image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Miarahaba antsika. Aiza no tena mba mahay sy azo antoka ry reto amin'ireny mpanamboatra meuble cuisine en mélamine ireny? Misy mba afaka mi-temoigner ve amin'ireo efa nanao mihitsy ka afa-po azafady.eo amin'ny qualité, finition, fanajana fotoana, vidiny? Mieritraritra hanao lakozia manko izaho ka mba manontanintany e. mba mateza ihany ve izy ireny sa endrika fotsiny? sa aleo ihany manao hazo?Misoatra mialoha ho an'izay mamaly ô!


Manahoana, raha ny safidiko hatreto dia hazo. Mety manontany angamba ianao hoe fa maninona no hazo? satria itanao foana hoe éla ny taonan'ny hazo Fa tsy mbola namariniko fa rehefa amin'ny toerana hoe : ambany ny taux d'humidité dia tsy mateza izy ireny.


Compromis hitako ity: ny hazo lafo vidy nefa tsara (indrindra ny palissandre), ny mélaminé mora vidy nefa malemy. MDF atao, na MDF brut tsy misy loko aza azo travailler-na hoatry ny hazo, sy lokoina sns.... nefa azo atao hoe mafy ihany noho ny mélaminé (mélaminé sur panneau de parti*******es no lazaiko eto).Efa misy koa zao porte de placard hazo (fa importé) amidy eny @ quincaillerie lehibe. Dia iny koa azo tonga dia vidiana dia anamboarana placard fotsiny. Azo atao MDF na hazo (na pin aza) ny placard. Ny ahy zao izany no nataoko fa efa ela. Satria lafobe ny palissandre kanefa dia mafy tsara. Ny hazo koa aloha mila olona mahazy azy e, mandreraka ny mijery porte en palissandre nefa ratsy finition be ohatra.Mazotoa.


WinTV> Sao mba misy mpanamboatra mdf recommander-nao mba tsara ny asa nefa tsy dia lafo loatra ny vidiny? efa nisy nampanaovako devis ihany fa mba te-hampitovitovy ihany. Misaotra mialoha.


Manahoana Ramatoa, sy ny namana rehetra....Fa raha ohatra hoe atao hazo dia inona notsara ankoatra ny voamboana(lafo be)?< Vitane.


Ramatoa>>>> izaho manamboatra :) fa tsy manao ho an'olona fa ho ahy ihany. Tsy mahita tena hoe mpanamboatra aho fa hitako misy olona manao aloha fa tsy haiko ny kar******* sy ny qualité ny asany. Mazotoa


Miarahaba ô ! Dia hono oa mety voa mafy ve aho zany satria ny ahy zao mélamine efa voavidy ?! fa mety maharitra eo amin'ny firy taona eo ny fahatezan'izy ireny e ? Misaotra indrindra !


lille>>> mety misy tokoa ny matériaux mafy/mateza sy hoe malemy/tsy mateza fa io koa zany miankina @ fampiasanao azy isan'andro no mety hampateza azy na tsia, sy ny entretien atao.Io ohatry ny resaka fiara 4x4: misy olona tena tsy miraharaha lavaka fa hoe 4x4, dia avy eo simba dia ilay fiara dia lazainy fa malemy (hors sujet:))


WinTV > Misaotra ny amin'ny valinteny miampy fampaherezana. Marina tokoa ny voalazanao fa dia ho tandremana araka izay azo atao ! mankasitraka e !


eo andravohangy eo akaikin'ny Luxoptic eo misy mpanao fanaka vita @pin fa tena tsara finition no sady mafy no matevina.manambaka ny vita palissandre mihitsy ny azy.izaho zao tany no nampanao fanaka fa tena hafa-po tanteraka.sady azo hiriranana tsara ny vidiny.mitondra devis fotsiny ianao,fa misy catalogue betsaka koa ao aminy fa saingy ny fotoana aloha ny azy somary tery2 foana satria be mpanao commande be foana ry zareo @ilay izy tsara e!fa ny tena tsara dia ny manantona azy mihitsy dia any ianao no miresaka aminy sady mahita mivantana ny hatsarany.