• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dentinéa
Image
Reny&Zaza

Ireo famantarana mampiseho fa hitsiry nify ny zaza

18/09/2026 10:46 © Moov.Mg

Dingana ara-dalàna eo amin’ny fitomboan’ny zaza ny fitsirian’ny nify. Matetika eo anelanelan’ny faha-4 sy faha-12 volana izy io no miseho na dia mety hiovaova arakaraka ny zaza aza. Alohan’ny hahitana ny nify mipoitra eo amin’ny hihy dia efa mety hisy fiovana madinidinika hita eo amin’ny fitondran-tenan’ny zaza. Araho eto àry ny santionany amin’izany.

Famantarana fa hitsiry nify ny zaza : mora tezitra sy mitomany kokoa

Matetika ny zaza tony sy milamina dia mety ho lasa mora sorena na mora mitomany tampoka rehefa hitsiry nify. Mety hiteraka tsy fahazoana aina mantsy ny tsindry ateraky ny nify eo ambanin’ny hihy. Matetika io fahakizitinan’ilay zaza io dia hita kokoa amin’ny hariva, rehefa mifangaro amin’ny havizanana ilay tsy fahazoana aina.

Te hitsako zavatra foana

Isan’ireo famantarana voalohany fa hitsiry nify ny zaza ny fahazarany mampiditra zavatra rehetra ao am-bavany. Miezaka manamaivana ny tsindry ao amin’ny hihy izy ka mitsako kilalao, « anneau de dentition », lamba na ny rantsan-tanany mihitsy aza. Indraindray koa izy mety hanandrana hanaikitra ny tanan’ny ray aman-dreniny rehefa trotroina.

Mitombo ny rora

Rehefa mitsiry ny nify dia mety hitombo ny famokaran-drora. Mety ho lena vetivety eo amin’ny saoka sy ny vozon’ny akanjon’ny zaza. Indraindray moa dia mety hahatonga ny hoditry ny saoka sy ny manodidina ny vava ho lasa mena na hisy « irritation » io rora be io.

Miova ny torimaso

Ny zaza izay natory tsara teo aloha dia mety hifoha matetika amin’ny alina na sahirana hatory. Ny fanaintainana na ny tsy fahazoana aina eo amin’ny hihy dia mety manelingelina ny torimasony. Matetika nefa dia vetivety ihany izany ary afaka ho azy rehefa mipoitra ilay nify.

Mihena ny fahazotoan-komana

Misy zaza sasany lasa tsy dia mazoto misakafo rehefa mitsiry nify. Ny fitsetafana na fitsakoana dia mety hampitombo ny fahatsapana fanaintainana eo amin’ny hihy. Noho izany dia mety handà sakafo sasany izy na hihinana kely kokoa noho ny mahazatra.

Te hofihinina matetika

Maro ny ray aman-dreny mahatsikaritra fa lasa mitady azy ireo bebe kokoa ny zanany mandritra io fotoana io. Te hofihinina, hotrotroina ary hifanakaiky amin’ny ray aman-dreniny matetika izy. Fomba iray itadiavan’ny zaza fampiononana manoloana ireo fahatsapana vaovao ateraky ny fitsirian’ny nify moa izany.

Mikitika na mikosoka matetika ny takolany sy ny sofiny

Ny fanaintainana ateraky ny fipoiran’ny nify dia mety hiparitaka mankany amin’ny valanorano sy ny faritra manodidina azy. Noho izany dia mety hikitika ny takolany na hisintona moramora ny sofiny ny zaza. Matetika rehefa manomboka maniry ireo nify any aoriana no miseho io famantarana io.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Na dia mety manazava fiovana maro eo amin’ny fitondran-tenan’ny zaza aza ny fipoiran’ny nify, dia tsy tokony hoheverina ho antony mahatonga ny soritr’aretina rehetra izany. Raha misy tazo avo, fivalanana mafy, faharerahana na faharendremana tsy mahazatra, dia tsara ny manatona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires