Sakafo ara-pahasalamana : ireo antony tsara hinanana « navet »
Legioma fakany tsy dia fihinantsika matetika ary ataontsika tsirambina ny « navet ». Maro nefa ny vokatsoa entin’izy io ho an’ny vatana sy ny fahasalamana. Manankarena otrikaina tena ilaina izy io ka tokony ampidirina anatin’ny sakafo andavanandro. Ireto avy ary ireo antony tsara hinanana ny « navet ».
Ireo vokatsoa azo avy amin’ny « navet »
Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny « navet ». Na dia maro amintsika aza no tsy dia tia ny tsiron’izy ity dia ilaina ny mihinana azy noho izy :
-Mitahiry vitamina C izay « antioxydant » manamafy ny hery fiarovana, manatsara ny fahasalaman’ny hoditra ary manafaingana ny fahasitranan’ny ratra ;
-Ahitana vitamina K izay tena ilaina amin’ny « coagulation » ny rà, ny fahasalaman’ny taolana ary ny fandrindrana ny « métabolisme » ny kalsioma ;
-Misy potassium izay mandray anjara amin’ny fandrindrana ny tosidrà sy ny fiasan’ny hozatra ary ny « nerfs » ;
-Be fibra izay manatsara ny fandevonan-kanina, mandrindra ny fiasan’ny tsinay ary manome fahatsapana fahavokisana.
Ahoana ny fomba fihinanana ny « navet » ?
Maro ny fomba afaka hinanana ny « navet » :
-Manta. Izany hoe sasana tsara ny « navet » avy eo kikisana na tetehana manify. Azo atao amin’ny salady izy io hanomezana tsiro masitsiaka sy mikarepoka azy ;
-Masaka. Azo ampiasaina amin’ny karazana nahandro maro samihafa ny « navet ». Afaka atao anaty lasopy, purées, gratins… ;
-Raviny sy tahony. Vitsy amintsika no mahafantatra fa azo hoanina tsara ny ravin’ny « navet ». Manankarena otrikaina ihany koa izy ireny. Afaka atao anatin’ny lasopy, salady na endasina atao saosy.