• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voandalana Voyageur
Image
Madagasikara

FITAMPOHA 2026 - Sakalavan'i Menabe : 20 hatramin'ny 29 aogositra, any Belo Tsiribihina

09/08/2026 21:53 © Moov

Ho tanterahina ny alakamisy 20 aogositra hatramin'ny sabotsy 29 aogositra ny Fitampoha 2026, fomba mampiavaka ny fanjakana sakalavan'i Menabe, tarihin'ny Ampagnito Harea Tinahy Tsialia Georges Kamamy.

Isaky ny 5 taona eo ho eo ny Fitampoha ho an'ny Sakalavan'i Menabe : ny 4 hatramin'ny 12 aogositra 2022 no nisy Fitampoha farany, ka miverina indray izany izao taona 2026 izao. Miavaka ity fankalazana ity satria Fitampoha voalohany hampandroana ny ampahany amin'ireo sisan-taolana fenon'ny Ampanjaka TOERA, izay nampodiana tamin'ny taona 2025 ny karandohany.

Fandaharam-potoana feno

Ny alakamisy 20 aogositra ho avy izao ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Fitampoha 2026. Hiarahana amin'ireo mpitondra ara-drazana Sakalava sy ireo manam-pahefana izany, ka hisy famonoana omby. Amin'io andro voalohany io ihany no hanokafana ny "Valamena" sy hisakafoanana manoloana ny "Zomba". Ny hariva maty mansoandro no hanombohana ny "Tsaky Motro", izay fotoana hiaretan-tory manodidina ny afo, hivavahana sy hiantsoana ireo fanahin'ireo Dady. Ny andro faharoa, zoma 21 aogositra, no hitondrana ireo relika any Ampasy. Ny zoma 28 aogositra kosa nefa vao hampandroina any amin'ny reniranon'i Tsiribihina ireo ampahan-taolan'ireo dady ireo. Ny andro farany, izany hoe ny sabotsy 29 aogositra, dia hampodiana any Belo Tsiribihina ireo relika.
Maro ny hetsika ara-koltoraly ho tanterahina, ka anisan'izany ny fandefasana horonantsary mikasika ny fametrahana ny Ampagnito Sakalava sy ny Fitampoha 1978. Tsy adino ny dihy sy antsa Sakalava, ny kilalao nentim-paharazana ary ny fifanakalozana ara-kolontsaina. Hisy ihany koa ny Morengy, fanatanjahantena nentim-paharazana Malagasy.

Fitampoha sa Fanompoambe ?

Raha vao manonona hoe "Fitampoha" dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny foko Sakalava, mandrakotra ny tapany Andrefan'i Madagasikara. Nisaraka roa nefa ny fanjakana, ka misy ny any Menabe (malaza sy resahina kokoa) ary misy ny avy any Boeny : Sakalavan'i Menabe sy Sakalavan'i Boeny. Taona vitsy izay, noho ny fandrosoan'ny teknolojia, vao niha-fantatry ny Malagasy manerana ny nosy ny mikasika ny Sakalavan'i Boeny. Isan-taona, mikarakara ny "Fanompoambe" izy ireo, antsoina ihany koa hoe "Fitampohan'ny efa-dahy manankasina".
Araka izany, ny "Fitampoha" dia tononina any amin'ny Sakalavan'i Menabe, ary ny "Fanompoambe" kosa dia anavahana ny Sakalavan'i Boeny. Amin'ny ankapobeny, mitovy ny votoanton'ny lanonana, dia ny fampandroana ny ampahany amin'ireo sisan-taolan'ireo Dady. Maromaro kosa nefa ny fomba sy ny fanao ary ny finoana tsy mitovy. Any Menabe ohatra, andro fady ny alatsinainy, nefa ny any Boeny dia tsy fady izany sady nanatanterahan'izy ireo ny Fanompoabe 2026 (alatsinainy 27 jolay).Miato ireo fandaharam-potoana rehetra amin'ny Fitampoha 2026 ny alatsinainy 24 aogositra.

Fepetra sy fadifady ?

Tsy ho an'ireo Sakalava ihany ny Fitampoha. Asaina avokoa ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy, ireo mila ravin'ahitra any ivelany sy ireo teratany vahiny. Antsoina manokana ireo mpianatra/ mpikaroka kolontsaina, fiaraha-monina ary siansan'ny maha-olona.
Misy kosa nefa ireo fepetra tsara ho fantatra, mba hisian'ny fifanajana. Fady ondry sy kisoa ny any Menabe, ka tsara raha tsy mihinana ny henan'ireo biby ireo raha hanotrona ny Fitampoha. Asaina ny rehetra hanomana sikina ary tsy hitondra satroka. Ho an'ny vehivavy manokana, randranina madinika ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires