Salama tompoko,miala tsiny raha somary lavalava ny soratra, misaotra antsika maharitra mamaky. Lehilahy izaho no manoratra. Miaraka amin'olona efa 2 taona zay, ny dada sy maman'ilay sipako moa efa maty fa tany amin 'ny zokiny izy no nipetraka teo aloha teo fa nisy olana b sy fifamaliana tamin zareo dia nangataka ipetraka iaraka amiko izy mandrapahitana solution, nanaiky moa aho na dia mbol tsy vita nininona aza izahay, satria izaho mipetraka irery fa ny ray amanreniko any am faritany, Izy moa tsy mbola mianatra fa miandry fidirana eny ankatso @ volana martsa ka mijanona miandry ahy ato antrano izy fa izaho no mande miasa.Manana namana izy, fa tsy d tena oe akaiky be azy fa ny ataony dia ao antrano foana mi surf sy mijery tv amzao d mikarakara ny trano. Misy cousin-ny izay iany no mpandalo ao indray2, marihiko fa io vehivavy io dia olona manaja ahy, mivavaka ary tsy tia resaka somary "salé" reny fa tena anariny enao raha vao miteny na miresaka otrzany, ary raha misy namany ao am fb mitady hanadala azy avy atrany dia blokeny. Asehony ahy mihitsy zany hoe olona atokisana izy ary tsy hamitaka ahy fa azoko atokisana tsara. Ny olana anefa dia misy miresaka @ ray amandreniko sy ny fianakaviako hoe aza avela manambady an io ny zanakareo fa olona maditra b io, ty lehilahy, sns. Araky ny voalazako tery ambony dia misy cousin any mandalo ndray2 ao mamangy azy, izay mitovy taona aminy, ndray2 tratrako ao antrano fa matetika moa efa lasa izy fa noteneniny ahy fotsn oe nandalo teo i xxx, ay ve hoy aho, izaho dia matoky azy hatrany. Dia misy mpanampin' olona eto akaiky eto ndray koa amzao milaza fa mahita azy sy io cousin any io avy eny am tranon zareo mifamihina ato atranoko ka milaza io mpanampy io fa oe tsy cousin any io fa tena sipany, ka tsy aiko raha mandainga io olona io milaza mahita an zany na tena zaho no jamba diso mahatoky loatra, fa dia tena marina anefa fa cousin any io, ary raha ny toetrany sy ny fietsiny dia tsy manao anzany mamihina azy zany mits refa eo za. mbola tsy ananako porofo mazava aloha ny zvt otrzany fa ny hitako dia ny toetrany tsara miaraka amiko atramzay sy hoe olona mivavaka. Ka mba mangataka torohevitra aminareo zaho raha mba misy manana tompoko, hoe tokony alefako mande ve izy nefa raha zany d tsy ho hitako ny tena toetrany satria vao maika any am tsitan'olona any, dia ahoana no fomba tena ahitako ny marina momba azy, misaotra tompoko.