• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahalalana Ankapobeny

Olona tara lava : inona no antony mety mahatonga izany ?

16/10/2026 15:38 © Moov.Mg

Matetika dia heverina ho mariky ny tsy fanajana na tsy fahafehezana fotoana ny fahatarana lava. Sarotra kokoa noho izany anefa ny antony mahatonga azy io. Marina fa mety vokatry ny tsy fifehezan-tena na fahazaran-dratsy fotsiny izao no anton’izany. Amin’ny tranga sasany kosa dia mety misy ifandraisany amin’ny fomba fiasan’ny atidoha izany. ‘Ndeha àry ho fantarina eto ireo antony mahazatra mahatonga ny olona ho tara lava.

Antony fahatarana lava : tsy fahaizana mandrefy fotoana tsara

Misy olona sahirana na tsy mahay manombana ny fotoana ilaina hanaovana zavatra iray. Mety izy hieritreritra fa ampy hiomanany ny 10 minitra, nefa raha ny tena izy dia mila 20 minitra na mihoatra mihintsy izy hanatanterahana izany. Vokatr’izany dia na miezaka ny ho tonga ara-potoana aza izy dia tara ihany hatrany amin’ny fiaingana.

Zatra miandry antomotra vao manao ny zava-drehetra

Misy olona miandry ny fotoana farany vao miomana na mamita zavatra alohan'ny hiaingana. Mety izy mbola hamaly hafatra iray farany, hanao asa kely hafa, na handamina zavatra tampoka. Na dia toa tsy sarotra na manan-danja loatra aza ireo asa madinika ireo dia mety hahatonga fahatarana minitra maro rehefa mitambatra.

Diso manantena na « optimiste » be loatra

Ny olona be fanantenana na « optimiste » be loatra dia mety hieritreritra fa handeha tsara avokoa ny zava-drehetra: tsy hisy fitohanana eny an-dalana, tsy hisy olana tampoka, hahazo fitateram-bahoaka avy hatrany izy… Mety hanampy amin'ny lafiny maro eo amin'ny fiainana izany toe-tsaina izany, saingy mety hitarika fahatarana matetika ihany koa.

Mora voasariky ny zavatra hafa

Anisan'ny antony lehibe mahatonga fahatarana lava amin'izao fotoana izao ny finday sy ny tambajotra sosialy. Indraindray dia minitra vitsy no kasaina hijerana ny hafatra miafina na hamaliana mailaka nefa lany tampoka eo ny antsasaky ny ora na mihoatra izany nefa tsy tsikaritra akory.

Mety hisy olana ara-pahasalamana mifandray amin'izany

Amin'ny toe-javatra sasany, ny fahatarana maharitra dia mety ho mifandray amin'ny aretina na fahasarotana sasany, toy ny tsy fahampian'ny fifantohana miaraka na tsy miaraka amin'ny fihetsiketsehana tafahoatra (TDAH). Ny olona manana io aretina io dia mety sahirana amin’ny fandaminana sy fitantanana fotoana. Tsy midika anefa izany fa manana olana ara-pahasalamana daholo ny olona tara lava.

Lasa fahazarana rehefa miverimberina

Raha tara matetika ny olona iray nefa tsy misy vokany ratsy lehibe eo aminy izany dia mety hivadika ho lasa fahazarana. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa fomba fiasa mahazatra ao aminy ny fahatongavana tara. Toy izany ihany koa ireo olona mahay miomana sy manomana mialoha, lasa mampivelatra fahazarana izy ireo hanampy azy ho tonga ara-potoana.

Azo atao ve ny mianatra ho tonga ara-potoana?

Eny. Misy fomba tsotra afaka manampy:
-Mametraka elanelam-potoana fanampiny 10 ka hatramin'ny 15 minitra.
-Manomana ny entana sy ny akanjo ny alin'ny mialoha.
-Mampiasa fanairana na fampahatsiahivana.
-Manombana amin'ny fomba tena izy ny fotoana ilaina hanaovana asa iray.
-Mampihena ny fanelingelenana amin'ny fotoana mahamaika.
-Atao an-tsaina hoe ny ora voatondro dia ora tokony hahatongavana fa tsy ora hiaingana.

Lire la suite

Articles Similaires