• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ahoana no hamantarana fisolokiana amin'ny WhatsApp na Facebook?

16/10/2026 14:12 © Moov.Mg

Isan'ny tambajotra sosialy sy fitaovam-pifandraisana be mpampiasa indrindra eto amintsika ny WhatsApp sy Facebook. Mampalahelo anefa fa ampiasain'ny mpisoloky ihany koa izy ireny mba hangalarana vola, « informations personnelles » na kaontin'olona. Zava-dehibe noho izany ny fahafantarana ireo famantarana mety manondro fisolokiana amin’izy ireny mba hiarovan-tena.

Inona no mahatonga ny fisolokiana hiroborobo amin’ireo sehatra ireo ?

Hain’ireo mpisoloky ny maka ny fahatokisan’ny olona. Mba hahatongavany amin’izany matetika dia mody milaza ny tenany ho havana na olom-patatril’ilay olona izy, na koa milaza ho orinasa fantatra. Matetika ny hafatra alefany dia tena mirafidrafitra hany ka sarotra ny mamantatra izany avy hatrany hoe fisolokiana.
Amin’ny ankapobeny ny tanjon’izy ireny dia ny handrisika ny olona ho solikiana hiditra anaty rohy, hilaza ny momamomba azy (mot de passe, coordonnées bancaires…) na koa handefa vola. Rehefa toa « urgent » na mandresy lahatra be loatra ny hafatra dia ambony kokoa ny « risques » maha fisolokiana izany. Inona avy àry ireo famantarana tokony hampiahiahy ?

Hafatra mampatahotra na mampanao zavatra maika

Matetika ny mpisoloky dia mampiezaka anao handray fanapahan-kevitra haingana sy tsy ampiheverana.
Ohatra:
-"Hofoanana ato anatin'ny ora vitsy ny kaontinao."
-"Nahazo loka ianao, valio avy hatrany."
-"Mila vola maika ny havanao noho ny loza nahazo azy."
Raha manery anao hanao zavatra haingana ny hafatra iray dia mila mailo.

Tolotra tsara loatra ka sarotra inoana

Matetika dia fandrika fisolokiana ny tolotra tsara loatra toy ny : finday lafo vidy amidy mora be, loka lehibe, fanomezana maimaim-poana, na fampiasam-bola mampanantena tombombarotra haingana sy azo antoka. Fadio ny mino izany avy hatrany fa jereo hatrany ny loharano ofisialy.

Fahadisoana amin’ny fanoratana sy fehezanteny hafahafa

Matetika ny hafatra fisolokiana dia ahitana:
-tsipelina diso;
-fehezanteny tsy mazava na tsy voalamina tsara;
-teny nadika tsy araka ny tokony ho izy.
Na dia mihamahay aza ny mpisoloky amin'izao fotoana izao, dia mbola famantarana mahazatra ihany ireo voalaza ireo.

Fangatahana « informations personnelles »

Tsy tokony hangataka « informations personnelles » aminao amin'ny hafatra manokana ny orinasa matotra sy matihanina. Fadio arak’izany ny manome ireto zavatra manaraka ireto :
-tenimiafina (mot de passe);
-kaody fanamarinana voaray amin'ny SMS;
-antsipirihan'ny kaonty any amin'ny banky;
-laharan'ny karatry ny banky.

Rohy mampiahiahy

Alohan'ny hidirana rohy iray dia:
-jereo tsara ny adiresiny;
-hamarino raha tena an'ny tranonkala ofisialy ilay izy;
-tandremo ireo adiresy misy litera na tarehimarika hafahafa.
Mety hitovy endrika amin'ny tranonkala tena izy mantsy ny tranonkala sandoka.

Fisolokiana mahazatra amin'ny WhatsApp

-Misandoka ho havana mandalo fahasahiranana
Misy olona milaza ho havanao ary manambara fa niova laharana izy. Rehefa avy mifampiresaka elaela aminao izy dia mangataka vola noho ny olana lazainy fa maika.
-Halatra kaonty WhatsApp
Miezaka maka ny kaody fanamarinana alefan'ny WhatsApp amin'ny SMS ny mpisoloky. Raha omenao azy io kaody io dia afaka maka ny kaontinao izy.
-Fanomezana sy loka sandoka
Mahazo hafatra milaza ianao fa nahazo fanomezana na loka. Rehefa manindry ny rohy nefa ianao dia mety hangalarana ny mombamomba anao izany.

Fisolokiana mahazatra amin'ny Facebook

-Kaonty sandoka
Misy olona maka ny sary sy ny mombamomba ny olona iray ka mamorona kaonty mitovy aminy. Avy eo izy mifandray amin'ireo namany mba hangataka vola na vaovao manokana.
-Varotra hosoka
Ao amin'ny Marketplace na vondrona sasany, misy mpivarotra mangataka vola mialoha nefa tsy mandefa ny entana akory.
-Fampiasam-bola sandoka
Misy dokambarotra mampanantena tombombarotra haingana sy tsy misy « risques ». Rehefa mandefa vola nefa ny olona dia ataony « bloquer » avy eo very ihany fotsiny izany.

Ahoana no atao hiarovan-tena?

Ireto misy fepetra tsotra nefa mahomby:
-Aza manome tenimiafina na kaody fanamarinana mihintsy.
-Hamarino foana ny maha-izy azy ny olona mangataka vola.
-Antsoy mivantana amin'ny laharana mahazatra ny havanao raha misy fangatahana mampiahiahy.
-Alefaso ny fanamarinana mampiasa dingana roa (authentification à deux facteurs).
-Mitandrema amin'ireo tolotra mampanantena tombontsoa be loatra.
-Havaozy tsy tapaka ny rindranasa ampiasainao.

Inona no atao raha mieritreritra fa voasoloky?

Raha misy mampiahiahy:
-Atsaharo avy hatrany ny resaka.
-Aza manindry rohy intsony.
-Ovay ny tenimiafina raha efa nisy vaovao manan-danja nomenao.
-Tatero amin'ny WhatsApp na Facebook ilay kaonty na hafatra.
-Ampahafantaro ny havanao sy ny namanao raha misy naka ny kaontinao.

Lire la suite

Articles Similaires