Ireo fahazarana madinika manampy amin’ny fivoaran’ny fitenin’ny zaza
Manomboka hatrany amin’ny volana voalohany iainan’ny zaza no efa mianatra tsikelikely ny feo, ny teny ary ny fifandraisana manodidina azy izy. Na dia mbola tsy miteny aza izy amin’izany fotoana izany, dia efa mametraka ny fototra ilaina amin’ny fahaiza-miteny amin’ny alalan’ireo fifanakalozana isan’andro ataony amin’ny ray aman-dreniny sy ny olona manodidina azy. Mba hanampiana ny zaza amin’ny fivoaran’ny fiteniny àry dia misy ireo fahazarana madinika tsara ataon’ny ray aman-dreny.
Resahana ny zaza manomboka izy vao teraka
Na dia mbola tsy mahatakatra ny hevitry ny teny aza ny zaza vao teraka, dia mahatsapa sy mihaino ny feo, ny gadona ary ny fiovan’ny tonom-peo izy. Ny firesahana aminy mandritra ny fikarakarana azy, ny fampinonoana na ny filalaovana dia manampy azy hahafantatra tsikelikely ny fiteny ampiasaina manodidina azy. Azo atao ohatra ny milaza amin’ny izay ataonao rehefa mikarakara azy, tantaraina azy ny zavatra mitranga mandritra ny andro… izany mba hampanan-karena ny tontolon’ny feo reny.
Valiana ny feo sy badaba avoakany
Tsy feo tsotra fotsiny ny fibadabadan’ny zaza. Ireo no ezaka voalohany ataony hifandraisana amin’ny hafa. Rehefa mamaly an’ireo feo ireo ny ray aman-dreny, dia tsapan’ny zaza fa misy vokany ny fifandraisana ataony. Izany no mamporisika azy hamerina sy hampitombo hatrany ny fahaizany maneho hevitra.
Mifampijery rehefa miresaka
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fianarana miteny ny fifampijerena. Rehefa mijery ny zaza eo am-piresahana aminy ianao, dia hitany ny fihetsiky ny molotrao, ny endrikao ary ny fihetseham-po asehon’ny tavanao. Manampy azy hampifandray ny feo reny sy ny toe-javatra iainany izany.
Hamakiana boky izy na mbola kely aza
Tsy voatery miandry ny zaza hahay hiteny vao mamaky boky aminy. Ny boky misy sary, ny boky vita amin’ny lamba na ireo tantara natokana ho an’ny ankizy madinika dia efa afaka manaitra ny fahalianany. Ny fihainoana tantara dia manampy azy hahafantatra voambolana vaovao, feo samihafa ary fomba fiteny maro. Izany rehetra izany dia hanampy amin’ny fanitarana ny voambolany any aoriana.
Mihira hira ho an’ny ankizy aminy
Tian’ny zaza ny hira sy ny tononkira ho an’ny ankizy noho ny gadony miverimberina. Izy ireny dia manampy azy hahatsiaro feo sy hampivelatra ny fahaizany mihaino. Raha ampiarahina amin’ny fihetsika sy hetsika tsotra ny hira, dia mora kokoa aminy ny mahatakatra ny hevitry ny teny ampiasaina.
Lazaina azy ny anaran’ireo zavatra hitany isan’andro
Mandritra ny andavanandro dia tsara ny manonona matetika ny anaran’ireo zavatra hitan’ny zaza, toy ny « biberon », sotro, kilalao, saka na fiara. Rehefa miverimberina ao anatin’ny toe-javatra mahazatra ireo teny ireo dia manomboka mahafantatra sy mahatakatra azy tsikelikely ny zaza.
Ferana ny fampiasana efijery
Ny fifandraisana mivantana amin’ny olona no tena manampy amin’ny fivoaran’ny fahaiza-miteny. Na dia mampiseho feo sy sary aza ny efijery, dia tsy afaka mamaly ny fihetsiky ny zaza toy ny ataon’ny olombelona. Ny fifanakalozana mivantana, ny tsiky, ny fanontaniana ary ny valiny kosa dia manome fampianarana feno kokoa.
Omena fotoana izy haneho hevitra
Na mbola tsy miteny aza ny zaza dia efa mifandray amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fijery, ny fihetsika, ny tsiky ary ny feo avoakany. Ny fiandrasana segondra vitsy alohan’ny hamaliana azy dia manome fahafahana ny zaza handray anjara amin’ny resaka. Manampy azy hianatra tsikelikely ny fomba fifampiresahana moa izany.
Rahoviana no tokony hifampidinika amin’ny mpitsabo?
Samy manana ny fivoarany ny ankizy tsirairay. Misy ireo manomboka mibadabada aloha, ary misy kosa mangina kokoa mandritra ny volana voalohany. Na izany aza, tsara ny manatona mpitsabo raha toa ka tsy mamaly feo firy ny zaza, tsy dia mijery olona, tsy mampiseho fahavononana hifandray amin’ny hafa, na misy fahatarana hita eo amin’ny fifandraisany sy ny fihetsiny. Ny fahitana aloha ny olana, raha misy izany, dia manamora ny fanomezana fanampiana sy fandraisana an-tanana mifanaraka amin’izany.




