Volo simban'ny loko : Inona no azo atao ?
Anisan'ny fomba fikolokoloana endrika ny fanovana ny lokom-bolo. Tsy vitsy nefa ireo misedra olana rehefa voaloko ny volo, na dia loko tsara aza no ampiasaina.
Tapatapaka, vakivaky, mora miongotra ny volo voaloko nefa tsy mahazaka izany. Tsy vahaolana velively ny manao "brushing" na mampiasa "fer" mba hanafenana ny mety fahasimban'ny volo.
Fitsaboana volo
Tsy maintsy mampiasa vokatra natokana ho an'ny volo miloko ny vehivavy rehefa avy mandoko volo, indrindra ny Shampoing sy après-shampoing. Tena ilaina ihany koa ny sérum sy menabolo ho an'ny volo miloko.
Raha toa tsikaritra fa miharatsy ny kalitaon'ny volo, tsy maintsy atomboka avy hatrany ny fitsaboana. Kendrena mba ho "réparateurs" avokoa ny vokatra ampiasaina. Amporisihina ny fampiasana menabolo sy sérum vita avy amin'ny akora natoraly, toy ny "argan", "jojoba" na "ricin". Raha azo atao dia anapahana kely ny volo, sady tsy ampiasana "brushing" sy "fer" aloha mandritra ny herinandro vitsivitsy.
"Masque" hitsaboana ny volo miloko simba
Raha toa ka tsy manana fahafahana hividy vokatra lafo dia lafo, na koa te hampiasa akora natoraly tsotr'izao, ity misy "masque" azo amboarina sy ampiasaina ao an-trano : fangarona tantely, voasary makirana ary huile d'olive.
Atao mitovy ny fatrana tantely sy huile d'olive arakaraka ny halavan'ny volo. Ampiana ranom-boasary makirana iray avy eo. Afangaro tsara ka atao amin'ny volo tsy mbola nisasa. Alona adiny iray, kobanina amin'ny rano mafana avy eo (mampiasa shampoing sy après-shampoing).





