image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 1

hitantara ny zavatra iainako aminareo ato za.vehivavy efa manambady sy miteraka 2 za, 40 ans, 10 ans de mariage. ny vadiko dia olona farak'izay saro-piaro, voateny ianao na fitafy, na fihetsika. tsy napaninona ana anefa zany fa noraisiko hoe tia ahy foana izy. tsy mahazo mifanerasera aman'olona fa avy dia ady. za anefa vehivavy miasa, sady mitana andraikitra ambony. tia tokatrano io vadiko io fa saingy izy ilay saro piaro loatra no somary manahirana. mahavita midaroka izy miampy ny vava be.
indray andro anefa niresaka tamiko tao am fb ny sipako taloha, izay efa 6 ans niarahana izahay fa tsy tanteraka moa ny anay. izy no niaraka tamiko tamin'ny zaho nianatra teny amin'ny université. tena nifankatia zahay ary efa niara-nipetraka mihintsy moa. avy eo izy nianatra tany ampita.
tafararesaka tao am fb ary izahay, ka niverina niaraka indray eny fa na dia à distance aza izany satria izy any ampita no mipetraka. efa 3 taona zao zahay no niverina niaraka. izy efa manambady koa fa eto dago ny vady aman-janany. mahatsiaro fahasambarana zany za miresaka aminy ary mba hoe misy olona afaka anaovako confidence. izy koa tsapako tena mbola tia ana.
mandalo eto izy am zao ary tena faly aho .ekeko hoe tsy mety ny zavatra ataoko nefa zay no nahitako equilibre amin'ny itondrako ny toka-tranoko. miala gidragidra za ao an-trano dia mahita tambitamby any aminy. tsy haiko hoe oviana no ho faranako ity tantara ity fa hatreto aloha di mahafinaritra ahy ilay izy . mitsiriritra anareo milamina tokatrano za, mirary soa


Fiainana mbola lalovako ihany koa io iainanao io. Ny maha-samy hafa azy dia izaho na dia efa nanana sipa maro2 aza talohan'ny vadiko dia ny vadiko no nomeko ny fahadiovako ka nisantarako izany fiainana ara-nofo izany. Nivady izahay, nipetraka ny routine, tafalatsaka tao anaty fampirafesana aho, naharitra volana maromaro io fampirafesana io ary ny tena nahavariana ahy, rehefa nanao recul kely, lehilahy 2 no nisesy nampirafesako azy, ny iray tena hoe resaka ara-nofo fotsiny saingy vetivety 2 volana angamba, fa ny faharoa nisy fifankatiavana be ary naharitra volana marobe. Fantatry ny vadiko io taty aoriana satria nanao carte sur table izxahay indray andro. Tsy naninona izy fa sady nalahelo, nefa ihany koa nandefitra satria moa izy efa nahalala vehivavy maro talohako ary efa nanana fiainana ara-nofo t@ ireo vehivavy ireo mazava ho azy.

@ izao fotoana izao, tsy ao Madagasikara intsony izahay nefa miverina miresaka @ iray @ ireo sipako ireo aho, ilay faharoa. Toa miverina indray ilay adolescence-ko, mi-flirter en ligne ato. Lasa mampitony ny fahasorenako indraindray ny firesahako aminy ary rehefa tsy miresaka amiko eo izy dia lasa kizitina be aho, ka mahazo daholo na ny vadiko na ny zanakay. Atsy ho atsy anefa handalo hanao vacances any Madagasikara izaho sy ny zanakay dia tena matahotra aho sao hiverina hiaraka aminy indray, kanefa te-hahita azy ihany koa en meme temps. Lasa mangitakitaka izany aho @ ilay hoe ho any Madagasikara. Tena marina tokoa fa ilay équilibre dia lasa mitoetra rehefa eo izy. Asa inona no hatao


Ny anao aza anie virtuel e! raha izay no mampisy équilibre dia mahafinaritra, fa lay hoe hiaona..... tantarao fa mino aho fa efa niverina ianao. (pi-maso kely aki a)


Ny vhv dia manao ohatran'izany tantarainanreo 2 vavy izany, za dia lhl ary efa manambady, dia manana sipa efa manambady koa, dia ny fiarahany tokoa no equilibre ho any 2 mihitsy satria izay na dia mahazo message av amiko fotsiny dia afaka ny hakizitinany ao antranony,


Niverina eto ihany aho hitantara. Tonga tany Madagasikara izahay (izaho sy ny zanako fa ny vadiko tsy afaka nandeha noho ny asany) dia maro ny namana nahita ny publication-ko sur reseaux sociaux no nangataka hihaona amiko. Anisany tao anatiny ilay iraikalahy. anisany voalohany nangataka rdv hihaona amiko izy saingy tsy afaka nihaona izahay ny 1ere semaine satria mbola prioritaire tamiko ny fianakaviana izay efa ela tsy nihaonako. Avy eo nandeha faritany izahay nandritra ny herinandro. Vantany vao tafaverina Tana dia sadaikatra aho hoe handefa message ve hoe efa tonga Tana. 3eme sy 4eme semaine no natokako hiantsenana, hihaonana @ namana sy ireo havana lavidavitra tsy mbola tafahaona. Farany indray alina alohan'ny hatory aho no nandefa message nilaza hoe "efa eto Tana aho mandra-piveriko". Nony ampitso maika ery aho hijery raha namaly izy na tsia. Tapak'andro maraina iny tsy nisy valinteny. Efa t@ 14h30 vao namaly hoe "antsoiko ndri refa mahita fotoana aho fa mbola repotra @ asa ato", nandeha ny fotoana, tsy re ingahy. andro iray mialoha ny hiverenako no niantso hoe rahampitso manana creneau kely ka afaka ve ? saika hampifila aho satria nanana rdv t@ meilleure amie-ko. Nekeko fa natao hoe aleo @ 10h fa mbola manana fotoana t@ olona aho. Voatery nohafoheziko ny fotoana nihaonako T@ ilay meilleure amie fa dia lasa naka taxi hamonjy rdv @ ity ex-ko ;) namomjy salon de the, tsy nisy hoe nitady toerana discret fa tena ifamezivezen'ny rehetra. Dia nahafinaritra ny tafa, nangataka kely ingama hoe andao hono handende kely hivoaka ny ville. Tsy nanaiky moa aho satria ny valise tsy mbola vita, moa manana fotoana @ iraitampo amiko aho hiara-hisakafo atoandro, noteneniko fotsiny ny iraitampo hoe taraiky aho fa @ 13h aho tonga any. Niala salon de the izahay ary nanatitra ahy tany @ ilay toerana hiarahako @ iraitampo izy. Nony tonga teny dia nasaiko najanony alavidavitra kely ary dia nahita coin calme izay izy somay miala 10 m ny arabe angamba. dia nifanao veloma izahay ary dia norohany tampoka teo aho ary tsy nahatohitra dia raikitra indray ny safosafo hatrany @ parties intimes anay roa. Tena tsoriko fa raha tsy nisy ilay fiaraha-misakafo t@ iraitampo dia tena niditra hotel iray tsy lavitra teo izahay ary izaho mihitsy no nanolokevitra. Tena hoe niverina indray ny fahatsiarovana fony izahay niaraka saingy tsy afaka notohizana. Lasa aho nivoaka nony nijanona iny safosafo sy orokoroka iny. tsy te-hierika nijery azy kanefa izy tsy niala teo angamba raha tsy efa dify tanteraka aho.

Tonga taty aminay taty ivelany dia nanontany ahy ny vadiko hoe nihaona t@ ilay ex angaha dia notsoriko taminy hoe nihaona fa tsy nisy sexe fa juste nihaona. Taty aoriana kely vao noteneniko hoe nifanoroka izahay fa tsy nisy sexe akory. Hatr@ izao rehefa mieritreritra an'izay aho dia hetsaka kely foana.


nisy nanontany moa hoe ahoana ny tohiny? za ihany no topon,ilay topic fa niova ny compte fa tsy tadidiko ny mots de passe sady mbola be asa koa dia tsy teto mihintsy. ny tohin,ny tantara. mois de juin 2023 izy no tonga teto, vao tonga izy dia niantsoa ahy. nihaona tamin'ny toerana fisakafoanana teto amin'ny ville zahay. tsoriko aloha fa na tany anaty message sy whatsapp ary izahay dia efa nifandray ohatran'ny mpifankatia. rehefa nandalo izy dia niaraka zahay, mamonjy hôtel sns. tsapako tena misy fitiavana miredareda ao anatinay roa ao nefa samy efa tsy afaka makaiza. amin'izao izy mandalo eto indray, fa dia mbola manao ny fanaon'ny mpifankatia foana. izy angamba zany no ho lazaiko hoe grand amour ko. zay fa mirary soa dia aza mitsara ana ianareo fa mafy zany hoe tia nefa tsy anjara hoy ilay hira zay. hihi