Volamena roa kilao nafenina tao anaty fitombenana : manao vy very ny ainy ny mpanao trafika
Vehivavy sinoa iray no tratra nikasa hanondrana volamena an-tsokosoko teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny harivan’ny omaly 22 oktobra 2026. Volamena milanja roa kilao teo ho eo no voalaza fa nafeniny tao anaty fitombenany. Ivelan'ny fandikan-dalàna nataony, dia mety hiteraka fahavoazana lehibe ho an’ny fahasalamana ihany koa izao tranga izao.
Kely mavesatra ny volamena
Anisan’ny mampiavaka ny volamena ny hakitroky (densité) ny metaly ao aminy. Noho izany, na dia mahatratra roa kilao aza ny lanjany, dia tsy voatery ho lehibe dia lehibe izy. Araka ny fanazavana dia manodidina ny 103 mililitatra ny velarana fenoin’ny volamena roa kilao.
Izany fahasamihafana ananan'ny volamena izany no hahafahan’ny olona manafina volamena betsaka amin’ny toerana tery. Tsy midika anefa izany fa azo atao tsy misy fahasarotana ny fitondrana ity metaly ity ao anaty fitombenana.
Mety hanova ny fomba famindra
Mety hiteraka fanaintainana sy tsy fahazoana aina ny fisian’ny zavatra mafy sy mavesatra ao anaty fitombenana. Mety hanery ny olona hanova ny fijoroany sy ny fomba fandehany ihany koa izany. Araka ny vaovao navoaka momba ity raharaha ity rahateo, dia anisan’ny nahasarika ny sain’ny mpiasan’ny fadintseranana ny fomba fandehan’ilay vehivavy izay voalaza fa hafahafa, talohan’ny nahitana ilay volamena tamin’ny alalan’ny fitaovana "bodyscan".
Mety hampidi-doza ny aina
Mampitandrina ny amin’ny loza ara-pahasalamana mety ateraky ny fampidirana zavatra vahiny (corps étranger) ao anaty fitombenana ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana. Mety handratra ny tsinay izany, hampisy fandehanan'ny ra, na hanimba ny hozatra mifehy ny fivoahan’ny diky. Raha mafy na mavesatra ilay zavatra, dia mety hiteraka fahatsentsenan'ny tsinay ihany koa. Ny fahavakisan’ny tsinay moa dia mety hitarika aretina mafy ao anaty kibo, izay mety hahafaty raha tsy voatsabo haingana.
Noho izany, raha misy zavatra tafiditra ao anaty fitombenana ka tsy afaka mivoaka ho azy, dia ilaina ny manatona mpitsabo haingana. Tsy tokony hiezaka hanala izany amin’ny fomba an-tery samy irery, satria mety hampitombo ny ratra ny fanaovana izany.
Fampiharana hentitra ny lalàna
Araka ny fampitam-baovao, ny fizahana tamin’ny fitaovana "bodyscan" no nahafahan’ny mpiasan’ny fadintseranana nahita ilay volamena. Nidina teny an-toerana ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison sy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany, Andriamparany Carl, ary nanome toromarika momba ny fampiharana ny lalàna tsy misy fanavahana, amin'ireo mpanondrana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana.





