Ny tsara fantatra mikasika ny « Leucémie myéloïde chronique » (LMC)
Marihana isan-taona ny faha 22 septambra ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanentanana momba ny « Leucémie myéloïde chronique » na LMC. Izy io dia karazana homamiadan’ny rà sy ny tsokan-taolana (moelle osseuse) izay mivoatra miadana amin’ny ankapobeny. Noho ny fandrosoan’ny fitsaboana dia azo fehezina tsara mandritra ny fotoana maro ity aretina ity ho an’ny marary maro.
Inona ny atao hoe « Leucémie myéloïde chronique » ?
Ny LMC dia aretina iray mahatonga ny tsokan-taolana hamokatra sela fotsy betsaka loatra sy tsy ara-dalàna amin’ny rà. Ireo sela ireo dia avy amin’ny antsoina hoe “lignée myéloïde”, izay mandray anjara amin’ny famokarana karazana sela maro ao amin’ny rà.
Matetika ny olon-dehibe no tratran’ity aretina ity, ary tsy fahita firy izy io amin’ny ankizy. Mivoatra miadana ihany izy io amin'ny ankapobeny, ka izany no mahatonga ny olona sasany tsy hahatsapa soritr’aretina mihitsy amin’ny fotoana ahafantarana fa voany.
Inona no mahatonga ny LMC ?
Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia avy amin’ny fiovana ara-pototarazo manokana antsoina hoe « chromosome de Philadelphie » no mahatonga LMC. Izany dia vokatry ny fifanakalozana ampahany amin’ny « chromosome » faha-9 sy faha-22.
Io fiovana io no miteraka fototarazo tsy ara-dalàna antsoina hoe BCR-ABL1, izay mamokatra « protéine » mahatonga ireo sela voan’ny aretina hihamaro tsy voafehy. Marihina fa tsy aretina nolovaina avy amin’ny ray aman-dreny ny LMC fa mipoitra mandritra ny androm-piainan’ny olona.
Inona avy ireo soritr’aretina mety hiseho?
Amin’ny dingana voalohany dia mety tsy hisy soritr’aretina mihitsy ny « leucémie myéloïde chronique ». Matetika aza mandritra ny fitiliana rà natao noho ny antony hafa izy io no hita tampoka. Raha misy soritr’aretina kosa dia ireto manaraka ireto no mety ho hita:
-Havizanana maharitra ;
-Fihenan-danja tsy nahy ;
-Hatsembohana be amin’ny alina ;
-Fahatsapana fahalemena ;
-Fahatsapana mora voky rehefa misakafo.
-Fanaintainana na fahatsapana tsy mahazo aina eo ambanin’ny taolan-tehezana ankavia noho ny fivontosan’ny « rate ».
Tsy voatery hidika ho LMC anefa ireo soritr’aretina ireo satria mety hitranga amin’ny aretina maro hafa ihany koa.
Ahoana no hamantarana azy?
Mety hanao fitiliana maromaro ny dokotera, toy ny:
-Fanisana sy fandinihana ny sela ao amin’ny rà (NFS).
-Fandinihana ny tsokan-taolana amin’ny tranga sasany.
-« Tests génétiques » na « moléculaires » hitadiavana ny fototarazo BCR-ABL1 na ny « chromosome de Philadelphie ».
Ireo fitiliana ireo no manamarina ny fisian’ny aretina sy manampy amin’ny fisafidianana ny fitsaboana mety.
Ireo dingana samihafa amin’ny aretina LMC
Amin’ny ankapobeny dia mivoatra manaraka dingana maromaro ny LMC :
-« Phase chronique » na dingana mitaiza. Io no dingana ahitana ny ankamaroan’ny marary amin’ny fotoana hamantarana ny aretina. Matetika dia vitsy ny soritr’aretina ary mahomby tsara ny fitsaboana.
-« Phase accélérée » na dingana mandroso. Mihamaro kokoa ireo sela tsy ara-dalàna ary mivoatra haingana kokoa ny aretina.
-« Phase blastique ». Io no dingana faran’izay mandroso, ka manjary mitovitovy amin’ny « leucémie » mahery vaika (leucémie aiguë) ny toetry ny aretina ary sarotra kokoa ny mitsabo azy.
Inona avy ireo fitsaboana misy?
Ny fitsaboana fototra amin’izao fotoana izao dia ny « inhibiteurs de la tyrosine kinase » (ITK). Ireo fanafody ireo dia mikendry mivantana ilay « protéine BCR-ABL1 » tompon’andraikitra amin’ny aretina.
Anisan’ny fanafody ampiasaina ny Imatinib, Dasatinib, Nilotinib, Bosutinib ary ny Asciminib. Nampivoatra be ny vinavinan’ny marary ireo fitsaboana ireo. Maro amin’ireo voan’ny LMC no afaka miaina am-polony taona maro miaraka amin’ny fanaraha-maso ara-pitsaboana sy fitsaboana tsy tapaka.
Amin’ny toe-javatra sasany dia mety ilaina ny famindrana sela fototra mpamokatra rà (greffe de cellules souches).
Raha ny eto Madagasikara manokana moa dia efa misy fitsaboana ny LMC any amin'ireo ivon-toeram-pitsaboana manokana momba ny homamiadana sy ny aretin’ny rà eto Antananarivo. Na dia efa misy aza ireo marary notsaboina sy narahina teto an-toerana dia tsapa fa mety mbola voafetra ny fahazoana fitsaboana sasany sy ny fanaraha-maso « moléculaire » raha oharina amin'ny any ivelany.
Nahoana no ilaina ny fanaraha-maso tsy tapaka?
Na dia mandeha tsara aza ny fitsaboana dia ilaina hatrany ny manao fitiliana tsy tapaka. Izany dia ahafahan’ny dokotera manara-maso ny habetsahan’ny fototarazo BCR-ABL1 ao amin’ny rà sy mamantatra raha voafehy tsara ny aretina.
Tena zava-dehibe ihany koa ny fihinanana ny fanafody araka ny toromarika, satria mety hampihena ny fahombiazan’ny fitsaboana ny fanadinoana matetika.




