• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Wwf Madagascar
Image
Vaovao

Sambava : Hikojakoja ny ala ireo olona manana fahasembanana

15/04/2025 14:50 © Moov

Tsy ho tanteraka ny fiarovana ny zava-manan'aina raha tsy misy ny fandraisana anjaran’ny karazan’olona rehetra eo amin’ny fiaraha-monina. Izany indrindra no nitarihan’ny WWF Madagasikara, izay miara-miasa amin’ny COPH (Collectif des Organisations des Personnes en situation de Handicap), ny atrikasa naharitra roa andro tany Sambava ny 11 sy 12 avrily lasa teo.

Ny tanjona dia ny hampahafantarana sy hifampidinihana ary hampidirana ireo olona manana fahasembanana ao anatin’ny mpisehatra amin’ny fitantanana ny ala maharitra. Ity farany ity izay matetika hatokana ho andraikitry ny fokonolona tsotra fotsiny.

Fampiofanana mpisehatra 25

Mpisehatra miisa 25 no nandray anjara tamin’izany hetsika izany, izay niompana tamin’ny fampiroboroboana ny zo sy ny andraikitry ny olona manana fahasembanana amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Naseho nandritra izany ny hetsika hataon’ny Vondron’Olona eny Ifotony (VOI), ny famolavolana ny Drafitr’asa isan-taona (PTA) ho an’ny taona 2025, sy ny famantarana ireo sakana lehibe amin’ny fandraisan’anjaran’ireo olona manana fahasembanana mahomby.
Nandritra izany no nanamarihan’ny WWF ny maha-zava-dehibe ny fizarana ara-drariny tsy misy fitanilana ny tombontsoa azo avy amin’ny ala. Eo ihany koa ny fahazoana mandray fanapahan-kevitra ho an’ny rehetra, mikasika ny fitantanana ny ala. Tokony samy afaka mandray anjara mavitrika amin'ny fiarovana avokoa ny vehivavy, ny tanora, ny manam-pahefana eo an-toerana, fa indrindra ihany koa ireo olona marefo toy ny olona manana fahasembanana.

Rariny ara-tsosialy

Tsy tokony hasiana tombo sy hala ny adidy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tanjon’ny mpikarakara araka izany nandritra ity atrikasa ity ny handefa hafatra mafonja : « ilaina rariny ara-tsosialy ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana ». Araka izany, samy ampidirina ho mpandray anjara avokoa ireo mpisehatra rehetra mba hampahomby kokoa ny asa rehetra, ho tanterahina manodidina ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires