• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ia
Image
Reny&Zaza

Vehivavy bevohoka : Afaka manao "vernis permanent/ semi-permanent" ve?

17/09/2026 11:08 © Moov

Saropady ny fitondrana vohoka : tsy fitandremana kely monja dia mety hitera-doza na ho an'ny reny na ho an'ny zaza. Anisan'ny fanontaniana manitikitika vehivavy bevohoka maro ny mikasika ny "permanent/ semi-permanent".

Misy akora simika "mahery" kokoa noho ny "vernis tsotra" ny "vernis permanent/ semi-permanent" mba hampaharitra azy. Misy fofona mety mahery ihany koa ilay "vernis" eo am-pametahana azy. Eo ihany koa ny fampiasana jiro misy "rayons UV" hanamainana izany.

Tsy atahorana amin'ny ankapobeny

Tsy tokony ho sakana amin'ny fampiasana "permanent/ semi-permanent" ny fitondrana vohoka. Efa maro ireo matihanina amin'ny fanatsarana ny hoho, izay sady mitsabo izany. Amin'ny ankapobeny, zakan'ny vehivavy bevohoka tsara ny akora rehetra amin'ny "vernis permanent", afa-tsy ireo tena manana olana goavana amin'ny hoho na ireo manana olana ara-pahasalamana manokana.
Tsy tokony hahasampona ny zaza na hiteraka loza hafa ihany koa ny fampiasana ny "lampe UV/LED" hanamainana ny "permanent/ semi-permanent". Minitra vitsy monja mantsy no hanaovana izany, ary ny tanana ihany no azon'ny "rayons UV".
Tsara nefa ny manamarika fa tokony esorina ny "permanent/ semi-permanent" (na ny "vernis tsotra") rehefa manakaiky ny andro iterahana. Arahin'ny mpitsabo maso mantsy ny lokon'ny hohon'ilay reny.

Fepetra tokony arahina

Amporisihina ny vehivavy bevohoka mba hanantona ireo matihanina nianatra manokana mikasika ny fanamboarana hoho, na amin'ny fametrahana na amin'ny fanalàna ny "permanent/ semi-permanent". Tsara raha "salon de beauté" azon-drivotra tsara no hidirana, mba hisorohana ny fofona maherin'ny akora ampiasaina eo am-pikarakarana hoho. Azo atao ihany koa ny mampiasa "cache-bouche" mba hampihenana ny fahenoana fofona.
Raha tena lasa ratsy kalitao ny hoho, ohatra hoe miova loko na lasa vakivaky na koa mora tapaka, tsara raha ajanona amin'ny endriny natoraly izany. Akora natoraly no ampiasaina mba hampiverina amin'ny laoniny ny hoho : huile d'olive, huile d'amande douce, diloilo coco, sns.

Lire la suite

Articles Similaires