa nahalala ny fahasahiranako teny Ankatso izy ka rariny raha izy no higoka ny hasasarako rehefa tafita aho. Nisy fotoana aho niheritreritra hoe inona ny nataoko raha hoe niaraka t@ bandy izy taty ? Angamba nampiakaroky ihany izy satria raha naka hafa aho mety vhv efa nanao adalana sy efa narirariny bandy hafa ihany koa no azoko. Fa saingy ilay henatra ny fianakaviana no mety tsy nahasahiako naka azy raha nibolila izy.Soa aloha fa tsy nisy tantara ratsy henoko momba azy t@ fotoana tsy naha teo aho. Taty aoriana moa dia mbola nisy fotoana aho niasa an-taonany maro tsy niaraka t@ vady aman-janako fa heveriko fa ilay elanelan-tany t@ nianarako dia nanampy anay niatrika ilay fisarahan-toerana faharoa.


merci bcp @ valin-teninareo. Somary mipetraka ihany ny tsy fahatokisana eo aminay roa satria dia samy mifanotanny rehefa mireska. Ny ahy moa dia ny hoe mbola hiverina ve ianao ary ho tanterahina ny nofinofy hatrizay. Ny valinteny hatreto dia tsy miova. Tsy hafeniko nefa fa dia manomboka mahana foana aho satria dia mivoaka alina miaraka @ n******* matetika izy. Izy koa moa misotrosotro zay ka lasa ihany ny saina hoe ahoana rehefa mamo ve mety hahatandrina ny tenany ihany izy. Ny fetifety moa zany dia manginy fotsiny ary milaza matetika izy fa tsy afaka mi-connecte. Sahiran-tsaina be ihany ny tena