• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Tsara mitsako siligaoma rehefa avy niteraka nididy : inona no antony ?

14/03/2025 16:39 © Moov.Mg

Fihetsika iray efa be mpanao any ivelany ny mitondra siligaoma rehefa handeha hiteraka. Maro tokoa mantsy ireo vokam-pikarohana milaza fa tsara mitsako siligaoma ny vehivavy niteraka nididy na hoe natao « césarienne ». ‘Ndeha ho resahana eto ny tsara fantatra mikasika izany.

Ny fiantraikan’ny « césarienne » mbola vitsy mahafantatra

Maro ireo fiantraikan’ny « césarienne » efa fantatry ny maro ka anisan’izany ny fanaintainana eo amin’ny faritry ny kibo nodidiana. Misy ihany koa nefa ireo fiantraikany hafa mbola vitsy mahalala toy ny fiantraikany eo amin’ny fiasan’ny tsinay (gastro-intestinal). Rehefa avy nodidiana ny kibon’ny bevohoka amoahana ny zaza dia mety miato kely ny fiasan’ny tsinay, ka izay no atao hoe « iléus post-opératoire ».
Miverina miasa ihany ity farany rehefa afaka ora maro. Raha ela loatra nefa io fiatoana io dia mety lasa hanelingelina sy hanaintaina, ary mety hitarika fahasarotana hafa. Mety hangotika na hisy « crampes » ao amin’ny kibon’ilay vehivavy, mety ihany koa izy handoa, haloiloy, hitohana…

Inona no mety ho vokatsoan’ny fihinanana siligaoma rehefa avy niteraka nididy ?

Mba hisorohana ireo fiantraikan’ny fiterahana mididy eo amin’ny fiasan’ny tsinain’ilay vehivavy dia afaka mitsako siligaoma izy aorian’ny fiterahany. Mazava ho azy fa mila manontany ny hevitry ny mpitsabo vao manao azy io. Araka ny fikarohana notanterahana tamin’ny 2016 dia voamarina fa mandaitra amin’ny famerenana ny fiasan’ny taovam-pandevonan-kanina, indrindra ny tsinay, aorian’ny « césarienne » ny fitsakoana siligaoma.
Rehefa avy niteraka nididy ny vehivavy dia mila mandefa rivotra mba ahafantarana fa niverina niasa miasa ara-dalàna ny tsinay. Arak’ireo vokam-pikarohana dia mandefa rivotra aloha kokoa aoriany fandidiana ireo nitsako siligaoma taorian’ny « césarienne » raha oharina amin’ireo tsy nitsako izany. Mihena ihany koa ny « risques » hanaovana « iléus » eo amin’izy ireo. Ankoatra izay dia voalaza fa manafaingana ny fahafahana mivoaka (mikàkà) aloha kokoa aorian’ny fandidiana io fitsakoana siligaoma io.

Lire la suite

Articles Similaires