image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Misy cas toy izao mba ilaiko hevitra avy @ nareo,Vehivavy no manoratra, t@ tsy mbola nivady izahay dia tsy tia ahy ny rafozambaviko ary nanao ny moyen rehetra isarahanay. Tsy nahomby nefa ny tetika ka tonga t@ fanambadiana izahay.Nandeha ny fotoana, nanomboka mba niary kely toy ny mpivady rehetra.Rehefa nahazo fiara izahay, dia teo no nanomboka ny olana t@ rafozan-dahiko.T@ izahay tsy mbola nivady mo dia nitady sakana tsy hiarahanay izy ireo, @ izao izahay mivady dia manakorotana ny tokatranoko indray no ataon?izy ireo .Maka ny fiara izy io ary tsy au courant aho, raha sendra makao @ garage ny tenako no mahita fa tsy tao ny fiara efa andro maro maro? miantso azy aho dia milaza izy fa efa nifampiresaka t@ vadiko.Somary sorena aho satria toy ny tsy misy valeur ve ka tsy atao au courant @ zavatra mivoaka ao amiko, mitohy foana anefa izany, olona no mitantara ahy fa itany tany Antsirabe ny fiara, gaga aho ka nanontany , eny tokoa fa tonga hatrany ny fiara, ny vadin?ilay cousin ani vadiko no naka azy , tsy au courant ihany aho. Rehefa misy fahasimban?ny fiara d izahay mivady no mangana. Matetika io vadin?ny cousine-ny io no maka ny fiaranay , ary ny tena tsy tiako dia bandy be afera maizina izy io, ary ny fiara @ alina foana vao alainy. Mifamaly foana mo izahay mivady vokatr?izany.Nefa dia miverimberina foana io olana io ary mampikorontana ny tokatranona.T@ herinandro teo d naka ny fiara indray ilya rafozako @ andro efa alina, lainga no excuse nakany an?izay, kanjo fantatro fa mbola io cousin manao afera maizina io no naka ny fiara fa ny rafozako no misolo tena azy maka ilay fiara aty aminay. Izany hoe miray tsikombakomba aminy. Fantany fa mampikorotana ny tokatranoko ilay izy nefa mbola ataony ihany. Tsy nody ny vadiko indray alina ary tsy nilaza tamiko na nampandre (izay tsy mba fataony) , ay notazomin?ireo ray amandreniny tany aminy izy no tsy navelan?ireo hiantso ahy hampandre.Miala tsiny tompoko fa lava lava ihany .MERCI


De gaga enao am toetrany lhl :)Ary manin mo ra tsy asina olana zan intsony lé fiara na ho alainzareo na tsia é? Rhf simba d aza mivakiloha hanambôtra izany fa oe zareo ary no tena mila anio. tsy azoko tsara lé oe tsy nampandre ny vadinao? fa nga enao tsy afaka miantso azy? Ra iadivanao foana aloha izy de vô maika lery azony le RAD é! Ra tsy oe efa vonona ny iala aminy ?


LITTLE THINGS ---aza mba manao an'izany kosa nareo e! Vola b no niala ary niharitra ry zareo vo nahazo io fiara io mb hitovizany @olona rehetra,fa ts fiaran'commune lay izy ka izao bodo sy adala rehetra izao dia mahazo mitondra ny mitaingina avokoa..diso fanantenana ---- Tsotra ny teniko @nao ranabavy, manaova carte sur table, mijoroa enao @maha renim-pianakaviana anao, tokatranonao io fa tsy an'zareo, resaho ny vadinao dia apetraho tsara ny fifanarahina rehetra, arovy ny fanananao f'za ataon'ny olona toy izany, rehefa tsy misy marimaritra izaisana fa mbola maty hena-maso @RAD ny vadinao, dia tsotra fotsiny, alaivo ny lakilé ny fiara dia tazomy na afenoy , ka raha mitady dia teneno ny marina oe, simba ny fiara nefa jerenareo fotsiny fa mbola izahay no miala volan raha ts manaiky sy tsy miaro anao ny vadinao dia manaova be loha dia valio izy @teny henditra, rehefa tsy mety dia avelao fa mbola ho gravy noho izany ny hanjo anao afaka kely2 raha izao no mitohy.Courage enao


Tsy oe sanatria manao tsinontsinona ny fananana efa nahareraka za Fa ra oh ka simba le izy de tsy afaka mande d tsy afaka entina de tsy misy ny ady ny mpivady... fa bon De tsy azoko le valiny diso fanantenana io fa tsy efa vôlaza etsy ambony v io?


diso fanatenana >maka ny fiaranareo irakoto sy rabe dia ny olona no homenao tsiny hoatran'ireny hoe nanao amboletra tao antranonareo izy sy namatotra anareo tao nazahoana ny fiaraNy vadinao no nanome azy dia ny vadinao no tokony,fantarinao voalohany hoe miraharaha anao sa tsia ?manaja anao sa tsia?fa tsy faly ny hanasoketa an-drasoa sy rabe mihintsy fa rehefa tsy manome ny vadinao inona moa no azon'ny olona atao eo.Tsy nody ny vadinao fa notazomin'ny RAD,dia mbola ny olona foana no homena loza fa nga ty vadinao zaza kely sa nafatotra ka ho voatazona raha te hody any @nareo tena diso cible sy adversaire mihintsy enao satria tianao ny vadinao dia tsy tompon'andraikitra mihintsy izy @zay hataony @ fomba fijerinao,dia ny olona rehetra no diso aminao,satria tsy tian-dry zareo hatr@ voalohany enao dia lasa otrany hoe zaza kely ny vadinao tsy ahafantatra izany fa dia tazomin'ny olona dia iny tokoa fa mijanonadia alain'ny olona ny fiara dia manome ny vadinao,hoatran'ny hoe zaza kely izany ny vadinao aminao, fa tsy lhl lehibe tompon'andraikitra @zay hataony dia ianao no ho lasa be fahavalo avy etsy avy eroaRAHA NY TOKONY HO IZY REHEFA TSY TIAN'Y RAD NY VADINAO ENAO DIA TOKONY HO IZY NO MAMPIHAVANA ANAREO FA TSY IZY indray no hanao izay hiadivanareo,FA MATOA IZY TSY MIRAHARAHA ANAO DIA SATRIA TSY TIAN'NY Havany ianao dia enao koa mety tsy tia ny havany dia iza no mahita na hararaotiny ny situation dia na tsy tany @RAD aza izy dia lazainy fa notazomin-dry zareo tany satria fantany fa ny RAD hiaro azy satria tsy tia anao,enao koa fantany fa tsy tia an RAD dia hararaotiny tsara hoe ENAO NO TSY TIA AN RAD fa tsy izy, ka izy ve no tsy afaka makanyMBA INTELLIGENTE MADAMA A!TSY ILAINA FIANARANA ENY @ UNIVERSITÉ ny fandinihana ny lozika @ fiainana ,hovay ny famindra fa milamina io raha mampiasa saina kely fotsiny enao,ny olona zao no mitondra ny baolina satria enao diso cible,ny fiainana hoatra ny manao jeu d?Échec indraindray mandinika tsara raha te aharesy


LozikaMba moramora ihany ianareo rehfa miteny ,fa ao anatin'ny olana izy ka mety betsaka ny zavtra tsy voafehiny,tsy hitako mihintsy izay hitenenana hoe tsy mila hianarana eny an katso izany ,tsy miaro azy aho fa kosa mba ento am pamendrehena ihany ny fomba fiteny,nareo milaza ho be lozika ,izy anie mety tsy ho takany intsony izany satria efa feno loatra ny fony ,ity forum ity mba hifanakalozana e ,fa tsy natao hanasana vangy e ,raha samy hamely toa anreo daholo eto ,tsy naleony ve ho tsiambaratelony ihany ,fa matoa izy tonga eto dia efa an tratra ny ranombary fa tsy alohalika intsony .Koa aleo mba avadika im pîto ny lela vao miteny ,mba ho fanajana ny hafa ,fantatra ianareo fa nandranto fianarana ambony angamba ,fa tsy voatery hitovy daholo ny eto .Raha anareo irery ity dia hasio soratra hoe (Dondrona et Cancre s'abstenir ) fa ho an'ny intelligent toa anareo ihany .


lôzika: marina tokoa fa tsy zazakely ny vadiko saingy fantatry ny havany ny fahatsorany dia araraotin'izy ireo.Raha ny tsy fitiavako ny havany indray dia izaho koa aza gaga hoe inona no tokony antony tsy hifankazahoana, fa izy ireo efa namingana ahy foana, hatr@ ompa reny sy menace de mort efa azoko t@ reniny, fandroahana efa azoko t@ rainy... Ka tsy mbola rariny ve raha tsy hitia azy ireo intsony aho.Marina tokoa raha milaza ianareo fa araraotiny ilay vadinko ilay situation, possible izany , ary indraindray aza toy ny tsy tompon'ny tenany io vadiko io fa efa vitany hatr@ mikasitanana ahy rehefa imason'ny havanay, ary na maniratsira ahy imasony ary ireo havany dia tsy miteny tsy mivolana izy. Tsy mahazo fiarovana aminy aho.Tsy latsa no ilaiko raha manoratra aho fa vaha olana avy @ tsika rehetra.Ahoana no ataoko ampiova io vadiko io fa mila hiala mihintsy aho fa diso fanantenana.


dondrona>dia aza mba dondrona ihany oa,rehefa tsy mahafantatra lôzika dia aza @ resaka ahitana karazana hevitra be dia be ny olana no hoentina@manaraka dia @ ANDRIAMANITRA HOENTINA NY OLANA !fa io no mety indrindraFa raha hevitr'olona isan-karazany dia forum entina,ary eto misy borosy vy mihintsy rehefa tsy miala @ fahadondronana


Aza dia anaparana loatra ilay olona nitondra ny olana ,fa mba entina mora . Tsy anareo marina ny lelo koa hoe aisino aisino !!! na manana ny marina sy lôzika aza inao ka mivazavaza sy mitatatata dia mitovy amin'ireny rano mikoriana eny amin'ny lamosin'ny gana ireny . Ny olona rehefa tsy tia dia tsy tia n'in'ina ataonao , fa fiatsaraham-belatsihy no ambiny .Mipetraha ianao amin'ny position-nao amin'izao ry madama ary aza mifampiraharaha akory amin'ireo , mifampiarahaba , mifanaja dia vita , fa ny vadinao kosa dia resaho mazava ny momba anareo amin'ny lafiny tokatrano sy ny fitiavana misy eo aminareo . Entina mora sy entitra kosa anefa ianao mba hahafantaranao ny tena ao an-tsainy .... mahery be mantsy ilay havam-badinao ka mila stratégie izany fa tsy manaonao foana .


Raha olona efa tsy tia anao zany tena sarotra be ny mbola haka ny fony ho lasa tia anao,raha hoe vady dia mety hisy chance ihany,fa ny ankotrizay sarotra.Ny makasika lay fiara,nga nareo tsy mapiasa lay izy isanandro no afaka maka lay fiara @zay tiany hakany azy ao lay rafozanareo?Ny torohevitro dia zao raha tsy tinao ho alain'olona lava lay izy,dia ampesao isanandro,ento miasa @zay misy motif tsy anomezanao azy reo ary tazony ny la cle.Raha ohatra ka tsy ampiasaina matetika dia amidio dia anaovy zavatra mitsangana ny vidiny,ao anatin'izay ianao sady mandamina ny vadinao ihany,ka rehefa hitanao fa resy lahatra izy ny tsy ampindrana fiara aman'olona intsony dia afaka mividy ndray nareo aorina kely,na koa hoe fiara mampidibola no vidina @zay tsisy afaka mindrana.Tsy misy olona hafa afaka resahinao sy teneninao ary anarinao afatsy ny vadinao irery ihany,zany hoe mila mifapiresaka milamina tsara nareo,ary na eo ary lay tsy fitiavanao ny havany dia aza aseho be ny vadinao zany refa miresaka nareo dia ho tsapany @zay fotona zay fa tsy mankahala azy reo ianao fa ny azy no diso.Ary zany rehetra zany dia ento ambavaka daholo fa Andriamanitra irery ihany no afaka manova fanahin'olona fa ny olona tsy afaka manova olona.