• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Taombaovao Malagasy 2025 : Samy hisy fankalazana eny Ambohimanga, Ambohidrabiby ary Anosimanjaka

11/03/2025 18:16 © Moov

Mifanandrify ny daty fankalazana isam-bohitra ny Taombaovao Malagasy amin'ity taona 2025 ity. Ny sabotsy 29 marsa ny andro farany amin'ny taona, ary ny alahady 30 marsa kosa no andron'ny Taombaovao Malagasy 2025.

Famerenana ny hasin'ny maha-Malagasy moa no tena votoanton'ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2025. Marobe ireo foto-kevitra sy fomba Malagasy toa adinodino na atao tsinontsinona mihitsy aza noho ny rivo-pandrosoana. Tsy voatery hisy fankalazana manetriketrika kosa nefa ny vohitra 12, raha ho an'ny Fanjakan'Imerina. Misy ireo vohitra azo antonina tsara, ho an'ireo te hanatrika sy handray anjara amin'ireo hetsika rehetra mandritra ny roa na telo andro.

Ambohimanga

Ny eny Ambohimanga, vohitra masina nanjakan'Andrianampoinimerina, no anisan'ireo mikarakara fankalazana goavana ny taombaovao malagasy 2025. Maharitra 3 andro ny fety, ka eny amin'ny Doanin'Ankazomalaza no toerana voatondro amin'izany.
-Sabotsy 29 marsa : Fidiovana, Famaranana ny volam-padiana, Arendrina, Afo tsy maty, Lamalama
-Alahady 30 marsa : Fidiovana, Tsitsika, Tolotra Hasina, Vono omby, Dihin'ny Ntaolo, Zara Hasina
-Alatsinainy 31 marsa : Fidiovana, Tsitsika, Tolotra Hasina, Dihin'ny Ntaolo ary Tso-drano
Hisy ihany koa ny fanokanana ny Lapan'Andrianampoinimerina, izay hatrehin'ireo tompon'andraikitra ara-panjakana.

Ambohidrabiby

Tsy maintsy voatonona i Ambohidrabidy rehefa Taombaovao Malagasy no resahina. Roa andro ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy 2025, eny amin'ny Rovan'Ambohidrabiby "Hasin'Imerina".
-Sabotsy 29 marsa : Manomboka amin'ny 12 ora sy sasany ny fotoana. Vakodrazana sy Kabary fisantarana no ho tanterahina mialoha. Amin'ny 1 ora sy sasany Tolakandro ny fandrehetana ny Afo tsy maty. Amin'ny 2 ora sy sasany kosa ny fidiovana any Andohalo (toerana misy ny fatsakan'ny Mpanjaka ao Ambohidrabiby ihany).
Amin'ny 6 ora hariva ny arendrina. Amin'ny 7 ora hariva kosa dia hisy ny fandroana. Manomboka amin'ny 8 ora alina mandra-maraina ny totorebika hiandrasana ny taona vaovao.
-Alahady 30 marsa : Vao maraimbe dia hanomboka ny fotoana satria amin'ny 4 ora latsaka fahefany maraina no hangalana ny "rano tsy vaky masoandro". Amin'ny 9 ora maraina kosa ny fankalazana ofisialy, izay hatomboka amin'ny fananganana ny sainam-pirenena. Manaraka izany ny fidiovam-pirenena, ny lahateny, ny tsodrano am-bava, ny fafy rano, ny tatao ary ny zara hasina.
Hisy ny fanehoana ny maha-malagasy amin'ny alalan'ny seho an-kabary, dihy mirindra ary hiragasy.

Anosimanjaka

Hankalaza ny Taombaovao Malagasy 2025 ihany koa ireo Zana-dRanavalona eny Anosimanjaka. Tahaka ny fanao isan-taona, maharitra 3 andro ny fankalazana.
-Sabotsy 29 marsa : Arendrina iarahana amin'ny mponin'Anosimanjaka sy ny manodidina, manomboka amin'ny 6 ora hariva.
-Alahady 30 marsa : Fankalazana Alahamady, manomboka amin'ny 10 ora maraina. Hisy ny famonoana omby izay ifampizarana amin'ireo mpanotrona sy ny mponina manodidina.
-Alatsinainy 31 marsa : Hiragasy, manomboka amin'ny 10 ora maraina.
Tsimialonjafy ny fankalazana ny taombaovao Malagasy 2025. Entanina kosa ireo mpanatrika mba hanaja ireo toromarika omen'ny tompon'andraikitra eny an-toerana. Amin'ny ankapobeny, fady kisoa sy tongolo ireo vohitr'Andriana. Ho an'ny doany Ankazomalaza manokana, tsy azo atao ny manao akanjo mainty.

Lire la suite

Articles Similaires