Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 24 hatramin'ny 30 marsa 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 24 marsa hatramin'ny alahady 30 marsa.
29 marsa # Fahombiazana ireo hetsika fankalazana rehetra
Herinandro mahery no naharetan'ny fankalazana ny faha-78 taonan'ny tolompanafahana 1947. Ho an'ny teto an-drenivohitra, nisy ny fampirantiana tantara nisokatra ho an'ny besinimaro. Nisitraka izany ihany koa ireo mpianatra. Ny andron'ny sabotsy 29 marsa, nanatitra voninkazo teny amin'ny Fasan'ny Maherifo Avaratr'Ambohitsaina ny Filoham-pirenena, notronin'ireo olom-panjakana voafidy sy voatendry.
Tany Moramanga indray, nisy ihany koa ny fametrahana voninkazo teny amin'ny Tsangambaton'ny maherifo. Nampiavaka ny fankalazana ny fanokanana ny Akany Fiadanantsoa, toerana fandraisana ireo zokiolona. Ireo beantitra nandray anjara mivantana na ankolaka tamin'ny tolona 1947 no ampiantranoina sy karakaraina ao. Tsara ny manamarika fa maromaro ireo toerana nandray ny fankalazana ankoatra an'Antananarivo sy Moramanga, ka anisan'izany Manakara sy Morondava.
Taombaovao Malagasy # Naresaka ny fankalazana tamin'ny toerana maro
Mitombo isan-taona ireo mpankalaza ny Taombaovao Malagasy. Niha-maro ireo vondrona na fikambanana nikarakara hetsika samihafa. Tomefy olona na ny teny Manjakamiadana, Mahamasina, Ambohidrabiby, Ambohidratrimo, sns. Ny sabotsy 29 marsa no nanatanterahana fanaovam-beloma ny taona tamin'ny alalan'ny Afo tsy maty sy ny arendrina. Omaly alahady 30 marsa kosa no andron'ny Taombaovao Malagasy. Tamin'ny ankapobeny, tsodrano no natolotra mba ho meva ny taona. Nisy ihany koa ny fiarahana nihinana vary amin-dronono tondrahin-tantely sy nofon-kena mitam-pihavanana. Ho an'ny teto Antananarivo sy ny manodidina, tsy vitsy ireo olona nanao fitafiana gasigasy, saika mena sy fotsy, ny faran'ny herinandro teo.
Tsara ny manamarika fa tsy ny teto Antananarivo sy ny manodidina ihany no nankalaza ny Taombaovao Malagasy. Nahitana fety makotroka tany Tsiroanomandidy, Ambatondrazaka, Toamasina ary Antsirabe.
Kolontsaina # Andro manerantany ho an'ny Teatra
Ankalazaina isaky ny 27 marsa ny andro manerantany ho an'ny Teatra. Ho antsika teto Madagasikara, fifaninanana teatra nandraisan'ireo mpianatra avy amin'ny sekoly manodidina an'Antananarivo anjara no nentina nankalazana izany andriany tetsy amin'ny Ivokolo Analakely.
Tropy 11 no nandray anjara. Lohahevitra tamin’ny fifaninana ny ady amin’ny kolikoly, ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy ary ny ady atao amin’ny doro tanety sy ny doro ala. Nandrombaka ny laharana voalohany tamin'izany fifaninana teatra izany ny tropy avy amin'ny"Educ Plus théâtre", izay nahazo lelavola 1 tapitrisa ariary. Ny mpianatra avy amin'ny lisea J J Rabearivelo no nahazo ny faharoa ary ny fahatelo kosa ny avy amin'ny CEG Andramasina. Ankoatra ny lelavola dia mahazo fitsidihana ny rovan'Ambohimanga maimaimpoana ny mpandray anjara rehetra.
Tontolon'ny nomerika # Atrikasa Digital Readiness Assessment
Nandray anjara tamin'ny atrikasa momba ny fahavononana nomerika (DRA), fanombanana ny fahavononana nomerika i Madagasikara. Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra no niatrika izany.
Napetraka teo amin'ny firenena maherin'ny 40, ity fitaovana stratejika ity ahafahana manombana ny toetry ny nomerika sy ny tontolony hamantarana ireo fanoitra hitondra fanovàna. Tanjona ny hamolavola tondrozotra mifanaraka amin’ny zava-misy sy laharam-pahamehan’ny firenena amin’ny fanovàna nomerika. Nanomboka tamin’ny volana febroary, ny fifampidinihana izay nampivondrona ny manampahaizana eo amin' ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny fampianarana ary ny sampan-draharaham-panjakana hiara-manorina izany vina stratejika izany.
Alefa Madagascar # Lalao baolina kitra niombonan'ny olo-malaza maro
Tontosa ny alarobia 26 marsa lasa teo ny "match de gala pour la jeunesse" izay nifanandrinan'ny All-Stars Madagascar sy ny Team Héros. Ny All-Stars Madagascar moa dia ivondronan'ny Coach Roro, Andriatsima Faneva Ima, Abel Anicet, Voavy Paulin, Hajanirina Harisoa Muriel, Shyn, Ceasar, sns. Ny Team Heros kosa dia nahitana ireo mpilalao baolina kitra kalaza manerantany fahiny toa an'i Robert Pirès, Jay Jay Okocha sy Christian Karembeu. Ny vola rehetra azo tamin'izany moa dia entina manao asa soa. Hahazo tombony manokana ny eny amin'ny CEG Ambohipo, izay hisitraka fanavaozana fotodrafitrasa.
Fandraisana ny fivoriamben'ny COI # Fanadiovana tanterahin'ireo Ministera
Miara-mientana ny Governemanta amin'ny fandraisana ny fivoriam-ben'ireo firenena eto amin'ny ranomasim-be Indiana ny volana Aprily ho avy izao. Misy ny fanatsarana sy fikarakarana ny fotodrafitrasa, ny fiarovana ary ny fanarahana ny fepetra ara-tontolo iainana rehetra, mba hahazoana antoka fa ho tanteraka soa aman-tsara sy mahomby ny fivoriambe. Natomboka ny zoma 28 marsa lasa teo ny hetsika "Tagnamaro". Ny ministeran'ny Toekarena sy ny Fitatanambola ohatra dia nanadio teny amin'ny faritra Antsahavola sy Ambatomena. Ny mpiasan’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa kosa dia nanadio teny Ankorondrano sy ny manodidina.
Fiakaran'ny rano # Nanolotra fanampiana ireo traboina ny Communauté Borah
Raha tsiahivina, niakatra indray ny rano tany Atsimondrano tamin'iny herinandro lasa iny. Nisy mihitsy ny fefiloha vaky ka maro ireo traboina. Nisy ny trano nirodana, simba na dibo-drano.
Olona 1 400 traboina sy tradoza ao amin'ny site d'hébergement Ampitatafika eny Atsimondrano, olona 800 ao amin'ny EPP Maroroho ary olona 700 eny amin'ny 3G Hangar no nisitraka sakafo mafana avy amin'ny Communauté Daoudi Borah. Ny Pretra Mehlam, izay solotenan'ny Papa Ray masina Borah, no nitarika an'ireto Mpanao asa soa ireto izay nilaza ny maha-zava-dehibe ny fifanomezan-tanana amin'ny fotoan-tsarotra toa izao. Tafiditra tao anatin'ny volana masina ramadan rahateo izany.
EPP Ankorondrano # Tontosa ny fanatsarana ny fotodrafitr'asa
Alakamisy 27 Martsa. Vita soa aman-tsara ny fitokanana ny EPP Ankorondrano, vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ireo vondrona mpiara-miombon’antoka toy ny Fondation VISEO.
Ramatoa Ben’ny Tanàna, Harilala Ramanantsoa, izay nanotrona ny lanonana, dia nanamafy fa laharam-pahamehan’ny CUA ny fanabeazana. Miandraikitra sy mikolokolo ireo EPP 93 eto an-dRenivohitra ny Kaominina, ary fanamby ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa rehetra. Notsindriany ihany koa fa 70%-n’ny EPP eto Antananarivo mbola tsy manana toeram-pidiovana manara-penitra, ka hojerena akaiky izany mba hanatsarana ny tontolon’ny fianaran’ny ankizy.
Ambohimanga # Mpamboly sy mpidoroka zava-mahadomelina voasambotra
Olona miisa efatra, vehivavy ny iray, no nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin'ny fidorohana sy fipariahan'ny zava-mahadomelina ny 26 marsa lasa teo, teny Ambohimanga Rova. Loharanom-baovao avy amina olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ireto mpamboly rongony « skunk » ireto. Marihana fa tratra teo an-tanimboly, mbola mikarakara ireo rongony ireto olona voasambotra ireo. Milanja 30g ny « skunk » tratra ary fototra 92 no hita teo an-tokotany ankoatran'ny fonosana héroïne miisa telo.
Fianarantsoa # Ho vita amin'ny volana jona ny Coliséum
I Fianarantsoa no nanorenana ny coliseum faharoa lehibe eto Madagasikara, ao anatin’ny Pole urbain tanàna vaovao ao Ambatomena. Mafy sady lehibe ary mahazaka mpijery 25 000 hatramin'ny 30 000 ny gradin sy eo anoloan’ny estrade. Efa eo am-pamitana azy ny asa, ka ny loge artiste, parking, toeram-pivoahana, lakandrano ary lalana miditra sisa no mila amboarina.
Amin'ny volana jona ho avy io no vinavinaina hahavitan'ny asa rehetra.
Hampiroborobo ny tanànan’ny Fianarantsoa izan fotodraitrasa izany, ary handray ireo hetsika rehetra ara-kolotoraly, ara-pinoana, ara-tsosialy sns...
Morondava # Fanatsarana ny tanàna manaraka ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe
Nitarika iraka fanaraha-maso farany tany Morondava ny MFFT, niaraka tamin’ny ONU-Habitat, ny 24 ka hatramin’ny 26 martsa 2025, ho fanakatonana ny ampahany voalohany amin’ny tetikasa AF/SEA MOR’AF. Tetikasa miisa (08) no voaraha-maso tao anatin’izany.
Nandritra izany dia voajery manokana ny tetikasa madinika valo (08) izay natsangana ho fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe. Anisan’ny zava-bita nojerena ny fanamboarana ny trano ho fialofana vonjimaika sy ivon-toerana fanofanana,
ny rafitra fandroahana rano maloto ao afovoan-tanànan’i Morondava ary ny fanamboarana lalana sy tetezana maromaro (Ambalarao, Bemokijy, Rapiera).
Ambanja # Vehivavy iray nahatratrarana rongony 20 kilao
Voasambotry ny Polisimpirenena ny tolakandron’ny 27 Martsa tao anaty fiara fitateram-bahoaka tany Ambaiboho, distrikan’Ambanja, ny vehivavy iray izay saika hitondra rongony nafenina tao anaty valizy hoentina any Ambondromamy.
Loharanom-baovao azo avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra ity vehivavy ity. Fantatra tamin'ny fanadihadihana fa sady mivarotra "friperie" no manao ity fitadiavan-karena voararan'ny lalàna ilay vehivavy. Rongony 50 fonosana milanja 20 kg nafenina tao anaty valizy moa no tratra teny aminy.
Sambava # Mpanampy an-trano nangala-jaza
Renim-pianakavina iray no tonga nampahafantatra ny Polisy miasa ao Sambava noho ny fahaverezan'ny zanany vao tapabolana monja, ny 25 marsa lasa teo, tao amin'ny Fokontany Antanifotsy, Sambava. Napetrany tamin’ny mpanampiny tao an-trano io zaza io raha izy nivoaka tsy lavitra ny trano kanjo rehefa niverina dia tsy hitany tao ny zaza sy ny mpanampy.
Ny ampitson'io ihany dia hitan’ny fokonolona teny Mandegny, kaominina Maroambihy, ilay mpanampy niaraka tamin’ilay zazakely. Nampandre ny Polisy avy hatrany ireo fokonolona ka tonga teny an-toerana ny Polisy nijery ny zava-misy sy nisambotra ilay mpanampy nangala-jaza.