• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tanàn-dehibe eto Madagasikara: Mila fandrindrana mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro

22/10/2026 17:09 © Moov.Mg

Tsy ampy ny fanorenana trano fotsiny, fa tsy maintsy miaraka amin’ny fandrindrana ny tanàna sy ny fametrahana fotodrafitrasa ilain’ny mponina. Manoloana ny fitombon’ny isan’ny mponina, ny fiitaran’ny tanàn-dehibe ary ny fiovan’ny toetr’andro, dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fametrahana drafi-panorenana maty paika ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany.

Tsy trano fotsiny no ilain’ny mponina

Tsy azo avela hitombo tsy misy drafitra intsony ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Io no hafatra nentin’i Sambany Ruffin, sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, nandritra ny fanokafana ny Salon International de l’Habitat, androany alakamisy 22 oktobra 2026, teny amin’ny CCI Ivato.

Araka ny nambarany, tsy ampy ny fananana trano fonenana fotsiny, fa ilaina koa ny toeram-ponenana voalamina sy ahitana fotodrafitrasa iombonana, toy ny lalana, sekoly, toeram-pitsaboana, tsena ary toerana malalaka iombonana, ho an’ny besinimaro. Vao mainka ilaina izany, manoloana ny fitombon’ny isan’ny mponina sy ny fiitaran’ny tanàn-dehibe, izay mitaky fandrindrana mialoha, mba hisorohana ny fiparitahan’ny fanorenana tsy voalamina sy hampihenana ny mety ho voka-dratsin’ny loza voajanahary.

Andry efatra hoenti-mandamina ny tanàna

Andry efatra no ifantohan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany. Voalohany, ny fiarovana ny zo amin’ny fananan-tany, izay anisan’ny fepetra ahafahan’ny olom-pirenena manorina sy mampiasa vola am-pahatokiana. Manaraka izany, ny fanatsorana ny fahazoan-dalana hanorina, amin’ny alalan’ny teknolojia nomerika sy ny rindram-baiko MATAC/Hanorina, miaraka amin’ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny fanorenana.

Tafiditra ao anatin’ny paikady ihany koa ny fampiroboroboana ny tetikasa fanorenana trano fonenana, iarahana amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo rafitra miankina amin’ny Fanjakana, toy ny ANALOGH sy ny SEIMAD. Kendrena ny hanomezana trano mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny fianakaviana, miaraka amin’ireo fotodrafitrasa ilaina, fa tsy fanorenana trano fotsiny.

Ny fanatsarana ny toeram-ponenana sy ny tontolo an-tanàn-dehibe no andry fahefatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ireo fokontany tsy voalamina sy ny fametrahana fotodrafitrasa ho an’ny mponina.

Mila tanterahina ny drafitra efa voafaritra

Namafisin’i Sambany Ruffin fa tsy maintsy arahana ny dingana ara-panjakana sy ara-taratasy alohan’ny hanatanterahana ny asa eny an-kianja. « Efa ampy izay ny filazana sy ny fitanisana tetikasa. Fotoana izao anatanterahana ny vina niarahana nnamaritra sy nametraka », hoy izy.

Efa misy ny lalàna laharana 2015-052 momba ny fandrindrana ny tanàna. Ny Fanjakana no mametraka ny lalàna sy ny fitsipika, saingy andraikitra iarahan’ny Fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fanatanterahana izany. Ny tanjona dia ny hananana tanàna voalamina, toeram-ponenana mendrika ary fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina.

Lire la suite

Articles Similaires