image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Salama, tena latsaka be foana ny tension Jirama eny aminay, tafidina any @ 140v ary tsy miohatran,ny 165v, tsy maintsy nampiasa stabilisateurs nefa indrisy fa maty tsikelikely ireo stabilisateurs ireo, sao d mba mahita mpanamboatra ny simba ianareo na koa mpivarotra @ ilay azo idirana tsara azfd. Misaotra mialoha o.


VeroH > efa fantampantatrao aloha izao ny elanelan'angovon-toeran'ny rianaratra ao aminao. Efa zava-dehibe izay. Ka raha hampamboatra ianao dia hamafiso aminy tsara ireo tarehi-marika hitanao ireo. Raha hividy kosa dia vakio tsara fa tokony hisoratra @ vatany na ny taratasiny ny fetra zakany fa matetika izay no mahafaty haingana ny stabilo


Ny Stabilisateur ve tsy misakana ny tension tsy hiakatra e?ny fahalalako azy dia raha midina y tension dia tsy afaka misakana an'izany izy sa diso aho?


Beresakajiro > Raha tena stabilisateur ara-dalana dia araka izany anarany izany: mitazona ny jiro tsy hiakatra sy tsy hidina. Fa raha ny miakatra ihany no arovany dia lasa miasa toy ny disjoncteur sy ny para-foudre fotsiny ihany izy.Ny mampalahelo dia tena misy tokoa ny FAUX stabilisateur amidy eny @ magazay eny tsy miaro afa-tsy ny herinaratra miakatra fa tsy mahaaro ny midina mihitsy.


za kou > tsy manana hambara aminao aho fa ialako tsiny.Beresakajiro > Ny transformateur dia natao hanova ny courant brut (360 volt matetika na haute tension) ho lasa 220 volt azo tsinjaraina isan-tokantrano. Ny compteur araka izany anarany izany dia tsy natao hampidina jiro fa natao hikajiana ny fandaniana jiro. ny disjoncteur natao ho solon'ny fusible, izany hoe coupe-corrant.Fa hafa mihitsy ny anjara asan'ny stabilisateur.Marihiko fa azo antoka kokoa ny fiasan'ny stabilo rehefa misy installation terre ny jiro ao an-tokantrano.


Misy ilay mpivarotra sinoa malaza eo @ arcade ireo nividianako efa ela fa ça va tsy mbola nisy pb hatreto ny appareils rehetra: raha 140V dia ampiakariny 220V. Saingy raha vao latsaky ny 140V dia tsy tafakany. Ny ambony tsy tadidiko fa toa 260 V angamba izy zay ampidininy 220V.Tandremo mividy ilay prise Santoelect ireny (electronique izy) fa nisy havanay nanana 2 t@ izy ireny fa nirehitra tao antrano tsy hay hoe ahoana. Soa ihany fa tao ry zareo dia avotra tsy may ny trano fa miantsy be ny rindrina. Izaho anefa nampiasa 2 t@ io prise io koa fa tsy nisy pb, fa najanoko zao fa natahotra aho.


Ny stabilisateur dia mitazona ny tension ho 220/230V no asany. Raha miakatra ny tension dia mampidina izy. Raha milatsaka ny tension dia mampiakatra indray izy.Misy fetra ny tension ambany sy ambony indrindra azony ampiakarina na ampidinina. Ohatra 180V/300V fa raha latsaka na mihoatra io ohatra dia tsy vitany intsony ny asany.Misy fetra koa anefa ny tanjaka ny appareils azony zakaina. Ohatra 1000W ka raha mihoatra an'io ny ampiasainao dia ho faty vetivety ilay stabilisateur.


Misaotra ny rehetra fa hividy amizay aho,ny ahy misy prise de terre ,ao amin'ilay sinoa Analakely io no nividy ilay olona fantatro dia ao koa aho no hividy!