• Cours de change
  • 5057.28 AR
  • |
  • $4555.71 AR
Copyright Image : © Cuisine Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « poulet pané » matsiro sy mikarepoka tsara

10/04/2025 21:21 © Moov.Mg

Nahandro iray isan’ny matsiro ary be mpankafy ny «poulet pané ». Azo atao laoka, hoanina miaraka amin’ny salady, paty… ary afaka atao tsakitsaky ihany koa izy io. Ho an’ireo tia mikarakara sakafo ao an-trano ary dia atoro eto ny fomba tsotra fanaovana « poulet pané » matsiro sy mikarepoka tsara.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « poulet pané »

-Akoho 1,5kg ;
-Ranona voasary makirana 1 vera ;
-Tongolo gasy hasiny 4 ;
-Chapelure 1 vera ;
-Atody 2 ;
-Lafarina 1 vera ;
-Moutarde 1 sotrokely ;
-Thym ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Menaka hanendasana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana ny akoho, tetehana araka ny habeny hitiavana azy ary avela hitsiaka anaty passoire.
Atao anaty koveta na saladier lehibe ny akoho efa nitsihika teo. Arotsaka ao manarak’izay ny tongolo gasy voakiky, ny thym, ny moutarde ary ny sira sy dipoavatra. Araraka ao ihany koa ny ranona voasary makirana. Aroharohana hifangaro tsara daholo. Saromana film alimentaire ary avela hilona mandritra ny adiny 3 ora.
Hafanaina ny menaka anaty vilany saba na lapoaly.
Atao anaty lovia ny lafarina. Atao anaty lovia hafa ny chapelure. Kapohana anaty lovia jobo ny atody ary asiana sira kely. Alaina tsirairay ny akoho. Atsoboka anatin’ny lafarina, atao mihosotra tsara. Avy eo atsoboka anatin’ny atody ary farany anatin’ny chapelure.
Endasina avy hatrany ny akoho avy nasiana lafarina, atody sy chapelure teo. Atao mendimendy tsara ny lafiny roa. Rehefa masaka dia tsihifina tsara vao atao ambonin’ny plat. Aroso mafana !

Lire la suite

Articles Similaires