image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 7

Miarahaba Tompoko,

Ilay manoratra dia lehilahy. Heritaona latsaka amin'izao ny nivadinay mivady ary vao 1mois zao ny zanakay.
Ny olana efa hitanay matetika de eo amin'ny resaka vahiny avy any havako, ny avy any amini'ny vadiko tsy de misy olana satria ny an'izareo rehefa misy vahiny mamangy izahay, na dia vahiny avy tena lavitra aza de tsy mety matory ao antrano 'zany mihitsy fa mande hotel foana foana; nefa kosa ny avy amiko tsy mba toizany fa satrin'zareo aza mba miaraka amiko ao moa koa tsy hitako izay antony andeanana hotel (ho an'ny tsy manakavana ny hotel amiko).
Toizao ary ny olana rehetra nifandimby ary mila tsy ho zakako ilay izy amin'izao:

1- Fony mbola fisehoana no vita aminay roa( 1an talohan'ny mariazy) dia nisy cousine_ko niangavy tamiko hoe hotady fianarana eto antananarivo ka tsy maita hivantanana ka ao amiko izy no hivantana mandritran'ny 1 volana nefa nisy olana izy de 3 volana vao hody hono. Tsy nametraka olana aho na kely aza satria ny trano malala, nefa za rery no ao antrano. Nahare an'izany ny vadiko de tena nanalika be, asainy alefa mody ilay cousine_ko ary rehefa tsy hiteny hono za de izy no hiteny. Tsy nanaiky hatramin'ny farany za ka saika rava ny fiarahanay, tsy nilamina mihtisy ilay izy fa zany hoe adinodino teny ny farany. Za koa tena tia azy ary vonona ny handray risque hanambady azy ihany.

2- Rehefa nivady 1mois izahay, de nivaly ny BAC -n'ny zandriko de tsy afaka izy. Ka hoy ny mamako hoe aleo izy aty amiko mipetraka de aty antananarivo no mianatra de nanaiky za. Fa tena nitady ny fika rehetra izy nampisehoana ankoalaka fa tsy mila ny zandriko mianatra aty ary tsy hanaiky mihitsy. Ny farany de tsapan'ny zandriko ilay izy ka dia lasa izy tany amin'ny cousin_ko any tamatavy ndray no nipetraka(izay cousin_ko efa manambady koa) , tena ranomaso ny ahy satria tena tiako ny zandriko ary nanomboka nanenina za nanambady ny vadiko satria tena marary amiko izany hoe ny cousin_ko sy ny vadiny ndray mahazaka ny zandriko fa za tsia.

3- Teraka ny vadiko, ary izahay roa moa samy tsy avy eto antananarivo ka betsaka ny havanay no niakatra hijery zazakely ( ka niakatra ny Rafozako, ny mamako). Ary rehefa nahare koa ny zandriko de nangataka frais taty amiko hoe mba hhiakatra izy fa te hijery ilay zanako, tonga de zao no nolazain'ilay vadiko rehefa tonga tao amin'ny hopital hijery zazakely ny zandriko:" Anao inona ameno trano aty ianao , sady tsy ampifana ahy ianao no tsy anao inona2 aty ka tsy hitako izay handanina foatoana aty". Ohatran'ireny nodidina tamin'ny lame reny ny foko rehefa naheno izany. Ary tonga de nanao masika be za, ary tonga de nitrerona hoe aaa, tsy mody elah fa mila anlah za. De ndana hoy za miandry trano. De rehefa tao antrano ny zandriko de tao amin'ny hefitra fatorianay mivady izy no natory satria ao no misy TV kanefa izahay mivady mbola teny amin'ny hopital. Aveo fantan'ilay vadiko hoe nisy natory ilay fandrina de nanaontany ahy izy hoe iza no natory teo de nolazaiko hoe ny zandriko. Fa tena enjana ny nanaovany ahy, hoy izy:" Tsy fantatrao ve fa masina io fandrinatsika io no atoritorian'izao olona rehetra zao e, eo isika hoy izy no mill sns nefa avelanao hatorianan'olona ny fandrinatsika". Tena gaga aho hoe maninona ary ilay vadiko no de manao toizao, kanefa za de tena mba miezaka ny mahasambatra ny tokatranoko , miezaka mba tsy ho hory na inona na inona izy mianaka kely.

4- nantosin'ilay vadiko ny reniko , zao tao amin'ny salon nidabodaboka, de hoy izy hoe:" neny oh , avy mba raiso kely ny zazakely fa ande ipipy za". Rehefa noraisin'i Neny ilay zaza de hoy ilay vadiko hoe:"Raiso fotsiny izy de zay fa tandremo midabodaboka eo amin'ny fandrinako eo a". LAtsaka ny ranomasoko ka hoy za tao antsaiko hoe : "Maimbo angamba ny reniko no de atao an'izao"

-> Ny tiako tenena de zao, tiako ny Zanako ary tiako koa ny vadiko matoa nekeko teo anatrehan'Andriamanitra. Fa naninina aho nanmbady azy satria olona tsy mahazaka ny havako no novadiko.
Hafatra ho an'ny lehilahy tsy mbola manambady:"Jereo tsara zalahy ny ho vady a, ny jjerena voalohany hoe hendry sy tia anlah ve izy. Fa aza adino ny mijery hoe mahazaka ny havanlah ve izy."

Misaotra atsika namaky. Toroy hevitra aho ry namako a, tena very hevitra aho amin'izao.


@ano, ny olana manko de zao: "Tsy mitovy ny nitaizana anay". De mivoaka ny être_ko mihitsy zany fomba fisainana izany!


@Pisokely, tena tsy vitako aloha ilay hoe misaraka, fa tiako ny vady amanjanako. Fa hoe inona no tokony mety mba amahana ilay olana somary mba passif.


@Pisokely, oui, haka congé za de ande hody fa tsy tafa ity . Aleo marina mifampiresaka.

-> Misaotra antsika rehetra namaly e, tena manampy.


@Pisokely, zao no tapaka, nametraka règle izahay mivady, hoe inona no azo no tsy azon'ny vahiny atao, de inona no tsy azo atao amin'ny vahiny! zay zany no notapahinay.


@pisokely, ny nifanarahanay de hoe, 3mois max ny vahiny ao antrano. Miohatran'izay de mba zavatra tena tsy azo idovirana vao ekena, ohatra hoe aretina sns. De ny vahiny zany tsy tokony atory eo amin'ny fandrinanay mivady mihitsy, raha tsy hoe koa hoe cas extrem mihitsy.

@raozy, le tsy mandray vahiny aloha tena niadivako mafy mihitsy e, de 3mois max ny marimaritra hiraisana.


salama o
ianao ko nge tokony tsy nanambady azy fa efa hitanao taloha lay toetrany hafahafa be...ilaina ny mifidy vady tsara fanahy fa na dia be ary lay fitiavana, mety resin'ilay toetra ohatran'io e...fandriana io tsy hitako zay mahamasina na tsia an'io, rhf mandeha hotel nge efa olona firy no natory tamina fandriana e !