• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov-Ia
Image
Madagasikara

14 oktobra 2026 : Faha- 68 taona ny nahaterahan'ny Repoblika Malagasy

14/10/2026 09:51 © Moov

Ankalazaina androany 14 oktobra 2026 ny fahatsiarovana faha-68 taona nahaterahan’ny Repoblika Malagasy. Tsara raha iverenana ny tantaran'izany andro manan-danja izany. Inona marina no tena nitranga ?

Miavaka ny fankalazana ny faha-14 oktobra amin’ity taona 2026 ity. "Fête nationale de la liberté" no anarana Fitondrana fanavaozana ity andro ity, izay nomarihan’ny didim-panjakana fa marihana toy ny fetim-pirenena mihitsy manomboka amin'ity taona ity.
Fahaterahan’ny Repoblika Malagasy
Dingana nankany amin’ny fahafahana ny fanambarana ny Repoblika Malagasy. Tsy mbola nahaleotena tanteraka i Madagasikara satria mbola tao anaty vondrona frantsay : "République autonome au sein de la communauté française".
Ny 28 septambra 1958, nisy ny fitsapan-kevitra mikasika ny lalàna Frantsay, izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Rehefa nandresy ny « eny », afaka nifidy mikasika ny fanorenana ny Repoblika i Madagasikara, tamin’ny alalan’i Norbet Zafimahova (UDSM), mpikambana tao amin’ny antenimierandoholona frantsay. Ny tenany no nitarika ny fifidianan’ny kongresy ny 14 oktobra 1958, teny amin’ny Lisea Andohalo. Tamin’io andro io no nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany, ka i Philibert Tsiranana (PSD) no lohan’ny governemanta vonjimaika. Notapahina ihany koa ny mikasika ny sainam-pirenena sy ny hiram-pirenena. Marihana nefa fa tamin’ny 21 oktobra vao naseho vahoaka ny sainam-pirenena Malagasy, izay noforonin’i Andrianome Ranaivoson, mpiasa teo anivon’ny Institut Géographique National Malgache.
Mazava hoazy, taorian’ny fahaterahan’ny repoblika malagasy dia nivoaka ny didy manafoana ny fanjanahana an’i Madagasikara. Tsy nanankery intsony ny didy nivoaka tamin’ny 6 aogositra 1896.
Fanamarihana :
-Samy mpanorina sy mpikambana tao amin'ny Parti des déshérités de Madagascar (PADESM) i Norbert Zafimahova sy Philibert Tsiranana, tamin'ny taona 1946. Rehefa nandeha ny hetsika sy ny fotoana, nisy ny tsy fitoviam-pijery, ka vaky roa izany antoko izany.
-Nitahiry foto-kevitra teo aloha (traditionaliste) i Norbert Zafimahova ka nanorina ny Union des démocrates sociaux de Madagascar (UDSM). Nirona kokoa tamin'ny sosialisma sady nampiditra fijery vaovao kosa i Philibert Tsiranana tamin'ny alalan'ny Parti Social Démocrate (PSD).

Fahafahana tanteraka

Ny 26 jona 1960 vao nahaleotena i Madagasikara, ka lasa repoblika tsy miankina amin’ny vondrona frantsay intsony. Nanditra ny roa taona teo ho eo, izany hoe teo anelanelan'ny volana oktobra 1958 sy ny jona 1960, maromaro ireo dingana nolalovan'i Madagasikara.
Tamin'ny 29 aprily 1959 no lany ny lalam-panorenana malagasy voalohany. Ny 1 may kosa no nandanian'ireo parlementera an'i Philibert Tsiranana, efa mpitondra vonjimaika, ho filoham-pirenena. Rain'ny fahafahana na "père de l'indépendance" no anaram-petak'io filoha voalohany io. Tsy nanafina ny fankasitrahany ny Général de Gaulle ny tenany, noho ny fahatsapany fa mbola marefo tanteraka i Madagasikara, na teo amin'ny lafiny fitantanana na teo amin'ny sehatra ekonomika sy sosialy. Nisy moa ny fifanarahana mikasika ny fampitana fahalalana sy fiaraha-miasa amin'ny Lafrantsa, ny 2 aprily 1960. Azo lazaina izany fa marimaritra iraisana teo amin'ny firenena roa tonta no nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena.
Teny amin'ny Kianjaben'i Mahamasina no namoriana vahoaka ny 26 jona 1960. Nambara ampahibemaso ny fahaleovantena, sady napetraka tamin'ny fomba ofisialy ny filoham-pirenena vaovao. Teo amin'ny "Vatomasina" no nanambaran'i Philibert Tsiranana fa Firenena mahaleotena i Madagasikara. Mbola lany filoham-pirenena indroa mifanesy i Philibert Tsiranana taorian'izany, dia tamin'ny taona 1965 sy 1972. Raha ny volana janoary 1972 no nahalaniany indray ho filoha, ny volana may ihany dia efa nisy ny krizy nateraky ny tolona notarihan'ireo mpianatra. Ny volana oktobra 1972 ny tenany no niala teo amin'ny fitondrana, taorian'ny fitsapankevibahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires