Taombaovao Malagasy : Fidiovana sy Tsodrano ho an'ny rehetra
Alahady 30 marsa 2025 - Taombaovao Malagasy. Andro tsara, alahamady, fanombohana vina miavaka, na arak'asa, na ara-pianakaviana.
Sarasara tsy ambaka
Ho arivo tratry ny taona
Hanjary avokoa izay atao
Ny mamboly hahavokatra
Ny miompy hahavanona
Samia ho soa isika rehetra
Fidiovana sy fanadiovana
"Nouvelle lune" isika izao, araka ny fanisan'andron'ireo mpijery volana. Fanisana ara-tsiantifika moa izany fa tsy fanompoan-tsampy velively. Noho izany, fanamasinan-tena izao andro voalohany amin'ny taona izao. Efa maro tokoa ireo nahavita nidio, araka ny fombany avy tamin'ny taon-dasa, nefa azo tohizana tsara izany. Tsy ny loton'ny vatana ihany mantsy no mila esorina.
-Mikarakara ny ara-panahy : na inona na inona finoana, fotoana hanandratana fangatahana izao vanim-potoana izao. Amporisihana ny fitokanam-bavaka amina toerana mangina. Azo atao tsara ny mandrehitra labozia sy emboka manitra rehefa mivavaka.
-Diovina ny fo : ialana ny alahelo, ny lonilony sy ireo zava-dratsy rehetra manavesatra. Ilaina araka izany ny famelan-keloka, eny fa na dia tsy mety mihavana aza ilay olona ananana alahelo.
-Diovina ny trano : esorina ny loto rehetra, ka tsara raha manakisaka fanaka mihitsy. Ariana izay zavatra efa simba, na amboarina raha azo atao. Azo atolotra ny hafa ihany koa izay fitafiana, kiraro na fitaovana tsy ampiasaina intsony. Tsara raha ampirehetana afo ao an-tokantrano, indrindra raha naka Afo Tsy Maty.
Tsodrano
Ireo ray aman-dreny no manolotra Tsodrano ho an'ireo zanaka, tahaka ny fanao mahazatra isan-taona. "Tsodrano zava-mahery", hoy isika Malagasy, ka na tsy misy antony lehibe aza, toy ny fanorenana trano, dia azo atao foana ny mitso-drano. Azo atao ihany koa ny mifampi-tsodrano, mba hiodonan'ny soa amin'ny tsirairay. Tsy fahadisoan'ny zanaka mihitsy ny mitsodrano sy mirary soa ny ray aman-dreny, toy ny ataon'ny zandry amin'ny zoky.
Amporisihana izany ny fifamangiana na fiarahan'ny mpianakavy. Mbola andro tsy fiasana rahateo rahampitso alatsinainy 31 marsa ka heverina fa malalaka tsara ny fotoana na ho an'ny mpiasa na ho an'ny mpianatra. Azo atao tsara ny mikarakara hanimpitoloha Malagasy, ka tsy maintsy tafiditra ao anatin'io ny fikirakirana hen'omby.